Sabotsy 28 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Zoma 27 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Alakamisy 26 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

♦ Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alakamisy, eo anelanelan'i Vohémar sy Cap-Est ilay andro ratsy, izay efa lasa "Dépression Tropicale" ankehitriny... ♦ Famatsiam-bola 22.000.000 Dôlara no azon'i Madagasikara avy amin'ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana, hiatrehana ny loza voajanahary ary hanatsarana sy hanamafisana ny fitantanana ny lohan-drano... ♦ Nankasitraka ireo mpitarika rehetra anivon'ireo Fiangonana anatin'ny FFKM, ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, noho ny finiavan'izy ireo hampanjaka ny firaisan-kina sy ny fihavanana... ♦ Afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho avy ny Malagasy monina any ivelany (Diaspora) hoy ny ministry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana...

Alarobia 25 janoary 2023 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

Talata 24 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Alatsinainy 23 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy  Marka (Mk. 3, 22-30)

Alahady 22 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona A — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-23

♦ An-dalam-piforonana ho rivo-doza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avaratra atsinanana izy io... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany koa amin'ireo hambana anaty toy ny fiovaovan'ny toetry ny andro, hoy ny Ministry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Nanome toro-hevitra hanatsarana ny fiompiana tamin'ny mpiompy trondro ny Ministry ny Jono sy ny Toe-karena Manga. Nomea toromarika hiatrehana ny rivo-doza izy ireo mba tsy hiteraka voka-dratsy eo amin'ny fiompiana trondro ny tondra-drano...

♦ Andalam-piforonana ho rivodoza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avatra atsinanana izy ato anatin'ny roa andro manaraka... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany ihany koa amin'ireo hambana anaty, toy ny fiovaovan'ny toetrandro, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, androany...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-2. 8-19)

Manantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao azy izy.

Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay alehany.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina
toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany;
toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba
izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa;
fa nanantena ilay tanàna mafy orina
manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy.
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana,
nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina,
fa nahatazana azy lavitra fotsiny,
dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe:
vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.
Manambara mazava izay milaza izany
fa mitady tanindrazana honenany izy.
Ary raha ny tany nialany no heverina amin’izany
dia ho azony atao ny miverina any indray;
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany.
Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy,
dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr’izy ireo.
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahitokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Lioka (Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75)

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy ny vahoakany.

Fa Izy nanolotra antsika herim-pamonjena
avy amin’ny fianakaviana iray,
dia ny an’i Davida mpanompo tiany,
fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany
dia ireo olo-masina fahagola.

Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny razantsika
dia indro tsaroany ny fanekeny.

Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy,
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao;
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery
nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo
ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy
no manaiky Azy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 32-39)

Niaritra ady mafy ianareo. Aza miala amin’ny fahasahianareo.

Ry kristianina havana, tsarovy ny andro fahiny,
niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana,
nony efa nohazavaina ianareo;
fa mbetika nalam-baraka sy nampahoriana ianareo
sady naseho ho fizahan’ny olona;
mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijaliana toy izany.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo
no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo,
satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra
sy maharitra mandrakizay ianareo.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo,
fa misy valiny lehibe izany.
Ilainareo tokoa ny faharetana,
mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo,
rahefa nanao ny sitra-pon’Andriamanitra ianareo.
Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy,
fa tsy hiatoato Izy.
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana,
fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan’ny foko.
Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika,
fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 36, 3-4. 5-6. 23-24. 39-40)

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitatao vovonana.

Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona:
izay amin’ny lalana tiany no ankahereziny.
Ka raha solafaka, tsy midaraboka,
fa tantazan’ny tanan’ny Tompo.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray
mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy
ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany
ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...