♦ Andrasana ny valin'ny fangatahana natao hamerenana an-tanindrazana ireo volamena 73,5kg sy ireo olona telo voatazona any Afrika-Atsimo... ♦ Niantso ny tsy maintsy hampiharana ireo didim-pitsaràna avoakan'ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna, ho an'ireo Ministera sy sampandraharahm-panjakàna niharan'ny didy ny Tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon'ny Fitsaràna tampony... ♦ Hiroso amin'ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ny Faritra Ihorombe atsy ho atsy, hisy ny orinasa madinidinika sy salantsalany aorina izay iarahana amin'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria...
♦ Milona efa ho telo volana eo anivon'ny Primatiora ny rijan-tenin-dalana mamaritra ny maha mpanolotsaina ny Governemanta ny filankevi-panjakana. nangataka ny Filohan'ny Repoblika, mba hamoahana ny didim-panjakana momba izany ny Tonia Mpampanoa ambony, eo anivon'ny Fitsarana Antampony... ♦ Voaporofo fa avy eto Madagasikara no niaingan'ireo volamena 73 kilao tratra tany Afrika Atsimo, hoy ny Tonia voalohany Mpampanoa lalana, eo anivon'ny PAC...
♦ Efa tafatsangana ny kaomisiôna 11 handrafitra ny fanomanana ny fanamasinana ho eveka, an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay hotontosaina amin'ny volana janoary 2023... ♦ Tontosa ny fomba fangatahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, nataon'ny delegasôna avy amin'ny diôsezin'Ambaja tao amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Notsofin-drano omaly ny Birao vaovao hitantana indray ao anatin'ny efa-taona ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora...
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly 5, 14-21
Ry malala,
izao no toky lehibe ananantsika
eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika,
dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa
fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny
manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy,
ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra,
ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa
mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra,
ka manome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina,
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany
izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory.
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba;
fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo;
satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 2, 1-12
Tamin’izany andro izany,
dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea,
ary tao ny Renin’i Jesoa.
I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina
tao amin’ny fampakaram-bady.
Nony inona,
lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy:
“Tsy manan-divay izy ireo.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Izaho sy Ianao moa no ahoana amin’izany ravehivavy?
Tsy mbola tonga ny fotoako.”
Dia hoy ny Renin’i Jesoa tamin’ny mpanompo:
“Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.”
Ary nisy siny vato enina teo,
fidiovana araka ny fanaon’ny Jody,
nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy,
ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Fenoy rano ireo siny ireo.”
Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tovozy amin’izao,
ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.”
Dia nentiny.
Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana
(izay tsy nahalala ny niaviany,
fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala),
dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe:
“Ny an’ny olona rehetra,
dia ny divay tsara no arosony aloha,
ary rahefa nisotro be ny olona
vao arosony izay tsy tsara loatra,
fa ny anao kosa,
dia ny divay tsara indray
no notahirizinao mandraka ankehitriny.”
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany
no voaloham-pahagagana nataony;
naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Ary rahefa afaka izany,
dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny reniny
mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany;
nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Voasazy higadra 10 taona miampy fandoavana lamandy 52miliara Ariary ireo telolahy voasaringotra tamin'ilay fanondranana volamena 73,5 kg tany Afrika-Atsimo, tamin'ny faran'ny taona 2022... ♦ Efa mahatratra 1 tapitrisa ankehitriny ny olona nisitraka kara-panondro, olona feno taona kanefa tsy nanana izany teo aloha, avy amin'ny Faritra samihafa manerana ny nosy, vokatry ny ezaka manokana hampananana ny Malagasy ny zo maha-olom-pirenena azy... ♦ Olona 30 isa no efa matin'ny kere, vokatry ny fihinanan-javatra tsy mahasoa, tany amin'ny kaominina Mahabo, disitrikan'i Betroka tato anatin'ny fotoana fohy... ♦ Misedra olana ny orinasa Fifamanor any Antsirabe. Efa tamin'ny volana avrily teo ireo mpiasa no nandray karama farany...
I Piera no natsangan'i Jesoa Kristy ho filohan'ny Apôstôly ; ny Papa dimbiny no filohan'ny Eveka sy ny Kristiana rehetra. Ary tsy mety diso ny fampianarana ataony momba ny finoana sy ny fitondran-tena. Ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy na ny fiangonana dia ambarany mazava fa i Jesoa Kristy Mpiandry ondry mandrakizay no nanorina ny Eglizy masina. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Ny mpandimby ny Apôstôly, izany hoe ny Eveka, no eken'Izy Jesoa Kristy ho mpiandry ondry ao amin'ny Egliziny Vatany Masina mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Izany no mahasarotiny ny Eglizy ka hitandremany mafy mikasika ny fomba hifidianana izay ho Eveka hiahy ny ondrin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Mba haha-iray tsy mivaky na dia ny fivondronan'ny Eveka aza, dia nofidian'i Jesoa Kristry i Masindahy Piera hitarika ireo Apôstôly sisa rehetra. Najorony izy ho loha sy fototra, mandrakizay sy hita maso, ho an'ny finoana sy ny fiombonan'ny Eglizy manontolo. Araka izay voalazan'ny Soratra Masina : Ianao no Piera Vato, eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko... Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Ny Eveka no mpandimby ny Apôstôly sy Mpitandrina izay miara-miasa akaiky amin’ny Vikeran’i Kristy. Mpiara-miombon’antoka amin’ny famahanana ny ondriny ny Eveka, tsy mpiasa izy ireo fa tena tompony izay nanankinan’i Kristy fahefana hanamasina ny olony. Tao anatin'ny vavaka tamin'ny Rainy no niantsoan'i Jesoa Kristy ireo Apôstôly 12 mba hiaraka aminy sy hirahiny. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Ny Eveka dia miantoka ny fitoriana ny Evanjely mandrapahatapitr'izao tontolo izao. Ny pretra dia mpanampy mahatoky sy mahefa indrindra an'ny Evekany, ka raisin'ny eveka ho toy ny zanaka sy sakaiza. Ny mihaino azy ireo dia mihaino an'i Kristy ary izay manamavo azy ireo dia manamavo an'i Kristy sy tsy manaraka azy. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Araka ny anjara raharaha omen'ny Eveka hiandraiketany, ny Diakra dia afaka manao batemy, mitsodrano mariazy, mizara Kôminio, mikarakara ny Latabatra Masina, mamaky ny Soratra Masina, miahy ny mahantra. Amin'ny anaran'ny Eglizy no hanatanterahany izany fanompoana masina izany. Lehilahy tsara laza, feno Fanahy Masina ary fahendrena ny olona voafidy ho Diakra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
I Jesoa, Mpiandry ondry tsara, no nanorina ny Eglizy ary nataon'ny rafitra antanatohatra izany fa tsy demôkratika. Ny Papa dimbin'i Piera no Filohan'ny Eglizy sady Vikeran'i Kristy. Ny Eveka izay dimbin'ny apôstôly no Mpiandry Ondry miara-miasa akaiky amin'ny Vikeran'i Kristy. Ny Pretra dia mpanampy mhatoky sy mahefa indrindra ho an'ny Evekany. Ny Diakra dia lehilahy feno fahendrena. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco