Ny asa ampanaovina ny ankizy, amin'ny endrika tsy azon'ny saina leferina dia karazana herisetra, tsy dia mivandravandra noho ny herisetra hafa angamba, saingy zava-mahatsiravina tsy latsak'ireny velively. Voalika matetika ny ankizy, hatramin'ny 12 taona ; jesoa teo amin'ny faha-12 taonany niditra tao an-tempoly no ohatra tamin'izany. Tsy tokony hiditra any amin'ny orinasa ny ankizy raha tsy feno taona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Herisetra no azo andikàna ny fampiasana ny ankizy. Io fanararaotana io dia fanosihosena lozan-tany ny hasina maha-olona ananan'ny tsirairay " na kely sy bitika toy inona aza izy, ary na maivana toy inona aza ny fahitana azy, eo anatrehan'izay heverina fa mety ilàna azy". Fanandevozana sy fanararaotana ny ankizy ny famporisihana azy hampidi-bola nefa tokony mbola ho andraikitr'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny ankizy dia tsy tokony ampiasaina, adidin'ny ray aman-dreny ny mizaka aza ireny mba hampivelatra azy amin'ny fiainana indrindra ny amin'ny fanabeazana. Ny Fanjakana dia manana adidy hanampy ny ray aman-dreny amin'ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly, izany hoe ny fanabezana manontolo na foto-drafitra, na ny enti-manana, ny fitsinjovana ireo mpampianatra sy ny rafi-panabeazana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa, maro ny vehivavy manana talenta. Fanomezana hasina ny vehivavy ny fanomezana asa azy ireny. Ny ankizy dia manana ny zon'ny ary tokony feno taona vao miditra amin'ny sehatry ny asa. Adidin'ny ray aman-dreny, ampianan'ny Fanjakana ny miahy ny ankizy, indrindra ny hafahan'izy ireny misitraka zo hianatra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mety ho fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny fahatongavan'ny mpila ravin'ahitra, fa tsy voatery ho vato misakana satria misy hatrany ny fifamenoan'ny talenta sy ny fahalalana. Ny rafitra ara-panjakana, any amin'ireo tany mandray mpila ravin'ahitra dia tokony hanara-maso tsara, mba tsy hahazo vahana ny fakam-panahy hanararaotana ny mpiasa vahiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny tontolo ambanivohitra no tena endriky ny fahariana sy fampandrosoana. Mendrika hifantohan'ny saina manokana ny asa eny ambanivohitra, noho ny anjara mbola tontosainy eo amin'ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina ary ny fiharian-karena. Mila fitsinjovana manokana ny tontolo ambanivohitra sy ny asa fanao eny satria ilaina ny fanovana hatrany ifotony. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ilaina ny manana pôlitika fitantanana ny fambolena eny ambanivohitra, ary ilàna paik'ady izany toy ny fambolen-kazo, fanaraha-maso ny doro-tanety, ny fiarovana tontolo iainana. Mba hazaoana vokatra tsara amin'ireo asa maro lafy dia ilaina ny fiofanana ho an'ny tantsaha ary atao misongadina ny toe-tsaina vonona hiotra fa tsy hiandry fanampiana fotsiny, izany hoe manaraka tondro zotra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Any amin'ny firenena sasany, dia ilaina havaozina ny fizaràna ny tany, ao anaty lasitra ara-pôlitika mahomby momba ny fanavaozana ny fizakan-tany mba hialana amin'ny tany be velarana tsy ampamokarin'ny tompony. Tsy azo ialana ara-pôlitika ny fanavaozana ny fizakan-tany satria adidy ara-môraly mihitsy. Tsy tokony hivangongo amin'ny olona vitsy ny tany. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny zon'ny mpiasa dia toy ny zo hafa rehetra, dia miorina amin'ny toetra maha-olona ny olona aéry amin'ny hasiny mihoatra an'izao hita maso. Ràriny ny hankatoavana ny zo ary araky ny didy aman-dalàna : Zo hahazo tambin-karama ara-drariny, zo hahazo fialan-tsasatra, zo hanana toeram-piasana ary lamin'asa tsy manimba ny fahasalaman'ny mpiasa ary tsy manohintohina ny fahamarinany ara-môraly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny Eglizy dia manentana mba hialàna amin'ny fanambakana olona sy ny fitsetsafana. Entanina ny rehetra indrindra ireo mpampiasa mba hanaja ny zon'ny mpiasa dia ny zo hiala sasatra. Isan'ireo zo voaresaka matetika : ny fialan-tsasatra sy ny zo hanana toeram-piasana tsy manohitohina ny aina... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maro ireo zo tokony ho azon'ny mpiasa iray ivelan'ny ora sy ny fotoana iasana. Ireto manaraka ireto izany zo izany : fisotron-dronona, zo ho tsaboina raha marary, zo hisitraka fanampiana raha tra-doza, fanampiana rehefa mitondra vohoka sy teraka. Zo hiorenan'ny maha-olona ihany koa ny zo hivory, sy ny hiditra na hanangana fikambanana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Eken'ny fampianaran'ny Eglizy ny maha-ara-drariny ny fitokonana. "raha toa ka fara lalana tsy azo nidifiana mba hahazoana tombontsoa mifanahantsahana aminy", rehefa tsy nisy nahitam-bokatra ny ezaka hafa rehetra ntao handravonana ny fifanolanana. Ny fitokonana dia fandresena isan'izay nanahirana indrindra vao azon'ireo fikambanana sendikaly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco