Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’, ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’ Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohàna. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohàna. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"

♦ Hohafainganina ny raharaham-pitsaràna hampihenàna ny isan'ny olona tazominina any am-ponja. Fanamby, hoy ny ministry ny fitsaràna, ny hampiakarana ny isan'ireo olona voatsara ho 70%... ♦ Miantso ny hisian'ny fakàn-kevitra eto amin'ny firenena ny antoko FTPM, mialohan'ny hitsangàn'ny Ceni vaovao. Manahy ny zava-misy amin'ny taona 2023 izy ireo... ♦ Namoaka ny fanambaràna ireo Olobe zanaky ny Tranobe any Mananjary. Fanambaràna, manoloana ny resabe amin'izany mety ho Governoran'i Vatovavy, ilay faritra vaovao faha-23 eto Madagasikara... 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany." Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: "Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy." Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: "Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy."

Tamin’izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?" Ary namaly izy ka nanao hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao."

Dia hoy i Jesoa taminy: "Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao." Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Iza àry no namako?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: "Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho." Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?" Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: "Ilay niantra azy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mandehana àry ka manaova toy izany koa."

♦ Orinasa 66 tamin'ireo 300 no nahazo fankatoavana avy amin'ny Ministera mpiahy fa afaka hanondrana Lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ dVola hatrany amin'ny 151 000 000 Euro no entina hanatanterahana ilay tetik'asa "Téléphérique" hapetraka ao an-drenivohitra, vita sonia omaly tany Frantsa ny famatsiam-bola... ♦ Andro faharoa amin'ilay hetsika "Salon d'Orientation de l'étudiant et de l'emploi" anio, tanterahina etsy Anosy...

♦ Mpandraharaha 66 tamin'ireo 300 nangataka fahazoan-dalana hanondrana lavanila any ivelany ihany no nahazo fankatoavana tamin'ny minisitera mpiahy azy ireo... ♦ Vita sonia tany Paris ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fametrahana "ligne téléphérique" ao an-drenivohitra... ♦ Mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana, toy ny eny Ambohitraina Ilafy Antananarivo Avaradrano sy ny any Betroka...

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy izy: "Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy". Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona". Nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga".

Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: "Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any". Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy izy: "Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy". Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona". Nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga".

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe : "Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra ?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy : "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra akory. Koa amin'izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza ; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra".

Tamin’izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: "Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao." Dia hoy i Jesoa taminy: "Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio."

Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: "Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy." Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: "Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo fa tsy nandre."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: "Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona. Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy."

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...