Ny asa dia voaresaka im-betsaka ao anatin'ny Baiboly indrindra fa ao anatin'ny Evanjely, ohatra amin'izany ny hoe "i Jesoa zanaky ny mpandrafitra" izany hoe nanana ny asany i Joseph. I Jesoa dia mpandrafitra tahaka ny rainy, niara-niasa amin'ny rainy ny zanaky ny Jody. Nanafitohana ny olona sasany ny fahagagana nataon'i Jesoa ary niaran'ny fanambaniana ny asan'ny mpandrafitra tamin'izany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny asa dia manambara ny maha-izy ny tena. Maro ny olona no mihevitra fa izay mahazo vola betsaka amin'ny tambin'ny asa no ambony. Ny asa mendrika dia izay rehetra mampivelatra ny maha-olona. Araka ny voasoratra ao anaty Baiboly ; rehefa niantso ny mpianany i Jesoa dia niova ny asa fanaon'ireo voaantso ary lasa mpanarato olona izy rehetra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny ranomasina da famantarana ny ratsy, anefa tamin'io tontolo io ny mpianatr'i Jesoa no nantsoiny ho mpanarato olona. Ny asan'ny mpanarato dia asa mila finiavana satria manasatra ary mitaky faharetana ihany koa, izany hoe ilàna herin-tsaina sy herim-po. Ny hevitry ny manarato eto dia manala ny olombelona eo amin'ny haizin'izao tontolo izao ho any amin'ny fahazavana lehibe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny asa-tanana dia maneho ny maha-izy ny tena. I Piera dia mpitarika, ny asa fanaratoana dia maneho fa olona feno i Piera. Maro ny olona nanaraka an'i Piera, navelany ny lazany ka nanaiky an'i Jesoa Kristy izy ; niova ny maha-izy an'i Piera teo anivon'ny fiaraha-monina ary namaritra ny fisiana vaovao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fifandraisan'ny asa sy ny vola dia hadisoan-kevitra ihany satria ny asa no talohan'ny vola. Ny vola dia vokatry ny asa. Rehefa manao ho zava-dehibe ny vola dia lasa andevon'olona isika. Ny fianakaviana masina dia efa nivelona tamin'ny asa fa tsy tamin'ny alalan'ny fangatahana teny amorondalana. Andriamanitra dia manandratra ny asa-tanana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny asam-panjakàna dia isan'ny voaresaka ao amin'ny Baiboly ihany koa dia ny niantsoan'i Jesoa Kristy an'ireo mpamory hetra. I Matio dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesoa Kristy ary nanaiky araka nanao asa araka ny andraikitra nomena azy. Ny Polblikana dia mpiasa-panjakàna, mpamory hetra teny amin'ny seranan-tsambo, mitaky hetra mihoampapana, anefa nanaiky hiova ho mpanarato olona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny vehivavy jody dia tsy nanana asa, ivelan'ny tokantrano, izany hoe mikarakara tokantrano sy ny ankohonany. Manana anjara asa lehibe ny vehivavy, indrindra teo amin'ny tantaram-pamonjena ; niara niasa tamin'i Masina Maria ho fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny Andriamanitra Ray. Tsy azo afangaro ny adidin'ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maro ireo nihevitra fa mpiray petsapetsa amin'ny mpanota i Jesoa Kristy tamin'ireo fanasana natrehany. Ny asa dia ahitana fifanaharana hatrany, ohatra : rehefa nantsoin'i Jesoa Kristy dia nanaiky ho diovina i Matio. Azo atao tsara ny miasa ara-pahamarinana sy ara-drariny ho fanasoavana ny daholobe. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Araka ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina dia misy fanoharana momba ny asa hita ao : ny voalohany ny tantaran'ilay zaza mpandany, ny faharoa fanoharana ny momba ny talenta ary ny fahatelo dia ny fanoharana mikasika ny mpiasa eo amin'ny tanim-boaloboka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ilay zaza mpandany dia nanao sesi-tany ny tenany, anefa noraisin'ny Rainy rehefa nody sy nibaboka, tsy nahafaly an'ny zanaka tao an-trano anefa izany. Hita taratra tamin'io tantara io ny asa nataon'ilay zaza mpandany, ny toe-piainan'ireo tantsaha sy ny fiompiana hataony, ny fifanampian'ny ankohonana sy ny fifankatiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny endriky ny asa ao anatin'ilay fanoharana momba ny zaza mpandany dia asa manandevo satria miara-miaina amin'ny biby. Rehefa niaina tao anaty fahantrana lalina dia nitodika tany amin'ny rainy ilay zaza, nibebaka ka nangataka ho mpiasa noho ny hanoanana. Ny asa eto : ilay olona andevozon'ny kibo, andevozin'ny nofo ; andevo satria tsy afaka fa teren'ny fotoana sy kibo. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ilay zaza mpandany dia lasa voafehin'ny filan'ny nofo, noana izy ary ny fijalian'ny nofony no nahatonga azy hiasa. Niova ny fifandraisana nisy teo amin'ilay zaza mpandany sy ny ray aman-dreniny, izay no nitondra azy tamin'ny kilasin'ny mpiasa ; ny tokony ho izy dia mpiara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary tanjona ny fanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco