Bokin'i Izaia Mpaminany 7, 10-14
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:
“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra”.
Ka hoy i Akaza:
“Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”.
Ka hoy i Izaia:
“Mihainoa, ry taranak’i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo;
Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe:
Andriamanitra eo anivontsika.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 3, 1-2. 34ab. 5-6
An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy tambony ranomasina,
nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo?
Zovy no honina amin’ny toerany masina?
Dia izay mahitsy fo sy madio tanana,
tsy mba mianiana hahavoa namana.
Izy no tahin’ny Tompo,
vonjen’ilay Andriamanitra Marina,
taranaka mitady ny Tavany,
mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 1, 1-7
Izaho Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly,
sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina —
dia mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma.
Io Evanjely io
no misy ny fanambaran’Andriamanitra momba ny Zanany
(izay naterak’i Davida,
ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganany ho velona,
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana,
amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo;
noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy.
Ry olo-masina voaantson’Andriamanitra:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24
Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
tamin’ny nofy ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”.Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra”.
Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy 49, 2. 8-10
Tamin’izany andro izany,
namory ny zanany lahy i Jakôba ary nilaza taminy hoe :
“Mivoria, ry zanakalahin’i Jakôba, ka mihainoa.
Mihainoa an’i Israely rainareo.
Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao ;
ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao,
ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka.
Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, fandrin-diombavy,
zovy no hanaitra azy?
Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana,
tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana,
mandra-piavin’i Silao: Izy no hotoavin’ny firenena.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8. 17
Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny!
Ka ny vohitra hitrotro fiadanana.
Ny havoana hivimbina ny hitsiny.
Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy.
Ny mpamoritra kosa hofongorana.
Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana.
Dia hisy fandriam-pahalemana,
lavorary sy feno tanteraka!
Ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny;
ka ny rafiny ombam-pahavalony
handohalika sy hilavo lefona
Ny Anarany hankalazaina
sy haharitra toy ny masoandro.
Ary indro hatao fitahiana,
ireo foko manerana an-tany.
Aleloia. Aleloia.
Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana,
avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17
Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy,
Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama.
I Abrahama niteraka an’i Isaaka,
i Isaaka niteraka an’i Jakôba;
i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;
i Faresa niteraka an’i Esrôna,
i Esrôna niteraka an’i Arama;
i Arama niteraka an’i Aminadaba;
i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;
i Naasôna niteraka an’i Salmôna;
i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba;
i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta;
i Obeda niteraka an’i Jese,
i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.
I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an’i Abiasa;
i Abiasa niteraka an’i Asà,
i Asà niteraka an’i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an’i Jôrama,
i Jôrama niteraka an’i Oziasa;
i Oziasa niteraka an’i Jôatama;
i Jôatama niteraka an’i Akaza;
i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an’i Manase,
i Manase niteraka an’i Amôna;
i Amôna niteraka an’i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna,
i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;
i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda,
i Abioda niteraka an’i Eliakima;
i Eliakima niteraka an’i Azôra,
i Azôra niteraka an’i Sadôka;
i Sadôka niteraka an’i Akima;
i Akima niteraka an’i Elioda;
i Elioda niteraka an’i Eleazara;
i Eleazara niteraka an’i Matana,
i Matana niteraka an’i Jakôba;
ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria
izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Koa ny taranaka rehetra
hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida,
dia taranaka efatra ambin’ny folo;
ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna,
dia taranaka efatra ambin’ny folo;
ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy,
dia taranaka efatra ambin’ny folo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Anisan'ny hatsaram-panahy ankasitrahan'ny Evanjely, ary nampianarin'i Jesoa matetika ny mpianany ny hatsaram-panahy maha bitika. Hatramin'ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona, indrindra hatramin'ny nidiran'ny fahotana teo amin'ny fiainan-janak'olombelona dia hita fa te ho lehibe eo amin'ny samy mpiara-miaina ny tsirairay, te hisongadina, mieboebo... Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Matahotra ny olona tia manambony tena. Matahotra ny vavan'olona manodidina azy izy ; matahotra ny hihoaran'ny hafa. Zava-dehibe ny fikatsahana ny hanana ilay hatsaram-panahy maha bitika satria avy amin'Andriamanitra izany. Zava-dehibe ny mangataka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka mba hanomezany antsika io hatsaraham-panahy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Tsy vitan'ny hoe mangataka amin'Andriamanitra mba hanana "hatsaram-panahy maha bitika" isika fa mila miditra amin'ny sekolin'i Jesoa Kristy, Ilay malemy fanahy sy manetri-tena ao am-po mba hianatra ny halemem-panahiny. Ny fitiavana dia miseho amin'ny alalan'ny fahafoizan-tena, fahafoizana fotoana. Mila malemy fanahy tahaka an'i Jesoa Kristy isika amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fifanampiana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Matetika mitarika ratra anaty ho an'olona mandrafitra ny fianakaviana ny fahatsapana fa voailikiliky ny ray aman-dreny na mpiray tampo aminy ny olona iray teo amin'ny fahazazany. Zava-dehibe ny fahaizana mifandray araka ny toetran'ny tsirairay avy, apetraka ho tombony ny fahasamihafan'ny toetra. Mila mitandrina isika amin'ny toetra sasatsasany. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Afaka mianatra ny fanetre-tena amin'i Masina Maria ihany koa ny mpianakavy. Nasehony nandritra ny fampakaram-bady tao Kanà, fa ny fikatsahana soa ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ny tena fotsiny no atao hoe fanetre-tena. Afaka mianatra fanetre-tena amin'ny alalan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ihany koa isika : fanomezana toerana bebekokoa ny hafa eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Ankoatra ny fisian'ny fifampitsimbinana ao anatin'ny fianakaviana dia miteraka fifanajana sy ny fanomezan-danja ny talentan'ny tsirairay ihany ko any hatsaram-panahy maha bitika. Miteraka fitonian-tsaina ihany koa ny fananana an'ity hatsaram-panahy maha bitika ity satria manarak ny fandaharan'Andriamanitra ny fiainany izy. Manamafy ny finoan'ny mpianakavy ihany koa izy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Avy amin'ny toetra tsy manan-tsiny no nahazoana ny hatsaram-panahy maha bitika. Fanomezan'Andriamanitra sarobidy izy io kanefa mora simba raha tsy arahana fanabeazana dieny mbola kely. Ny hahafantarana ny hatsaram-panahy mha bitika dia ireto avy : ny fahatsoran-toetra, ny fanetre-tena sy ny fanompoana ny hafa, ary ny fahafoizana tsy misy kajikajy na tambiny. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Ny hoe "manaiky" dia mankatoa sy mandray ary miaina izay nambara. Misy olona maromaro voarakitra ao amin'ny Soratra Masina, izany hoe manambara olona ny teny. Ny baiboly no mirakitra ny Tenin'Andriamanitra. Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ireo fanomanana lavitr'ezaka ny hatongavan'i Jesoa ety an-tany. Ny Testamenta Vaovao dia fitoriana ny momba Azy Andriamanitra. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ao amin'ny fahambonian'ny hatsaram-panahin'Andriamanitra mihitsy ny hoe miteny amin'ny fitenin'olombelona Andriamanitra mba hanambaràny ny Tenany amintsika. Tsy mitady fomba hafa Izy rehefa miteny amintsika fa amin'ny fombatsika ihany. Tsy milaza afa-tsy teny iray Andriamanitra amin'ny teny rehetra ao amin'ny Soratra Masina dia ny Teniny tokana izay ao Aminy ilazany ny Tenany manontolo. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Azo avahana ho roa ny hevitenin'ny Soratra Masina dia ny hevitra ara-bakiteny, izay iankinan'ny hevitenin'ny Soratra Masina rehetra, ary ny faharoa dia ny hevitra ara-panahy, izay mitsinjara ho telo ka ny hevitra an'ohatra sy ny ara-moraly ary ny hevitra ara-tandindona. Lovam-pampianarana avy amin'ny Apôstôly no nahatonga ny Eglizy hahay hanavaka ny Soratra Masina tsy maintsy noraisina ho Tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco