Taorian'ny nitsangan'i Jesoa tamin'ny maty dia niavaka ny fisian'i Masina Maria ho an'ny Eglizy sy ny Kristiana, Izy ilay Reny Masina mitondra ny hafatr'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo fisehoana. I Masina Maria dia môdely amin'ny fahamasinana, misongadina amin'ny hatsaram-panahy, sy ny fanoloran-tena. Masina Maria dia tandindon'ny vehivavy izay tsy very anjara amin'ny fanompoana sy fitoriana ny vaovao mahafaly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny fanabeazana ny fisian'ny kolikoly eo amin'io sehatra ireo io, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Tsy sahy mitaraina na mitoroka anefa ny 80 %-n'ny olona niharany, nanaovana fanadihadiana... • Nisy akony tamin'ny fanjifan'ny Malagasy fiara ny valan'aretina Covid teto amintsika. Nidina hatrany amin'ny 30 % izany, hoy ny vondron'ny mpandraharaha misehatra amin'ny fanafarana fiara efa niasa avy any ivelany na ny GIVEOM... • Hatsangana ho dina ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimaliniky, Distrikan'i Toliara Faharoa, ny andrimasom-pokonolona Voromahery. Nahatsapa fitoniana ny mponina hatramin'ny nananganana sy nisian'izy io, hoy ireo olom-boafidy sy olobe ao an-tanana...
♦ Miisa 9 ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta andrasana ho tonga eto Madagasikara hiatrika ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45... ♦ Mampanahy raha hilatsaka ho an'ny firenena sy ny Malagasy iray manontolo ny sazy noho ny tsy fahaiza-mitantan'ny mpitondra ankehitriny hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Tsy hampiova ny vidin'entana amin'ny ankapobeny ny fiovaovan'ny vidin-tsolika misy eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Mandrahona ny mpitondra any Inde amin'ny hampiakarana ny haban-tseranana indray ny filoha amerikana Donald Trump...
♦ Nitondra fanazavana momba ny fahatongavan'ny FBI hanao fanadihadiana momba ireo Boeing 777 ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Mila manao dingana misimisy kokoa i Madagasikara raha te hisitraka tombontsoa ao anatin'ny SADC hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Profesora Ralison Roger... ♦ Namafisin'ny federasionina Malagasy ny taranja Echecs fa tsy fanarahan-dalàna no antony nampiatoana tamin'ny asany ny filohan'ny ligy eto Analamanga... ♦ Manomboka maneho hevitra manohitra ny dingana ataon'ny praiministra israelianina ireo tompon'andraikitra ambony teo aloha any Israely...
Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Efa tonga eto Madagasikara ny FBI, hanao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, hoy ny Praiminisitra androany. Nambarany fa havoaka amin'ny fomba mangarahara ny zava-misy marina momba ity raharaha ity... • Ny fivorian'ireo mpiasam-panjakana ambony no nanokafana ny fihaonana an-tampon'ny SADEC, izay ampiantranointsika. Hisy akony amin'ny firoboroboan'ny fizahan-tany izao fivoriana izao, raha haintsika ny manararaotra, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Fianakaviana arivo no tsy manan-kialofana, vokatry ny fandrodanana trano any amin'ny Distrikan'i Toamasina Faharoa. Voalaza fa lasan'ny mpandraharaha vahiny ny tanin'izy ireo, ka hanaovana “Parc solaire”...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Nametraka fepetra ny eo anivon'ny olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) mialoha ny hirosoana amin'ny fifampiresahana amin'ny filohan'ny antenimieran-doholona. Takin'ny OJM aloha ny fialan-tsiny avy amin'ny filohan'ity andrimpan-jakàna eny Anosikely ity... ♦ Nitondra fanazavana ny ambasadaorin'i Madagasikara any Etazonia Rakotomalala Lantosoa momba ny haban-tseranana 15% amin'ny entana avy eto Madagasikara miditra any amin'ity firenena ity... ♦ Handrafitra ny toetry ny andro amin'ny ankapobeny amin'ity herinandro ity ny tsiokan'ny Varatraza antonony... ♦ Faritra maro any Taïwan ankehitriny no lasibatry ny tondradrano vokatry ny ora-nikija...
♦ Nitondra fanazavana nitarika fahasorenana ho an'ny mpanao gazety ny Antenimeran-doholona. Valin-kafatra namaly bontana ny fanambaràn'ny Olafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara... ♦ Hanomboka anio alatsinainy amin'ny alalan'ny fivorian'ireo Fonksioneran'ny SADC sy tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny SADC ny fihaonana antampon'ny SADC, andiany faha-45, izay raisina eto Madagasikara... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny Barean'i Madagasikara sy ny ekipan'i Mauritanie ny alin'ny faha-3 aogositra, tao anatin'ny CHAN... ♦ Maherin'ny 1.000.000 ireo tanora niverina tany amin'ny tany niaviany, nombam-pifaliana, taorian'ny jôbilin'ny tanora tao Roma...
Rafi-pitsarana natao hitsarana ireo olona ambony nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena ny Fitsarana Avo na ny Haute Cours de Justice (HCJ). Hatreto aloha dia mbola tena nampirimina any am-bata izy io. Notakiana sy notadiavin'ireo hery ivelan'ny fitondrana nifandimby fatratra anefa izany mba hitsikerana izay mpitondra am-perinasa, tany am-piandohana.
Ny anjara-toeran'i Masina Maria tamin'ny fampankaram-bady tao Kanà, fotoana voalohany nanaovan'i Jesoa fahagagàna, nanaovan'i Masina Maria fangatahana mivantana tamin'ny Zanany, nitarika ny Mpianatr'i Jesoa hino. I Masina Maria dia nakatoa mandrakariva ny tenin'Andriamanitra. Masina Maria dia nijoro tamin'ny finoana lehibe teo antampon'i Kalivery... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
♦ Maro ny tsy fahatomombanana sy ny osoka, ary ny hala-bato hita tamin'ireo fifidianana nisesy teto Madagasikara ka ilaina ny fanitsiana ny Lalàm-pifidianana hoy ny antoko ALFA... ♦ Misy ny lamina manokana ho an'ny fahadiovan'ny tanàna sy ny filaminana ao Antananarivo-renivohitra, ary haseho ireo vahiny avy amin'ny SADC fa tena mahay mandray vahiny ny vahoaka Malagasy... ♦ Lalam-pirenena efatra lehibe no andalam-panavaozana amin'izao eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hifarana rahampitso alahady ny andiany faha-20 amin'ny "Assemblée plénière" ho an'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara, ao Kigali...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco