Toa ny zezika manome aina ny fitiavana eo amin' ny tokatrano ny fanokanana fotoana manokana amin' ny fikolokolona izany. (18-11-2020)

19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

♦ Ny tetikasa Kobaby : Tetikasa iarahana amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, tontosaina any amin'ny Faritra Diana, fiaraha-misa amin'ny AFD. Tetikasa mahakasika sehampiharina miisa dimy : Ny varimanitra, Ny tantely (an-tanety sy an'ala honko), ny fihariana voankazo, ny Jono maharitra ary ny fizahan-tany ifotony.   ♦ Ny trandraka: biby mampinono, misy miantso azy hoe "tandraka" na " Kelora", biby miavaka satria tsy manana rambo, mirefy 145 hatramin'ny 328mm. ♦  Bolabolanà andramena miisa 87, no tratra tao amin'ny distrika Amparafaravola... 

♦ Hitarika fivoriana manokana iarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara anio ny filoham-pirenena. Ny momba ny fiatrehana ny hain-tany any Atsimo sy ny tsy fanjariantsakafo no hodinihana... ♦ Nanomboka androany faha 19 novambra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana loholona hatao ny faha 11 desambra 2020... ♦ Hodinihina mandritra ny fihaonana an-tampon'ny vondrona eraopeana ny momba ny Covid-19. Hampitovy tadin-dokanga amin'ny paik'ady iombonana ireo mpitarika firenena 27... 

♦ Orinasa miisa efatra (04) no tafatsangana teto Madagasikara tamin'ity taona 2020 ity, notokan'ny Filoha Andry Rajoelina, androany, ny orinasa mpanamboatra lafarinina any Toamasina : LMOI... ♦ Efa toromariky ny fitondram-panjakana, milatsaka ho an'ny isam-paritra mihitsy amin'izao ny tsy maintsy hikatsaham-bahaolana manoloana ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana be... ♦ Nidina an-dalambe tao Berlin, androany, ny vahoaka anarivony maro, naneho ny tsy fankasitrahany ny paikadin'ny governemanta federaly any Alemagne, manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19... 

Alatsinainy 23 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4 — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

♦ Bolabolan'andramena 87 isa no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana tany amin'ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimandroso distrikan'Amparafaravola ny alatsinainy lasa teo... ♦ Miantso ny fanjakana hampihena ny saram-pitrandrahana harena ankibon'ny tany, alaina aminy, ireo mpandraharaha mishehatra amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany...  ♦ Niaro hatrany ny vokatra maneho ny fandresen'ny kandidà demokraty Joe Biden na tsy mbola ofisialy aza ny talen'ny sampana misahana ny cybercriminlalité any Etazonia... 

Alahady 22 nôvambra 2020 — Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

♦Nilaza omaly ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa misy andian'olona minia manakorontana tsy hahatontosa ny fifidianana loholona amin'ny faha 11 desambra izao... ♦ Ny raharaha anatiny eo anivon'ny antenimieran-doholona no nifantohan'ny fivoriana azon'ny besinimaro natrehina omaly teny amin'ny lapa maitso Anosikely... ♦ Ny 22 novambra ho avy izao, mandritra ny Eokaristia Masina hotarihan'ny Papa François no handraisan'ny tanoran'i Portugal ny famantarana ny andro eran-tany ho an'ny tanora dia ny lakroa masina sy ny sary vongan'i Masina Maria... 

♦ Fifanitsanana handraisana anjara amin'ny CAN 2022, nisaraka ady sahala iray noho iray tany Toamasina androany ny Barean'i Madagasikara sy ny Elefantan'i Cote d'ivoire... ♦ Nampiato ny asany nanomboka androany ary hanohy izany ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ireo mpanara-mason'ny asamanerana ny nosy mivondrona ao amin'ny sendika SAIT... ♦ Mihemotra ny fahaiza-mitantana aty Afrika. Voakasik'izany ny fihemorana amin'ny fampandriana fahalemana, ny fiarovana ny zon'olombelona... 

18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.

Sabotsy 21 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...