14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.

♦ Efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana bakalôrea ankoatra ny eto amin'ny faritanin'Antananarivo... ♦ Voasokajy ho faritra mando faha-21 eto Madagasikara izay arovana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena na site ramsar kosa ny helodranon'Ambaro... ♦ Nanamafy ny firenena mikambana fa hatao ny 24 desambra 2021 ny fifidianana any Lybie... 

♦ Handrasana anio ny fahatongavan'ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny lalao miverina hifanandrinana amin-dry zareo ivoariana izay hatao any Toamasina... ♦ Tsy tokony ho ataon'ny loholona saka amin'ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny parlemanta ny fahataran'ny teti-bola hiatrehana izany, hoy ny filohan'ny HCC... ♦ Sambany indray omaly vao nitafa nivantana tamin'ny mpanao gazety ingahy Donald Trump. Tsy naneho hevitra momba ny fifidianana anefa izy... 

Ny fahasalamana ara-tsaina: mamaritra ny fahasalamana mihitsy izany hoe ny olona tsirairay dia voakasika, miankina amin'ny tontolo manodidina, fiaraha-monina, ara-tsôsialy, ny toe-po, ara-biôlôjika. Tokony ferana ny fotoana hijerena vaovao miteraka tahotra sy tebiteby, ohatra ny antontanisa mikasika ny Covid-19... 

♦ Miditra faty antoka hatrany amin'ny 50.000.000.000 Ariary ny birao misahana ny kadasitry ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara na ny BCMMM... ♦ Higadona any Toamasina rahampitso tolakandro ny delegasiôna misy ireo mpilalaon'ny Barea... ♦ Nifampiresaka an-telefona ny papa François sy Andriamatoa Joe Biden... 

13 nôvambra — Teraka ny 28 ôktôbra 1550 tao amin'ny lapa Rostkowo tao Pologne i Stanislas Kostka. Farany amin'ny zanak'i Jan Kostka, sénateur sy i Marguerite Prisca anabavin'ny mpanjaka tao Mazovie i Stanislas.

Talata 17 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.

♦ Hahazo oram-baratra anio ny faritra maro eto amin'ny nosy indrindra ny eto afovoan-tany. Oram-bratra hitohy hatramin'ny faran'ny herinandro... ♦ Hitarika voka-dratsy amin'ny toe-karena eto Madagasikara hoy ny filohan'ny CSI ny fandanian'ny parlemanta malagasy ny lalàna mampihena ny fahefan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly na ny PAC... ♦ Nanomboka nanendry izay ho mpiara-miasa aminy Andriamatoa Joe Biden filoha vaovao any Etazonia... 

Fanentanana ny olon-drehetra amin'ny fandraisana andraikitra hiaro ny zaza tsy ampy taona sy ny olona marefo manoloana ny loza mety hahazo azy ireo indrindra "ny fanolanana na herisetra ara-nofo". Manomboka amin'ny ray aman-dreny ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fifampiresahana sy fampahafantarana azy ireo ny atao hoe herisetra, mba hahafahan'izy ireo miaro tena ary indrindra mizara amin'ny ray aman-dreny...

Ilaina ny fahatokisatena sy fifanampiana eo amin' ny ankohonana. (11-11-2020)

Alatsinainy 16 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 25-43 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...