♦ Avy eto Analamanga avokoa ireo 439 tamin'ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Niampy 11 ihany koa ireo maty araka ny tatitra omaly... ♦ Nitondra anjara biriky betsaka tamin'ny toe-karem-pirenena ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2020, natratra 177kg ny tahirim-bolamena... ♦ Misy areti-mifindra mahazo ny biby ary mety hifindra amin'ny olombelona any amin'ny faritra atsimo-andrefana...
♦ Misokatra ankehitriny ny fandraisan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny antotataratasin'ireo mpitsabo sy mpitsambo mpanampy, amin'ny fitsaboana ny mararin'ny Covid... ♦ Hisy hetsika fampandrian-tany, hataon'ny ZRPS any amin'ny Distrikan'i Toliara II, manoloana ny fiverenan'ny asan-dahalo amin'izao fotoana izao...
♦ Vita fianianana androany teny Ambohidahy ireo mpikambanana vaovao valo, eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ho fantatra afaka valo andro izay ho filoha vaovaon'ny HCC... ♦ Nisy olona enina indray, matin'ny Coronavirus.Nitombo 348 ireo tranga vaovao eto amintsika, araka ny antotan'isa ôfisaly nivoaka androany tolakandro...
Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao...
♦ Amperin'asa nanomboka androany ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny HCC. Tontosa androany maraina ny lanonana ara-pitsaràna momba ny fihanianan'izy ireo... ♦ Tsy sasatry ny manentana ny olom-pirenena hanao ny arovava sy orona eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fiparitahan'ny Covid... ♦ Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra...
Noho ny fahasarotana ateraky ny zava-misy ankehitriny dia tena ilaina ny fifanohanana sy ny fifankaherezana eo amin'ny samy olombelona. Sehatra iray hanamora izany ny eo anivon'ny mpianankavy noho izy ireo tena iharan'ny olana mivantana, ara-pifandraisana sy ara-pivelomana...
Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)
♦ Tsy maharaka amin'ny fandraisana ireo mararin'ny Covid-19 intsony ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra. Nampiana ny isan'ny CTC. Hapetraka ihany koa ny hotely hopitaly hanampiana ny toerana handraisana ny marary... ♦ Hisitraka fanampiana indray ireo olona marefo noho ny fiatrehana n y valan'aretina coronavirus... ♦ Nanao fihetsiketsehana teny Ampefiloha indray androany ireo tompon'ny orinasa sy ny mpiasa misahana ny fikojakojàna ny lalam-pirenena, tsy mbola voaloa hatramin'izao ny volan'izy ireo...
Sabotsy 10 avrily 2021 — Sabotsy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15
♦ Nahatratra 37% ny tahan'ny fiaboan'ny olona mitondra ny Coronavirus tamin'ny fitiliana natao omaly. Tsy maharaka ny mararin'ny Covid intsony ny fandriana any amin'ny hôpitaly sy ny ivo-toerana misaha izany an-drenovihtra, araka ny tatitra nataon'ny sendikan'ny Paramed 6FM...
♦ Efa ao anatin'ny fanatanterahana ny fandaharan'asa momba ny fivarotana entona "carbone" amin'ny alalan'ny fiarovana ny ala voajanahary i Madagasikara. Tafiditra amin'ny ezaka hanamafisana ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy, ireo no misintona ny entona manepotra... ♦ Ramanavy na "chauve-souris à ventouse" dia isan'ireo hita eto Madagasikara. Misy an'ilay karazany kely indrindra eto, ary miavaka noho ny firafitry ny tendron'ny tongony sy ny tanany, somary boribory sy misy fantsy maranitra...
♦ Ho tanterahana rahampitso eny Ambohidahy ny lanonam-pitsaràna manetriketrika hanaovan'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny HCC ny fianianana... ♦ Vao mainka nampitombo ny olana teo amin'ireo mpirakidraharaham-pitsaràna ny tsy fisian'ny fifaninanana handraisana mpirakidraharaha vaovao, tao anatin'ny telo taona nifanesy... ♦ Hisy fiatraikany mivantana amin'ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialin'ny olona ny fahavitan'ny lalambe migodàna mampitohy an'Andranobevava sy By Pass...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco