♦ Nalain'ny mpitandro filaminana tao an-tranony androany maraina i Doris Rakoto Samuel, vadin'i Mahery Lanto Manandafy na i Malama... ♦ Ho entina amin'izao vaovao izao koa fa mbola tsy mitovy hevitra amin'ny fidirana indray ao anaty tetezamita ireo mpanao pôlitika... ♦ Manampy ireo tanora hitantana ny fako ao an-drenivohitra ny CRS Madagascar... ♦ Any ivelany : Olana ara-teknika tamin'ny fitaovana fanoroan-dalana ireo fiaran-dalam-by no nitarika loza namoizana ain'olona an-jatony tany Inde...

♦ Manamarika ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona isika anio... ♦ Hodinihina ny hanomezana Faritra mitokana ho an'i Maroantsetra sy Mananara-Avaratra, hoy ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry. Nanome hafatra ho an'ireo manome baiko amin'ny manakana azy kosa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Mbola manjaka ny delestazy, nisy ireo mponina nidina an-dalambe naneho ny hatezerany momba izany olan'ny herinaratra izany... ♦ Navesatra ny vokatry ny fifandonan'ny fiara an-dalam-by miisa telo tany Inde...

♦ Ahiana hivadika olana hafa ny krizy pôlitika misy eto Madagasikara raha tsy misy ny finiavana hamaha izany hoy ny filoha nasiônalin'ny FIVATO. Tafiditra anatin'ny krizy pôlitika mantsy isika hoy Andriamatoa Randimbielison William...  ♦ Tokony omena vahana eto Madagasikara ny fisarihana ny mpampiasa vola hiasa eto amintsika mba ahafahan'ny toe-karena malagasy mahazo aina haingana hoy Andriamatoa Raphael Jacob manam-pahaizana momba ny lalàna...  ♦ Hotanterahana ny 15 hatramin'ny 23 jolay izao indray ny festival ho an'ny trozona any amin'ny nosy Sainte Marie, Faritra Analanjirofo... ♦ Hiatrika fifidianana fitsapahan-kevi-bahoaka momba ny lalàm-panorenana ny vahoaka Malianina ny 18 jona ho avy izao...

♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Nanao antso avo ho an'ny Malagasy hanangan-tsaina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Nanainga omaly teny Mahamasina hihazo an'Anjozorobe ny Fiara miisa 14 hanatanteraka ny hetsika ara-pahasalamana Sarobidy ny aiko amin'ny alalan'ny Rodorodo ara-pahasalamana... ♦ Manomboka miharina ny fanafarana sy fanondranana entana ataon'ny mpandraharaha. Misedra olana amin'ny fiovaovan'ny vola haloa eny amin'ny fadintseranana ny ankamaroan'izy ireo... 

♦ Fananganan-tsaina sy firedonana ny Hiram-pirenena, teny anoloan'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra androany, no nanombohana ôfisialy ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan'ny Fahaleovan-tena... ♦ Miverina mandeha ankehitriny ny fitaterana an-dalamby TCE, mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina... ♦ Fiara 14 no hanatanteraka ny hetsika "Sarobidy ny aiko" amin'ny alalan'ny "Caravane de la santé" ; niainga teny amin'ny Kianja Barea, androany...

♦ Mirary soa sy mankahery ny ankizy manerana ny Nosy noho ny fankalazana ny volan'ny ankizy ny Aomônie Nasionalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy, P. Rodolphe Rafenoarisoa... ♦ Nanentana ny mpino hahay hifampihaino sy hifanompo i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny famaranana ny volan'i Masina Maria, ny 31 mey 2023... ♦ Nomarihana tao Antanimalandy Mahajanga, tamin'ny alahadin'ny Pantekôty ny faha-320 taonan'ny Fikambanana "Spiritains"...

♦ Hampahafantarina amin'ny talata ho avy izao, ilay sata mifehy ny fitsipi-pitondran-tena amin'izao vanim-potoana fifidianana izao... ♦ Antony iray tsy maintsy hitohizan'ny fahatapahan'ny herinaratra mifandimby, ny fitombon'ny filan'ny mpanjifa amin'izao vanim-potoana ririnina izao, hoy ny Jirama... ♦ Mirongatra ankehitriny ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka anaovan'ny fikambanana SK, antso avo...

10 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

9 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)

8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

7 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)

6 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...