♦ Fonja voalohany manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny any Imerintsiatosika hoy ny Filohan'ny repoblika... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hanafoana ny fameram-bidy amin'ny fivarotana lavanila any ivelany ireo fiaraha-monim-pirenena avy any amin'ny Faritra Sava sy Analanjirofo... ♦ Ny akon'ny dinika nitadiavam-bahaolana amin'ny seha-pitanterana ato amin'ny distrika Ambohidratrimo...

Tsy tokony ho tara ny ady atao amin'ny valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy mba tsy hitarika fahavoazana goavana amin'ny famokarana sakafo eto Madagasikara. Antso avo nataon'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny Fambolena sy ny Sakafo na ny FAO tamin'ny 10 septambra 2021 teo...

♦ Nanazava ny tsara ho fantatra momba ny paik'adim-pirenena momba ny ady amin'ny kolikoly nohatsaraina, nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao omaly teny Iavoloha ny Filohan'ny CSI Sahondra Rabenarivo... ♦ HItohy any amin'ny Faritra Menabe ny hetsika ataon'ny RMDM na teo aza ny sakana natao azy tao Antsirabe, tamin'ny herinandro lasa teo... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efarana ny FIM...

Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin'ny loza : fantaro ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro eo amin'ny fahasalamana. Mihamafy ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro amin'izao vanim-potoana iainantsika izao amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Misy ireo fepetra noraisina tsara ho fantatry ny rehetra hitandrovana ny tontolo iainana sy hampihenana ny aretina sy ny fahavoazana ara-pahasalamana vokatra ny fahasimban'ny tontolo iainana.

Andriamanitra mihitsy no namaritra ny anaran'ny zanak'i Maria, araka ny voalaza hoe : " Jesoa no ataonao anarany". Mifono iraka ny anarana ary zava-dehibe izany, tahaka an'i "Jesoa" izay midika hoe "Mpamonjy". Ny ray no mamaritra ny anaran'ny zanany. Nanomboka tamin'ny andron'i Jesoa dia niandahy sy niambavy ny iraka ho famonjena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramaanna Soloniaina Jean Emilien.

♦ Nomarihana omaly, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny demôkrasia. Ny fampiharana izany dia antoka ahatongavan'ny mpamatsy vola hoy Andrimatoa Maka Alphonse, CFM... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany hiadiana amin'ny fahasimban'ny sosona ôzôna, hiverina amin'ny laoniny ny izy io hatramin'ny taona 2050... ♦ Hita taratra ny fandrosoan'ny fandaharanasa momba ny fahasalamana antsoina hoe "ACCESS", araka ny tombana nataon'ireo tompon'andraikitra...

♦ Mbola samy manana ny fomba fandikany sy ny fampiharany ny antsoina hoe demôkrasia ireo mpanao pôlitika eto Madagasikara... ♦ Hiverina amin'ny laoniny hatramin'ny taona 2050 ny sosona ôzôna raha mitohy ny fampihenan'ireo firenena tsirairay ny ankora manimba io sosona io... ♦ Efa manomboka mihena ny trangana tsy fandriampahalemana any amin'ny Faritra Melaky...

Ny votoatin'ny iraka ho an'i Maria virijiny dia ny ho : "renin'i Mesia", zanaky ny Avo indrindra. Mila manana vina-piainana isika fa Andriamanitra dia manana ny fandaminana. Mila manana fikasana tsara ny olona fa am-piarahana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Maika ny iraka hampanaovin'Andriamanitra antsika fa amin'ny maha iraka azy dia tsy misy tambiny, ohatra ny andraikitra eo amin'ny fiangonana. Misy lafiny afaka miaraka ny "antso sy ny asa" fa misy sehatra hafa tsy mampety izany. Ny asa sy ny antso dia samy tsy azo atao ambanin-javatra satria tsy maintsy mivelona isika. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Nitory eny amin'ny Filan-kevi-panjakàna ireo vovonana sendikà eo anivon'ny Pôlisim-pirenena, manoloana ny famindran-toerana pôlisy hiasa tato ho ato, napetraka teny Anosy... ♦ Miahiahy ny fisian'ny "sinema" eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny antoko FTPM, amin'ny fitantanana ny firenena. Tsy hiandany amin'ireo ankolafi-kery ireo ity antoko ity... ♦ Hisokatra anio ny taom-panondranana Lavanila any ivelany ho an'ny eto Madagasikara. Tombanana haherin'ny 2 000 taonina ny lavanila haondrana...

Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Mpampiantra FRAM miisa 54 000 eto Madagasikara no hisitraka fanampiana ara-bola manokana. Hahazo 300 000Ariary avy izy ireo noho ny krizy nentin'ny Covid-19... ♦ Nahena ho 5% ny tataon-ketra alaina amin'ny entona fandrehitra eto Madagasikara. Tavoahangy gazy 15 000 isa no hozaraina amin'ny tokantrano malagasy... ♦ Pôlisy iray namoy ny ainy tampoka teny Ampasapito omaly. Nofahona fiara iray ny tranokely fampiasan'ireo mpitandro filaminana... 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...