Ny fiainana eto an-tany, ny fisiana dia misy dikany sy heviny lehibe, indrindra eo amin'ny maha kristiana ka tokony ho fantarina sy tanterahana. Araka ny voasoratra ao amin'ny Jenezy "... ho mpitandrina, mpitantana ny voahary tontolo ianareo, ho tompon'andraikitra eo amin'ireo izay noharin'Andriamanitra". Ny kristiana dia manray anjara amin'ny fandavorariana izao tontolo izao... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Ny asa dia tsy izay fomba entina hitadiavana vola sy sakafo fotsiny na ny fameloamana ny isam-pianakaviana. Ny "asa" raha araka ny nosoratan'i Alain Ré dia avy amin'ny teny latina hoe "Tripalium", izay fitaovana iray nentina nampijaliana ireo olona nampiasaina an-terivozona. Ny Tripaliare dia azo adika hoe mampijaly. Izany hoe ny "asa" dia fanandevozana, raha ny ara-piforonan'ny teny... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ara-tsoratra masina, ny atao hoe "asa" araka ny Eksaody : Ny vahoaka Jody izany hoe ny Israelita dia nandevozina hiasa, ireo taranak'i Jakoba, niasa toy ny biby, tsy araka ny sitrapony ; mampiseho ny endriky ny asa fanandevozana. Vokatr'io fanandevozana io no nampiseho tsikelikely ny asa-pamonjena. Nivoatra ny famaritana ny asa satria niparitaka ny kolontsaina grika lasa fanompoana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ho an'ny olona mino, ny "fahaiza-manao" dia fanomezana avy amin'Andriamanitra. Ho an'ny tsy mpino dia talenta izy io, fa ho an'ny mpino dia fanomezan'ny Fanahy Masina. Natao ho an'iza ny fanompoana? Avy amin'ny hoe "liturgie" : fideran'ny vahoaka an'Andriamanitra noho ny famonjena izany hoe fanompoana an'Andriamanitra ; ho an'ny tsy mpino dia fanompoana ny mpanjaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manoloana ny asa fahariana : Andriamanitra dia niasa an-kalalahana tamin'ny fahariana an'izao tontolo izao, tsy nisy endrika fanandevozana. Niseho tamin'ny fisiana ny asan'Andriamanitra ary lavorary. Ny fisiantsika dia fahalavorariana, tamin'ny alalan'ny asa-tanana no nanehoan'Andriamanitra fahariana dia indro ny fotaka novolavolaina nasiana fofon'aina. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Raha ara-tsoratra Masina ; nahoana no hoe "fanompoana" fa tsy "fanandevozana" ; satria asa fandavorariana no nisy teo amin'ny tantara fahariana, araka ny voalaza hoe "tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka". Andevon'ny fiainana ianao rehefa tsy mametraka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, ny asa dia fanatanterahana sy fandavorariana ohatra ny asa hatao eo anivon'ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy ny asa nankinin'Andriamanitra tamin'ny olombelona, araka izay voasoratra ao amin'ny Jenezy : mba hiasa sy hiandry ny sahan'i Edena. Ny olombelona dia voaatso amin'ny asa : manatanteraka, hanompo ny zava-boahary, mitahiry ny asan'Andriamanitra mba tsy hiova ary tsy hisy tomika ny sahan'ny Edena. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny asa dia avy amin'ny teny latina " tripalium". Nivoatra ny hevitry ny hoe "asa" araka ny kolon-tsaina grika ary tonga amin'ny dika hoe "fanompoana"Samy hafa ny hevitry ny hoe "asa" ho an'ny mpino kristiana sy ny olona tsy mino, ny andaniny mandika izany ho "fanomezana" avy amin'Andriamanitra ary ny ankilany kosa dia milaza hoe "talenta". Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny olombelona dia manana ny anjara asany teo amin'ny sahan'i Eden : miasa amin'ny alalan'ny fikolokolana ary miandry. Arovana ny tontolo iainana mba hijanona na hiverina amin'ny teo aloha. Manompo ny zava-boahary isika mba ho hita taratra ao mandrakariva ny fahalavorarian'Andriamanitra. Ny hoe manompo : mitandrina, mikolo, manova manatsara. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny asan'ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra dia manohy ny asa fihariana, fitohizan'ny ain'olona amin'ny ain'olona ary amin'ny zava-boahary. Efa notsofin'Andriamanitra rano ny olombelona mba hampita ny aina. Adidin'ny olombelona tsirairay ny fikoloana ny tontolo mba tsy ho foana ny voahary. Ny mikolo dia manohy ny asa fahariana, tsy mety ary ratsy ny mamotika. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny andro nialan'Andrimanitra sasatra : andro fitsaharana satria efa feno sy lavorary ny zavatra rehera ka io andro io no ibanjinany ny asa. Ny alahady no sabatan'ny kristiana satria io no namonjen'Andriamanitra ny olombelona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy ny asa toa zary mampijaly ary lasa fanandevozana satria mety tsy amin'ny nahim-po. Manasatra ny asa noho ny tsy fihainoantsika olombelona an'Andriamanitra. Ny fahotantsika olombelona no nampiova ny tany, vokany : very ny fahalavorarian'ny zava-boahary. Mandrora mitsilany isika satria ny fahontantsika no manimba. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco