♦ Miisa 15 eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimaria, niteraka resabe tato ho ato... ♦ Masoivoho vahiny miisa 8 eto Madagasikara no naneho ny ahiahiny manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Ministry ny Atitany, tamin'ny 31 marsa teo, mikasika ny famerana ny fanaovana hetsika ara-politika sy ny famoriam-bahoaka. Nanazava avy hatrany moa taorian'izay ny Ministra Tokely Justin... ♦ Ny fanalalahana ny famokarana, ny fikirakirana ary ny fanondranana ny Lavanila eto Madagasikara no vahaolana natolotr'ireo mpanondrana izany, raha nivory manokana tany Antalaha izy ireo...
♦ Folo andro tao aorian'ny fanambaran'ny Firaisamonim-pirenena ny fisitahany tsy ho mpanara-maso intsony eo anivon'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, dia nilaza ho mbola tsy naharay ny fametraham-pialan'izy ireo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Miisa 15 eo ho eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika, momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria... ♦ Ezahana ho vitaina alohan'ny Fetim-pirenena ireo lalana ratsy sy simba ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, na ihany koa tsy maintsy atomboka alohan'izay ny fanamboarana azy ireny, hoy Governoran'ny Faritra Analamanga...
♦ Ny mpanohitra no tena tiana ho kendrena amin'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Atitany, tsy afahana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana intsony, hoy ny antoko Vahoaka Miray. Nambaran'ny VAMI fa manitsaka ny Lalam-panorenana sy ny lalàna velona, iny fanambarana iny... ♦ Handrotsaka ampaham-bola hamatsiana ny IETI ny fitondrana malagasy. Tanjona ny hirosoana tsikelikely ho mpikamban'ny IETI iraisam-pirenena, hisian'ny mangarahara amin'ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena. Nodimandry tampoka omaly i Liva Andriamananjara. 34 taona monja izy, izao nondaosin'ny fahafatesana izao...
Fianarana foana hatrany ny fiainana, tsy mitsahatra mianatra isika. Misy foana fotoana ahatsapana hoe mila mianatra ny tena satria misy zavatra vaovao foana miseho eo amin'ny fiainana. Manomboka amin'ny fahaterahana ny fianarana, mitohy mandritry ny fandalovana amin'ny fahazazana, sy ny fahatanorana, mbola mitohy any amin'ny sehatry ny asa. Na efa tafitditra amin'ny sehatry ny fiainan-tokantrano dia misy fianarana hatrany, ohatra : fianarana ny fifampitondrana. Rehefa miha-antitra dia mbola mianatra hatrany hitazomana ny fitadidiana, ny fahaiza-miaina... Ankoatra ny mpampiana eny anivon'ny sekoly dia ny fiaraha-monina no isan'ireo mampianatra sy sekoly...
♦ Hisy ny hetsika fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao ankatoky y fetin'ny Paka izao. Manao hetsika fanentanana amin'ireo toby fiantsonana samihafa nanomboka omaly ny Ministry ny Fitanterana sy ny Ministry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Olona manana toe-tena varira miisa 07 no nisy naka ankeriny hatramin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity, raha ny tatitry ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa mba nihena ny fanilikilihana azy ireo eo anivon'ny fiaraha-monina... ♦ Mpianatra avy amin'ny Oniversitem-panjakàna miisa 03 eto Madagasikara no niara-nanao fitokonana omaly. Nanao hetsika filanjàna sora-baventy avokoa izy ireo, mitaky ny vatsim-pianarana miampy fampitaovana 05 volana tsy voaloan'ny Fanjakàna...
♦ Mahatratra hatrany amin'ny 1 miliara Dolara, ny fatiantoka ateraky ny lozam-pifamoivoizana, raha ny antontanisa avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Maherin'ny 10 isan'andro, eto Madagasikara, ny olona maty eny an-dalambe... ♦ Nitokona indray ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'i Mahajanga androany. Mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny fampitaovana azy ireo... ♦ Niisa fito ireo olona varira nisy naka an-keriny hatramin'ny fiandohan'ity taona ity ka ny iray tamini'reo no namoy ny ainy...
