Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy. Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy, i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famàohana ka nisikinany; raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany. Ary nanatona an’i Simôna Piera izy; fa hoy i Piera taminy: "Adre! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro?" Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana". Fa hoy i Piera taminy: "Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana oviana Ianao". Ka hoy i Jesoa namaly azy: "Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko". Dia hoy i Simôna Piera taminy: "Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tenako sy ny lohako koa". Fa hoy i Jesoa taminy: "Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra". Izy no nanao hoe: Tsy ianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika Azy.
Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: "Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo? Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo; fa izany tokoa Aho. Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo".
♦ Mila mitady fandresena ny Barea anio tolak'andro, raha te ho tafakatra any amin'ny Can 2021. lalao hatao any amin'ny kianjan'i Barikadimy ifanandrianantska amin'i Niger, afaka ora efatra... ♦ Hametraka fitoriana eny amin'ny HCC atsy ho atsy ireo vondron'olona tsy mankasitraka izao fitondrana izao... ♦ Hiroso ihany amin'ny fampidirana vaksiny fanefitry ny coronavirus eto Madagasikara ny fanjakàna malagasy...
Tanjon'ny olona rehetra ny ho salama. Ireo mpiasan'ny fahasalamana dia tsy mpitsabo fotsiny fa manampy antsika hitahiry sy hikojakoja ny fahasalamana. Tsy tokony hiandry aretina fa mbola salama dia karakaraina ny fahasalamana : lanjalanjaina ny sakafo, ny tori-maso, sy ny fampiasam-batana sy saina. Ity andiany faharoa ity dia tsy ahitàna firy ny fisehoana teo aloha fa hainga kokoa ny fivoarany ka mila fitandremana...
Alarobia 31 marsa 2021 — Alarobia masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25
♦ Voalevina omaly teny amin'ny fasan'ny Mahery fo eny avaratra Ambohitsaina ny Amiraly Didier Ratsikaraka... ♦ Olona 7 indray no matin'ny Coronavirus teto Madagasikara, araka ny tatitra ôfisialy nivoaka omaly... ♦ Namoaka fanambaràna ny antoko Monina omaly, mitaky ny handinihina ny drafitra ho fanoherana ny fiparitahan'ny Covid-19 izay efa natolotr'izy ireo ny fitondram-panjakàna...
Talata 30 marsa 2021 — Talata masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38
Alatsinainy 29 marsa 2021 — Alatsinainy masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11
♦ Mahazo laka indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritra Atsimo-Antsinanana, ahitàna izany ihany koa any Bongolava... ♦ Miandry ireo anarana 03 avy amin'ny filohan'ny repoblika sisa dia ho feno ireo mpikambana 09 handrafitra ny HCC... ♦ Efa miomana amin'ny fanetsehana ireo Docteurs miaramila ny ministeran'ny fiarovam-pirenena ankehitriny manoloana ny firongatry ny coronavirus...
Alahady 28 marsa 2021 — Fandinihana ny fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 15, 1-39
Tamin'ny 24 marsa 2021 no andro maneran-tany hiadiana amin'ny raboka. Ity farany dia aretina mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora avy amin'ny olona mitondra ny otrik'aretina. Ny fambara mety hiseho dia koho-davareny mandritra ny roa herinandro, mihamahia, misy hafanana, misy rehoka fa tsy maintsy manao fitiliana mba hamatarana ny tena aretina marina sao fambaran'aretina hafa mihitsy...
♦ Tafakatra any amin'ny Can i Côte d'Ivoire. Miankina amin'ireo lalao roa atao ny Talata izao ny ho avin'i Barean'i Madagasikara... ♦ Efa mandinika ny fanampiana ireo sehatra tsy miankina ny fitondrampanjakàna, hoy ny Praiministra Ntsay Christian na dia tsy hampihatra ny fihobohana aza i Madagasikara... ♦ Naneho ny fahavononany hatao vaksiny koa ireo mpanohitra ary miandry fatratra ny fahatongavan'izany...
♦ Sivy ireo matin'ny Coronavirus, raha ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, androany... ♦ Ho fantatra tsy ho ela, hoy ny Praiministra, ny karazam-bakisiny hafaran'i Madagasikara... ♦ Miakatra hatrany ny tahan'ny fandoavan-ketran'ireo orinasa, raha ny tatitra nentin'ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra, androany...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco