Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka narosony teo afovoany. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra, azo nijangajanga itý vehivavy itý. Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?" Izy no nanao izany, dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany." Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?" Hoy izy: "Tsy nisy, Tompoko." Dia hoy i Jesoa: "Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony."
Tamin’izany andro izany, nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: "Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay". Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre, ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa. Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe: "Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao". Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray". Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: "Kotro-baratra izany"; fa hoy kosa ny sasany hoe: "Anjely niteny taminy izay". Dia hoy i Jesoa hoe: "Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo. Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy". Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.
Tamin’izany andro izany, nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: "Itý tokoa no Ilay Mpaminany"; ny sasany nanao hoe: "Itý no Kristy"; fa hoy kosa ny sasany: "Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy? Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida no hiavian’i Kristy?" Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka. Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy; saingy tsy nisy sahy nitàna Azy. Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila, ka nilazan’ireo hoe: "Ahoana no tsy nitondranareo Azy?" Fa hoy ny navalin’ny miaramila: "Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny." Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo: "Ianareo koa angaha voasolokiny? Jereo ange raha mba misy loholona na Farisianina iray akory nino Azy? Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny." Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo, no nanao taminy hoe: "Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony?" Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: "Ianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea." Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.
Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa, dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona i Jesoa, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo, ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosakma indray nitady Azy. Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izay rehetra nandre Azy, noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: "Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao." Fa hoy Izy taminy: "Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?" Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy.
I Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy. Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao ankibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa dia nanao araka izay nandidian’ny Anjelin’ny Tompo azy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: "Raha Izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambaràko; fa misy hafa izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy. Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy. Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavàny. Fa manana fanambaràna manoatra an’i Joany Aho, satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray Aho. Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny. Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy; nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana. Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona; fa fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo. Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy noraisinareo; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo. Fa raha mba nino an’i Môizy ianareo, dia hino Ahy koa; satria nanoratra nanambara Ahy izy. Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?"
♦ 1,30% ny taham-pitomboan'ny mpifidy taorian'ny fanakatonana vony maika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana tamin'ny 28 febroary teo... ♦ Mahatratra 3.700.000.000.0000 Ariary ny fatiantoky ny Jirama nanomboka ny taona 2009 no mankaty, vokatry ny politikan'ny vidin-jiro tsy voafaritra mazava... ♦ Afa-nenina ka hitondra ny fitakiany eo anivon'ny BIT ny sendikà SAIT...
Tamin’izany andro izany, nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanasitrana tamin’ny andro sabata Izy. Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa Rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo: "Lazaiko marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; ary izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny Zanaka koa. Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo. Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman’ny Zanaka izay tiany koa. Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’Olona. Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana. Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko Aho, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, niakatra tany Jerosalema i Jesoa fa nisy andro fety tamin’ny Jody tamin’izay. Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo. Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo. Nony nahita azy nivalandotra i Jesoa, sady fantany fa efa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy: "Te-ho sitrana va ianao?" Ary hoy ny navalin’ny marary: "Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin’ny dobo aho rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa, no tafidina alohako." Hoy i Jesoa taminy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana." Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin’izay. Ka hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana: "Sabata ny andro ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao Ianao." Fa hoy ny navaliny azy: "Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana." Dia hoy ireo nanontany azy: "Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?" Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa koa niala teo. Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy: "Indro fa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjò anao." Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody fa i Jesoa no nahasitrana azy. Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea. Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny. Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety. Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma, ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. Fa hoy i Jesoa taminy: "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino!" Ka hoy ilay manamboninahitra taminy: "Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!" Dia hoy i Jesoa taminy: "Modia, fa velona ny zanakao." Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody. Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny ka nilazany fa velona ny zanany. Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany, ka hoy ireo taminy: "Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy." Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: "Velona ny zanakao", ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.
♦ Nitaky ny hamoahana ny vatsim-pianarana efa-bola miampy ny vola fampitaovana toa ny an'ireo mpianatry ny oniversite hafa nanao fitakiana ka nahazo valiny, omaly alina ny mpianatra teny Vontovorona... ♦ Olana eo amin'ireo vitsy an'isa miady amin'ny fitantanana ny harem-pirenena, no misy eto Madagasikara, hoy i Dama ao amin'ny tarika Mahaleo...
♦ Mitohy ny fitetezam-paritra ataon'ny vadin'ny Filoham-pirenena hanamarihana ny andron'ny 8 marsa. Namboly anananambo 3.000 fototra tany Belalanda Toliara II, androany Ramatoa Mialy Rajoelina... ♦ Manainga ny fanjakana sy ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, hametraka tahirim-bola manokana ho an'ny tantsaha mba hiatrehana ny valan'aretina Covid-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro, ny Fivondronamben'ny Vehivavy Tantsaha Malagasy...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco