Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: "Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza."
Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: "Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: "Mandehana", dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: "Avia", dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: "Ataovy izany", dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza." Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany". Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy". Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.
Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona". Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: "Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy".
Sabotsy 11 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.
Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsona azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany."
Zoma 10 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-42
♦ Resin'ny Tanzanie tamin'ny isa 3 noho 2 ny Barean'i Madagasikara omaly... ♦ Namoaka fanapahana ny teo anivon'ny HCC afak'omaly, manoloana ny fahabangan-toerana teo anivon'ny parlemanta... ♦ Any amin'ny ala Antimena : Hiara-hiasa amin'ny famindran-toerana ireo olona monina tsy ara-dalana ao ny CFM sy ny faritra Menabe...
♦ Resin'i Tanzanie tamin'ny isa 3-2 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2022. Faharesena faharoa azon'ny Malagasy, mametraka azy any amin'ny laharana farany ao amin'ny Vondrona J... ♦ Tokantrano manodidina ny arivo no monina tsy ara-dalana ao amin'ny ala arovana Antimena any Menabe. Mampanahy ny fahasimban'ny ala arovana, tonga nikaro-bahaolana niaraka tamin'ny CFM ny solontenan'ny mpitantana any amin'izany faritra izany...
Ny olomasina sy ny olontsambatra rehetra dia azo alaina tahaka amin'ny fanaovana safidy na famantarana ny antso. Ohatra azo raisina : Abrahama, Masina Maria, Md Paoly, ary Moizy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fifandraisana manokana amin'Andriamanitra dia lalana hafantarana ny antso, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra na ny Soratra Masina. Nomen'Andriamanitra ireo olomasina isika hanampy antsika hamantatra ny antso. Taloha fihaonana mivantana no nahafantarana ny antso fa ankehitriny dia amin'ny alalan'ny fandinihana ny fiainan'ireo olomasina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy mora ny mamantatra ny antso'Andriamanitra sy ny sitrapony. Nomen'Andriamanitra fahafahana isika ahafahana mandinika io antso io. Voalohany dia fahafahana mandinika satria nomena saina isika, faharoa fahafahana manapa-kevitra araka ny safidim-po. Manokana ny antson'Andriamanitra ka ny tsirairay no mandinika. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco