Tamin’izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: "Tompoko, vonjeo izahay, fa maty." Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?" Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: "Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?"

Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy". Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany". Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: "Manaraha Ahy". Dia izao no navalin’io: "Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra". Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay? ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."

Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.

♦ Notanterahina ny omay, talata 24 mey teto Ivato ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny jobily faha-150 taona nanorenan'i Don Bosco sy Marie Dominique Mazzarello ny fikambanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice... ♦ Niisa telo ireo fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny governemanta Malagasy sy ny BAD izay natao tany ACCRA renivohitr'i Ghana omaly... ♦ Ampy ny fitaovana enti-miasa amin'ny ady atao amin'ny valala ; velaran-tany 138.000Ha no efa voafendraka ranom-panafody...

♦ Tanterahaha any Akkra, renivohitr'i Ghana, ny fivoriam-be isan-taonan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana. Fifanaraham-piaraha-miasa telo no nosoniavina teo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny BAD... ♦ Ampy ny fitaovana enti-miasa amin'ny ady atao amin'ny valala, eto Madagasikara. Miasa andro aman'alina ny teknisianina amin'ny famonoana ny valala... ♦ Hihemotra ho amin'ny 28 jona indray ny fotoam-pitsarana an-dRamatoa Raharinirina Clémence. Tsy mbola nahatonga solontena teny amin'ny Fitsarana indray androany, ny Fanjakana...

♦ Tena ilaina ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena, saingy tsy tokony ny resaka fifidianana ihany no hodinihina amin'izany, hoy ny antoko SFDM. Nambaran'ny filohany fa mety hiverina ny tantara tamin'ny andron'ny Hery-Velona, raha tsy handray anjara amin'izany ny fitondràna... ♦ Fandikan-dalàna ny fandoavan'ny fanjakàna vola 30.000Ariary amin'ilay fampiakarana ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina, hoy ny Randrana Sendikaly, fanafangaroana ny volam-panjakàna io fanapahan-kevitra io hoy ity vondrona ity... ♦ Niravona ny disadisa tamin'ilay raharahan'ny orinasa QMM, ka nakàn'ireo mponina takalon'aina mpitandro filaminana tany Taolagnaro, efa niverina niodina ny orinasa, ka hanome fanonerana ireo mponina voakasika...

♦ Tsy tokony hiroso amin'ny fanambadiana raha mbola tsy nahavita ny fifampizahan-toetra, izay dingam-piainana mankany amin'ny maha olon-dehibe. Iaino ny dingam-piainana ankehitriny fa homano ny ho avy... ♦  Vitsy ny mpiasan'ny fahasalamana mazoto hiasa any ambanivohitra noho ny tsy fahampian'ireo foto-drafitr'asa ara-tsosialy ilainy ka izay no antony mandrisika ny olona hanao dokotera tena ; ohatra ny sekoly hampianaran'izy ireo ny zanany na ny resaka herinaratra... ♦ Ho fitsinjovana ny fahasalamana dia tokony handanjalanja ny zavatra hampidirina am-bava ny olona indrindra ireo nandalo teny amin'ny mpitsabo nentim-paharazana ; tsara kokoa ny manao fitiliana eny amin'ny mpitsabo matihanina.... Fandaharana "Ampela Miary".

♦ Nasiam-panovana ny fahafahan'ny Malagasy miasa sy mifindra monina any ivelany. Namoaka filazana mirakitra izany ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, omaly... ♦ Tsy eken'ny fikambanan'ny mpivarotra ao Antananarivo Renivohitra ny hitsofohan'ny orinasa SMGD, amin'ny fitakiana haba eny anivon'ny tsena... ♦ Manome folo andro ny ftiondram-panjakana ireo mpandrahraha amin'ny harena ankibon'ny tany, mivondrona ao amin'ny Federasiona FOMM, hamahana ny olana mianjady amin'izy ireo...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an’efitra isika izao". Fa hoy Izy taminy: "Omeonareo hanina izy". Dia namaly ireo nanao hoe: "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin’izay, noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eo anoloan’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy."

♦ Misy Fakiolte iray tsy manaraka ny fitokonana fanairana nambaran'ny SECES Sampana Antananarivo. Nifarana androany ny hateloana nanaovana izany ka hitohy amin'ny fihaonana amin'ny minisitera mpiahy indray ny hetsika, rahampitso... ♦ Notsipahanan'ny fikambanan'ny mpivarotra ao Antananarivo Renivohitra ny hitakian'ny orinasa SMDG haba amin'ny tsena ao an-drenivohitra... ♦ Rava maina ny andro voalohany tamin'ny tsenan'ny lavanila maitso tany Nosy Be. Hentitra kosa ny Governoran'ny Faritra Diana, nilaza fa tsy maintsy hajaina ny vidin'ny lavanila farany ambany 75.000 Ariary...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...