♦ Mitaky ny fahalalahana maneho hevitra mba ahazoana vaovao marim-pototra ny hetsika ROHY na dia izay ambara fa fanakianana mivaivay indrindra aza... ♦ Tsy mbola vita ny ady amin'ny valan'aretina Coronavirus, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hametrahana fitaovana ahafahana manasa tanana amin'ny rano sy savony ireo toerana rehetra tsy ahitana rano nefa be mpandalo...

♦ Hiverina tsikelikely ny fiainana andavan'andron'ny mponina indrindra fa ny asa fivelomana amin'ity herinandro ity... ♦ Olona vaovao iray omaly no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Miantso ny Fiangonana isan'isany manerana ny Nosy mba hahatsiaro hanolotra izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny olona tena sahirana ny Filohan'ny FFKM...

♦ Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka omaly indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasiakra, araka ny didim-panjakana nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Ministra... ♦ Nidinika niaraka tamin'ny tompon'andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Vondron'ny Koperativa miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU... Saika miandrandra fanampiana avy amin'ny fitondrana avokoa ny ankamaroan'ireo sokajin'olona tsy afa-miasa noho ny fihibohana...

♦ Mitohy ao anatin'ny 15 andro eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana araka ny tapaky Filankevitry ny Ministra omaly... ♦ Mbola tsy ahitana tranga Coronavirus eny anivon'ny fonja manerana an'i Madagasikara hoy ny Pretra Aumônier Nasiônalin'ny fonja... ♦ Nanofa fiara, dia an-tongotra, moto no namonjen'ireo zokiolona mpandray fisotroan-dronono ny toerana fakana vola...

♦ Niampy enina indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara raha ny vokatry ny fitiliana avy ao amin'ny Institut Pasteur androany antoandro... ♦ Hatramin'ny omaly 16 aprily dia olona 2152 no vita filitiana teny amin'ny Institut Pasteur... ♦ "Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe", isan'ny fanehoan-kevitry ny Amiraly Didier Ratsiraka io tamin'ny tambazotra ara-tsôsialy...

♦ Mila fanaraha-maso akaiky any amin'ny hôpitaly ireo olona mitondra tsimok'aretina Coronavirus tsy ahitana soritr'aretina... ♦ Hasitrika anio ao amin'ny fasan-drazany ny nofo mangatsiakan'ny Profesora Rakotomaria Etienne. Malagasy mpikaroka fanta-daza nanana andraikitra ambony teto amin'ny firenena... ♦ Miantso vonjy amin'ny fanjakana ny Vovonan'ny Ovy any Vakinankaratra...

♦ Olona efatra nitondra ny Coronavirus, notsaboina tany amin'ny hôpitaly omaly no sitrana... ♦ Miverina tsikelikely indray ny mpivarotra amoron-dalana ao Antananarivo Renivohitra. Mitaraina fa tsy mbola nahazo fanampiana ka tsy maintsy manohy ny asa fivelomany... ♦ Misokatra avokoa ny biraon'ny Paositra manerana ny Nosy ho fanampiana ny mpanjifa manoloana ny ady atao amin'ny Coronavirus...

Sabotsy 25 aprily 2020 — Masindahy Marka Evajelista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20 — Izahay kosa mitory an'i Jesoa Kristy voafantsika ; i Kristy herin'Andriamanitranitra sy fahendren'Andriamanitra.

Zoma 24 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15 — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka ahy.

Alakamisy 23 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36 — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak'olombelona.

♦ Mitombo hatrany ny olona voaporofo fa sitrana soa aman-tsara tamin'ireo nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasika. Androany olona efatra vaovao indray no sitrana... ♦ Tsy maintsy mandinika isan'andro ny paik'ady hamongorana ny tsimok'aretina Coronavirus ny anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Mety miovaova izny arakaraka ny zva-misy manerana ny Nosy...

Alarobia 22 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...