♦ Hotontosaina ny alahady fankalazana ny Famindrampon'Andriamanitra, ny 16 aprily ho avy izao, ny fitsofan-drano sady fanambarana araka ny fomban'ny Eglizy, ny maha Sanctuaire an'i Jesoa be Famindrampo, ilay paroasy fahatelo ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Tanora 644 no niatrika ny Sampakazon'ny tanora ho an'ny tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, Faritra Dehoniana; ka lohahevitra nobanjinina nandritra izany, nanomboka ny 30 marsa hatramin'ny 2 aprily ny hoe: "Tanoran'i Kristy, miara-dia"... ♦ Ny 31 marsa hatramin'ny 2 aprily no notontosaina ny fivoriam-ben'ny Firohotana Iray Aina, ao amin'ny Diôsezin'Ambanja...
♦Tafajoro ireo vondron'ny tanora manohana ny hirotsahan'i Siteny Randrianasoloniaiko ho fidiana ho filoham-pirenena eny Antananarivo-Avaradrano... ♦ Misy ireo olom-bitsy ahitàna olom-boatendry sy olom-boafidy manao tsindry an'ireo vondron'olona ifotony miaro ireo faritra arovana, hoy ny Ministry ny tontolo iainana Vina Marie Orléa... ♦ Mbola misedra olana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitotom-bary, hoy ny Ministra Edgar Razafindravahy... ♦ Mbola nanamafy ny antsony amin'ny famerenana ny fandriam-pahalemana any Ukraine ny Papa François...
♦ Miantso ny rehetra mba handini-tena ny FFKM amin'izao Herinandro Masina izao... ♦ Misy mifofo ny ain'ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo raha ny nambarany nanoloana ireo vahoakan'Antagnala nifidy azy... ♦ Nifona ampahibemaso kosa ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fankalazana ny andron'ny zandarimaria... ♦ Nitarika ny lamesan'ny alahady ny sampankazo ny Papa François omaly, iray andro taorian'ny nivoahan'ny hôpitaly tao Gemelli...
♦ Nifarana omaly ny fihaonambe dingana voalohany nataon'ny FFKM teto an-drenivohitra. Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana izy ireo hoy ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Nahemotra iray andro ny famaranana vonjy maika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Efa manomboka nefa ny fanontana printy ny lisitra mba ahafahan'ny olom-pirenena manamarina izany eny anivon'ny Fokontany aorian'ny fikatonana vonjy maika... ♦ Nanao fanambarana ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin fa tsy azo ny mpanao pôlitika atao ny mamory olona ankamanjàna. Tsy maintsy atao anaty efitrano manomboka izao ny famoriam-bahoaka ataon'izy ireo...
♦ Tsy afaka manao famoriam-bahoaka an-kalamanjana manomboka izao ny mpanao pôlitika araka ny fepetra avy amin'ny Ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Tsy maintsy anaty efitrano no hanaovan'ny solombavambahoaka ny tatitra ho an'ny vahoaka... ♦ Hanomboka hanome fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon'ny tany ny Ministeran'ny Harena an-kibon'ny Tany. Fanomezana fahazoan-dalana nihato nanomboka ny 20 jona 2010... ♦ Mijanona manan-kery hatrany ny fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana ho an'ny orinasa voakasik'izany nomen'ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana. Misy ny fitohizan'ny fitantanan-draharaham-panjakàna hoy Andriamatoa Rija Rakotoson...
Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, ny fiombony no mahatonga aretina na tsy fahasalamana, noho izany tsy tsaboina fa halamina. Ny fiakaran'ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny vatan'ny olombelona, izay jerena amin'ny alalan'ny ra no hamantarana hoe diabetika ny olona iray. Misy ny atao hoe "insuline", izay vokarin'ny sarak'aty, ao anatin'ny olombelona, ka io tsirim-panentana io no mandrindra ny fampiasan'ny sela ny siramamy. Ny olombelona iray diabetika dia manana olana amin'ny voa. Manaranaka ny diabetika, ary mifandraika amin'ny fomba fiainan'ny olombelona iray... Fandaharana "andriano ny fahasalamanana".
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco