♦ Notanterahana ny tolak'andro teo tany amin'ny Paroasy St Charles Ambatomena Fianarantsoa ny Lamesa nitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo Masera sy Môpera namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ny talata teo... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy rahampitso 31 desambra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina...  ♦ Hanolo-tanana an'i Madagasikara amin'ny fampivelarana ny taninketsa indostrialy eto Madagasikara i Inde ary hametraka tatik'asa momba izany...

♦ Manameloka ny famonoana ny miaramila malagasy, ny fanosoram-potaka ny fanenjehana tsy misy porofo izay nitarika fahafatesan'ny miaramila miisa telo, ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, araka ny fanambaràna navoakany androany... ♦ Manodidina ny 15.000 isa ireo voafonja miandrandra ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filohan'ny Repôblika. Fahefana feno madiodio ny Filoha anefa ny hanome izany na tsia amin'izao ankatoky ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao izao... ♦ Nahavita ezaka lehibe teo amin'ny ady amin'ny kolikoly  ny vondron'ny kôperativam-pitaterana miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU tamin'ity taona ity...

♦Nomelohan'ny Fitsaràna higadra roa taona an-tranomaizina sazy miantona miampy fandoavana onitra 15 tapitrisa Ariary ny talen'ny CROUA. Tsy nanaiky izany ny mpiasan'ny CROUA sy ireo Mpianatra eny Ankatso... ♦ Ilaina ny fanatsarana ny CENI sy ny fametrahana ny Fitsaràna manokana hitsara ny voka-pifidianana, hoy ny antoko MFM... ♦ Tsy afa-manoatra noho ny tsindry ataon'ny hery tandrefana ny fitondrana ankehitriny, hoy ny DFP... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany i Pelé. Misaona mandritra ny telo andro noho izany ny any Brésil...

♦ Nandrika ny rà teny Behoririka androany. Lehilahy iray avy naka vola 132 tapitrisa Ariary tany amin'ny Banky no maty tsy tra-drano, rehefa notifirin'ny jiolahy roa mitondra basy teo imasom-bahoaka sy antoandro be nanahary... ♦ Mitaky ny "hanadiovana ny tokontany" mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana amin'ny taona ho avy ny antoko MFM androany, raha nanokatra ny Jobily faha-50 taonany. Fitsaràna manokana no tokony hitsara ny voka-pifidianana fa tsy ny HCC, hoy izy ireo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra roa taona an-tranomaizina sazy miantona miampy lamandy ny talen'ny CROUA, noho ny fandravàna tranon'olon-tsotra miorina eny amin'ny faritry ny Anjerimanontolon'Antananarivo. Nilanja sora-baventy ny mpiasan'ny CROUA...

Noho ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana sy ho fandraisana ny Taona Vaovao 2023, dia mirary soa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina

Noho ny fahatongavan'ny Taona Vaovao 2023, dia mitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka kristianina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, Filohan'ny Eklesia Episkôpaly Malagasy, sady Filohan'ny FFKM

Amin'izao Taom-baovao 2023 izao sy Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana izao, dia manolotra ho antsika ny firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

Amin'izao fanakalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy izao, dia mitondra hafatra sy firarian-tsoa ho antsika, i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.

♦ Miantso ny rehetra hiombom-bavaka ho an'ny fahasalaman'ny Papa Emérite Benoît faha-16 araka ny antso nataon'i Papa François omaly ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Voasambotra tao Fianarantsoa ire efa-dahy voalaza ho tompon'antoka tamin'ny fangalarana ilay zaza varira sy namono ny reniny ka niteraka ilay savorovoro nahafatesana olona maro tany Ikongo... ♦ Hankalazaina mandritra ny taona 2023 ny faha-200 taonan'ny fadintseranana malagasy araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha omaly...

Tontosa ny taom-pikatrohana 2022, tsara ny hanaovana jery todika mikasika ireo asa vita. "Fantarina sy iainana ny soatoavina kristiana" ny foto-kevi-dehibe nampitaina tamin'ity taona 2022 ity ary "Maka lesona mankany amin'ny ho avy tsara kokoa" ny foto-kevi-dehibe amin'ny taona vaovao 2023. Fandaharana "miaina sy mitia" niarahana niasa tamin'ny Centre Arrupe, notontosaina teto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Miantso ny fitondrana hijery akaiky ny fisondrotry ny vidim-bary vokatra eto an-toerana ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Tafakatra 950Ariary ny iray kapoaka amin'ny vary makalioka... ♦ Mahatsikaritra ny filohan'ny antoko Malagasy Miara-Miainga fa tsy voahaja ny fitsinjaram-pahefana. Isan'izany ny fihetsiky ny fiadidiana ny Repoblika mibaiko olom-boafidy hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo... ♦ Miantso ny fanjakàna hanara-maso akaiky ny toerana hivoahan'ny volamena ao aminy ny Ben'ny Tanàna ao Dabolava mba ahafahan'ny tamberim-bidy miditra amin'ny Kaominina...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...