♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...

Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13

Talata 20 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21

Alatsinainy 19 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 16-18

Alahady 18 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Izay tia Ahy dia hitandrina ny teniko ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-13

♦ Olona 5 isa voalaza fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny RN7 ny maraina teo. Nanjakan'ny lozam-pifamoivoizana ihany koa iny faran'ny herinandro lasa teo iny teo amintsika. Ny fifamoivoizana an'habakabaka ihany no tsy nahitana izany... ♦ Efa mandeha ny fanadihadiana manokana ara-tsiantifika ataon'ny eo anivon'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga, ny amin'ny antony mahatonga ireo trozona hita faty aty amin'ny morontsirak'i Madagasikara, izay efa nihoatra ny 10 tamin'ity taona ity... ♦ Tanora malagasy maro no ampian'ny fitondram-panjakàna ankehitriny, amin'ny fampananana asa sy fandraharahana samihafa. Fandaharan'asa tanterahin'ny ministeran'ny fambolena sy fiompiana...

♦ Tany Antsohihy, olona valo isa izao no efa hita, tamin''ireo namoy ny ainy tamin'ilay loza nitranga tany Apondrabe, vokatry ny faharendrehan'ny Vedette nitondra azy ireo alina. Mitohy ny fikarohana ireo olona hafa mbola tsy hita... ♦ Fampandrosoana goavana no hateraky ny ho fahavitan'ny lalana mampitohy an'Antsohihy sy Andapa, satria hampifandray ireo toerana tena isan'ny mamokatra indrindra eto Madagasikara izany, hoy ny governoran'ny Faritra Sofia... ♦ Manana paik'ady hampihenana ny adin-tany any amin'ny tontolo ambanivohitra ny Kaominina Alakamisy-Andranomadio, ao amin'ny distrikan'Anjozorobe...

♦ Nisongadina tamin'ny fanambarana nataon'ny KMF/CNOE Fanabeazana Olom-pirenena, ny tokony hanentanana ny Malagasy ahafantatra sy handray anjara amin'ny fisoratana anarana amin'ny lisi-pifidianana ho avaozina tanteraka. Eo koa ny efa tokony hiomanana amin'ny fiatrehana ny fahavaratra... ♦ Vonona ny hiara-hiasa amin'i Madagasikara i Chine ka hifanindran-dalana amin'ireo fandaharan'asa sivy anatin'ny "Initiative Emergence Madagascar" izany... ♦ Manao antso avo, mba hojeren'ny filoham-pirenena, ireo mpiasa manao ny trano mora any Bemikizy Morondava, fa mijaly izy ireo noho ny tsy fanomezan'ny mpampiasa ny karaman'izy ireo sy ny fitaka nataony azy ireo...

Ny tantsoroka sy ny kolom-panahy dia fanentanana hataon'ny fiangonana amin'ny alalan'ny katesizy mikasika ny fianakaviana. Maro ny loha-hevitra mikasika ny fiankaviana no horesahina amin'izao fandaharana izao ary hametrahana ny tanjona hikolokoloina ny fiainam-pianakaviana ara-panahy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'ny pretran'i fiangonana.

Maro ny hevitra mifamahofaho amin'izao fotoana izao manoloana ny teny hoe "fianakaviana", indrindra hatramin'izay nidiran'izao tontolo izao anatin'ny sehatry ny fanatontoloana. Noho ny filàna ara-nofo sy ny tombontsoa ho an'ny tena dia misy ireo miara-miaina toy ny mpivady, ka mamorona "fianakaviana" na inona na inona karazana misy azy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Ny olombelona sasany dia tsy te hanaiky izay nanamboaran'ny nahary tany an-kibondreniny azy. Raha lahy no nahariana azy dia te ho vavy izy ; raha vavy dia te ho lahy. Ireny no lazain'ny olona hoe "gender" na "théorie du genre", miralenta. Tsy vitan'ny filàna na tombontsoa fotsiny izany fa tena fitaka no hiainana amin'izay nanamboaran'Andriamanitra ny olombelona. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Ankehitriny, ny fanambadiana mamorona ny fianakaviana dia tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra intsony fa araka ny sitrapon'ny olombelona te hitovy indray amin'Andriamanitra. Ny fianakaviana tokony hanome taranaka noho fifankatiavan'ny mpivady dia lasa fiaraha-monin'ny fampanaranam-batana miaina eo ambonin'ny fitaka. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...