Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14a. 36-41)
Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe:
“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina,
fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.
Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:
“Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?”
Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:
“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra,
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”.
Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:
“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”.
Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra
tamin’izany andro izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6
Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 20b-25)
Ry hava-malala,
raha manao soa ianareo no ampahoriana,
ka miaritra amim-pandeferana,
dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Sady izany koa no niantsoana anareo,
satria i Kristy nijaly ho anareo koa,
ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany;
dia Izy, Ilay tsy nanota akory,
na mba niloa-bava nilaza fitaka velively;
Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona,
fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo,
mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo,
ary indro ankehitriny
efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo,
sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe:
“Lazaiko marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy,
ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy,
dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony;
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony”.
Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany.
Ka hoy indray i Jesoa taminy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy mamadika fa miaro ny vahoaka amin'ny tsy rariny ireo solombavambahoaka anatin'ny Mihava Tour, hoy ny Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha namarana ny fitsidihana tany amin'ny Faritr'i Sava. Fotoana nilazany ny tsy fiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna... ♦ Olona roa no voasambotra, anisan'ireo tompon'andraikitra tamin'ny fitondràna ireo mpifindra monina antsokosoko, saika hiondrana tatsy amin'ny nosy Mayotte ny alin'ny 11 marsa teo. Hitondra fanazavàna ny eo anivon'ny APMF... ♦ Zaza 5 mianadahy no maty, vokatry ny fihinanana veoveo tany amin'ny Fokontany Vohitsindry, Kaominina Namorona, Distrika Manakara. Ny hanohanana no nahatonga azy ireo nihinana io karazan-java-maniry io...
♦ Tanora sivy no nomen'ny Filoham-pirenena fitaovana samihafa sy fanampiana ara-bola, avy amin'ny Fihariana, ho entin'izy ireo mampandroso ny orinasany, sy mampivelatra ny tetikasam-pihariana tanterahan'izy ireo... ♦ Mitaky ny hametrahana amin'ny toerana tokony hisy azy, ny mpiteti-pivoarana eto Madagasikara... ♦ Voasambotra ny olona roa, isan'ny tompon'andraikitra tamin'ny fitondrana ireo mpifindra monina antsokosoko, saika ho any Mayotte, tamin'ilay sambo rendrika tany amin'ny Nosy-Faly, ny alin'ny 11 marsa 2023...
♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...
♦ Nahavita ny fitsidiham-paritra faha-17 tany amin'ny Faritr'i Melaky ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Nisy ny karazana ramatahora sy fanaparam-pahefana nandritra ny fihaonana tao Maintirano... ♦ Laharana voalohany amin'ny tanjaka ara-toekarena amin'ny Faritra samihafa manerana ny nosy i Sofia raha tena ampiharina ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka miverina any amin'ny Faritra ny harena ao aminy. Isan'ny nambaran'ny governora ny Jeneraly Lylison izany omaly tao Port Berger... ♦ Mitaky fifampiresahana, mialohan'ny hanohizan'ny QMM ny asa fitrandrahana ataony, ny fikambanana LUSUD. Maherin'ny 15.000 isa ny sonia voahangona mitaky izany hoy izy ireo...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14. 22-28)
Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo niteny hoe:
“Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema,
fantaro tsara izao,
ary mampandria sofina amin’ny teniko:
I Jesoa avy any Nazareta,
Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo
tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,
araka ny fantatry ny tenanareo,
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova
sy ny fahalalany mialoha,
ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana
sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:
Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho,
satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby,
ary ny foko hitombina amin’ny fanantenana,
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko,
ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao,
ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Sal. 15, 1-2a. sy 5. 7-8. 9-10. 11)
Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao!
Ianao, ho’aho, ry Tompo, no Andriamanitra;
Ianao no hasambarako:
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
ianao no rakitro mateza.
Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy,
alina avy ny foko no toroany.
Ataoko anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady;
Fa iny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava ankavananao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 17-21)
Ry hava-malala,
raha Ilay tsy mizaha tavan’olona,
fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy,
no antsoinareo hoe Ray,
dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo,
mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety,
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na volafotsy,
fa ny Ra saro-bidin’i Kristy.
Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra,
Izay nanangana Azy ho velona,
sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo;
Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany
dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.
Hoy Izy taminy:
“Inona izato resahinareo ety an-dalana,
no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?”
Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe:
“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”
Fa hoy Izy tamin’ireo:
“Zavatra inona moa izany?”
Dia hoy ireo:
“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny,
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely:
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy”.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”
Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy
sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa
fa notanan’izy ireo nataony hoe:
“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao,
efa mandrorona ny andro”.
Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:
“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika,
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!”
Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo
ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory
sady nilaza hoe:
“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”.
Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nankalaza ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra ny Eglizy maneran-tany omaly alahady. Niavaka ny fankalazana ho an'i Madagasikara. Natsangana ao amin'ny diôsezin'i Port Berger ny sanctuairen'ny famindram-pon'Andriamanitra voalohany eto amintsika... ♦ NItokana zava-bita maro tao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny faran'ny herinandro teo. Parlemantera, solombavambahoaka sy loholona voafidy tamin'ny anaran'ny IRD, ministra maro ao amin'ny governemanta no nanotrona azy tao Ambositra... ♦ Mampiantrano ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara ho an'ny taranja Basket-ball, diviziona voalohany, lahy sy vavy i Antsirabe...
♦ Misy olana famatsiana solika hamokarana herinaratra ny Jirama amina distrika maromaro manerana ny nosy. Mihatra indray ny delestazy, vokatr'izany, ka hitondra ny heviny eto ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nasiam-panovàna betsaka ny resaka fahazoana mitrandraka, anatin'ny lalàna vaovao mifehy ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany. Tsy hisy fahazoan-dalana zarazaraina fotsiny intsony manomboka izao, hoy ny ministra... ♦ Kendrena ho tafakatra 15% amin'ny mponina eto Madagasikara no hisitraka ny fiahiana ara-tsôsialy ho an'ity taona ity. Mangataka ny hampitomboana ny teti-bola iatrehana izany ny Minisiteran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsôsialy...
♦ Hambara amin'ny fomban'ny Fiangonana ho sanctuaire-n'ny famindram-pon'Andriamanitra ny Paroasy fahatelo any amin'ny Diôsezin'i Port Berger. Misy ny fandaharam-potoana tsara ho fantatra momba izany... ♦ Efa voarafitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany, ka hatolotra eo anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna amin'ny volana mey izao. Maro ireo fanovàna nentina ao anatin'izany, raha ny fanazavàn'ny Ministry ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Vola mitentina 250 tapitrisa dôlara no ho enti-manana amin'ilay fandaharan'asa haratonaina ho an'ny fiahiana ara-tsôsialy na ny FSS. Hahazo 120.000Ariary ireo tokantrano marefo misitraka ireo tetik'asa samihafa ao anatin'izany...
Rehefa tsapaina amin'ny fitaovana fitsapana "tensiomètre", ny tosi-dra ambany dia ireo ambanin'ny 10 > 6, na 9 > 6. Ny tosi-dra ambany dia mety ho toe-batana fa mety ho fambaranà aretina ihany koa. Misy antony ny fidinan'ny tosi-dra toy ny : fitaran'ny lalan-dra madinika, fikorontanana eo amin'ny fo, fahaverezan-drano be loatra, tsy ampy rano, fahaverezan-dra, aretin'ny voa, rarintsaina, havizanana, mety ho tsy fahazakana fanafody sasany ihany koa. Fambara : Fanina, valaka, midobodoboka be ny fo.
♦ Efa ho tratra sahady amin'izao ny telo volana voalohan'ny taona 2023 izao, ny isan'ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin'ny taona 2019... ♦ Efa voafaritra ny volavolan-dalana mifehy ny harena an-kibon'ny tany, izay nasiam-panavaozana, ka hodinihin'ireo parlemantera amin'ny volana ambony... ♦ 250 tapitrisa Dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fitondram-panjakana, no ho enti-manana ny fandaharanasa FSS: Haraton'aina sy fiahiana ara-tsôsialy...
♦ Notontosaina tamin'ny talata teo ary hifarana rahampitso ny fihaonana izay fanao isan-taona, ho an'ny Fianakaviambe Salezianina eto Madagasikara... ♦ Hotontosaina ny 15 sy 16 aprily 2023 ny pelerinazy diôsezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay hakalazaina ny 17 aprily 2023 ny fetiny... ♦ Nohamafisin'ny Papa François ho an'ny vavaka ho an'ity volana aprily ity, ny fampanjakana tanteraka ny fandriampahalemana, ka anisan'ny ezaka atao amin'izany ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco