♦ Hiandrasana fiaraha-miasa mandritra ilay fivoriambe "Africa Forwoard" atao any Naïrobi Kenya manomboka androany ary hitohy rahampitso ny fanamboarana ireo foto-drafitr'asa stratejika eto Madagasikara... ♦ Nilanja sora-baventy niazo ny lapan'ny tanàna Analakely manohitra ny famindra-toerana azy, ireo mpivarotra amoron-dàlana eo amin'ny Petite-Vitesse... ♦ Hirosoana ny fanamboaran-dàlana ao Tsiroanomandidy mivoaka an'i Maintirano hoy ny Lehiben'ny Faritr'i Bongolava mpisolo toerana... ♦ Nanentana ny rehetra tsy hitazam-potsiny ireo karazana fijaliana iainan'izao tontolo izao ny Cardinal Pietro Parolin...
♦ Nahavita fakan-kevitra ho enti-miatrika ny fikaonan-doham-pirenena ary hatolotra ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika natao ny faran'ny herinandro teo teto Antananarivo ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika (IFR)... ♦ Hatsangana amin'ity alatsinainy faha-11 mey 2026 ity, ny kômity hisahana ny fanatsaràna ny toby fiantsonana eny amin'ny fasan-karana... ♦ Fitrandrahana antsokosoko hazo sarobidy : Olona miisa 20 tra-tehaka tao anatin'ny alan'i Ampatakamaroreny-Mandritsara niaraka tamin'ny voamboana miisa 50 sy tracteurs miisa 2... ♦ Nandray ny toerana maha Praiministra an'i Hongrie azy Andriamatoa Peter Magyar...
Ny fifanomezan-tena ataon'ny mpivady amin'ny firaisana ara-nofo dia mitondra hafaliana sy fankasitrahana fa tsy maintsy ataon'izy ireo amin'ny fomba mendrika izany fa tsy sanatria manaonao foana mandika ny lalàn'ny natiora. Tena ambony ny hasin'ny fanambadiana kristiana, tonga vavolombelona manambara ny tsy fivadihana sy fitanana ny fifanarahana natao ny fahafoizan-tena ataon'ny mpivady manabe sy manolokolo ireo zanany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
♦ Miisa 6 ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika noho ilay raharaha fanapahana ny lohan'ilay vehivavy tompon'ny Hotely any Mananjary... ♦ Efa eo am-pamolavolana tanteraka ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna nasiam-panitsiana ny governemanta ankehitriny... ♦ Hisy ny fanokafana ny lalana eny Mahamasina mialoha ny fetim-pirenena ho fitsinjovana ireo mpampiasa lalana. Ny 14% amin'ny asa no vita ankehitriny... ♦ Tsy mbola ahitana taratra ny mety ho fanarenana ny ao amin'ny faritra Gaza, 7 volana aty aorian'ny nampitsaharana ny ady...
Alahady faha-6 - Taona A fankalazana ny Paka - Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Harivan'ny nanasan'i Jesoa Kristy ny tongotry ny mpianatra no nanaovany ity fampianarana ity, izay nanomezany ny didy dia ny "fitiavana", ity Evanjely ity dia mirakitra ny didim-pananan'i Jesoa, momba ny fitiavana. Fifandraisan'ny fitiavana sy ny fankatoavana ; ny fisehoan'ny fitiavana an'i Kristy dia ny fitandremana ny didiny...
Ny Sohika dia aretin'ny taova-pisefoana, ka ny mpitsabo Pneumologue - Allergologue no havanana amin'ny fitsoina ity aretina ity. Manomboka amin'ny fahavalo volan'ny zaza dia mety efa hisehoan'ity aretina ity. Mety hisy fahasarotana ho an'ireo zaza mararin'ny Sohika anefa misy ny fampianarana ireo ray aman-dreny mba hanampy azy ireo. Fambara : Rehefa mikohota dia mety ahazo rehoka fotsy, misy feo ny tratra, reraka ary tsy mahita tory firy amin'ny alina, malain-komana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Tsy hikitika ny lisi-pifidianana teo aloha intsony fa hiroso amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny CENI, ho famaliana ny tsikeran'ny vahoaka momba ny fifidianana hoy ny filohan'ny, Thierry Rakotonarivo... ♦ Hitohy anio ny kongresy nasiônalin'ny Antoko GRAD Iloafo. Voaresaka amin'izany ny firosoana amin'ny fiovan-drafitra eto amin'ny firenena sy ny fandrafetana lalam-panorenana vaovao... ♦ Hanokana roa andro hankalazana ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana amin'ity taona ity ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa., hatao eny Analakely ny 5-6 jona ho avy izao...
Eny, ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao tontolo izao, manjo indrindra ny mahantra sy ny mijaly dia mihatra ihany koa amin'ny mpianatr'i Kristy, dia izay rehetra kristianina vita Batemy. Tsy ny tena samy irery no soavina, tsy maintsy mifanasoa ny tany ama-monina, zava-dehibe ny soa iombonana, firaisan-kina ; tanana ny fitondratena mandresy ny tsy rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny ray aman-dreny no modely ho an'ny zanaka. Amin'ny fanadihadiana mialoha ny hifanoloran'ny mpivady ny Sakramentan'ny Mariazy dia hoy ny fanontaniana apetraky ny Pretra amin'izy ireo hoe : samy vonona ve ianareo handray am-pitiavana izay taranaka omen'Andriamanitra anareo, hanabe azy amin'ny finoana, araka ny ampianarin'i Kristy sy ny Eglizy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly tsy noterena ka tena mendrika ny olombelona. Mba hahavanona ny mariazy dia safidy malalaka ny hanambady sy hivady fa tsy an-tery ; fitiavana madio no fototra mampiombona ny mpivady. Ny fitiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly mandrakariva fa mahatsara fihavanana izany, safidy malalaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Mitohy ny fiaraha-miasan’ny tranoben’ny tantsaha sy ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny Sakafo sy ny fambolena na ny FAO amin’ny alalan’ny FFF (Forest and Farm Facility), tetik’asa mifototra amin’ny Famokarana Miatrika ny Fanajàna ny Tontolo Iainana sy ny zavaboary ary ny fampifanantonana ny mpamokatra ahazo tombony tsara tsara kokoa...
Fototry ny fampandrosoana ifotony sy fanavaozana maharitra ny olom-pirenena mandray andraikitra. Mba handraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny fampandrosoana dia ilaina ny hafantarana ny adidy sy zo. Ny fifanankalozan-kevitra dia afahana mahatakatra bebe kokoa ny olana sy ny fanamby ankehitriny, ary hampiroborobo hetsika maha olom-pirenena azo tanterahina sy hita maso... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco