Alatsinainy 11 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izao itoeran'i Kristy eo ankavan'Andriamanitra, no katsaho.
♦ Nitombo tsy toa ny isan'andro ny isan'ny olona voatily ary voamarina ho mitondra ny Coronavirus araka ny tatitra ôfisialy... ♦ Ampitomboina ny isan'ny olona atao fitiliana amin'ny Coronavirus any Toamasina... ♦ Hihamafy ny fampihatrana ny fepetra mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao hoy ny Préfet an'Antananarivo...
♦ Andrasana ny valin'ny fitiliana ilay vehivavy iray namoy ny ainy, na Coronavirus tokoa no nahafaty azy na tsia... ♦ Fitiliana ny Coronavirus hatrany amin'ny 10.000 no hatao any Toamasina izay ahitana tranga marobe amin'izao fotoana izao... ♦ Hihamafy ny fampiarana ireo fepetra ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao hoy ny Préfet an'Antananarivo...
Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
♦ Manamafy ny fitandroana ny filaminana any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy ny Tafika Malagasy... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika ny 04 tamin'ireo olona 25 voarohirohy tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin'ny pôlisy nanao ny asany tao amin'ny fokontany Antsifotry, any Ambanja... ♦ Tsy mankasitraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra handrodana tsena sy trano amin'izao fahasahiranana mahazo ny mponina izao ny mpanolotsaina avy amin'ny Antoko TIM...
(07-05-2020) Fanabeazana ho olom-pirenena vanona ho raiamandreny sy zanaka tompon'andraikitra.
07 mey — Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Flavie, zanak’i Domitilla sy Quintus Petillius Cerialis izy ary dadatoany ny amperora Domitien. Nanambady an'i Titus Flavius Clemens i Flavie ary niteraka roa lahy izy ireo. Samy Titus Flavius no anaran’ireo zanany ireo, teraka ny taona 88 ny voalohany ary ny taona 90 ny faharoa, ka i Quintilien no nanabe an'ireo zanany ireo.
♦ 158 no isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Ahemotra ny fisoratana anarana amin'ireo fanadinam-panjakana, CEPE sy ny BEPC ary ho an'ny Sampana teknika... ♦ Miantraika amin'ny fiainana ara-tsôsialin'ny mponina sy ny toe-karena ny fampiharana ny fihibohana hoy solombavambahoaka voafidy tao Toamasina voalohany, Famindra Justin...
♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ireo olona natao fitiliana teto Madagasikara tato anatin'ny 24 ora... ♦ Ampidirina ho isan'ny rafitra hitsaboana ny olona mararin'ny Coronavirus any Congo Brazzaville ny Tambavy CVO an'i Madagasikara... ♦ Hamoraina ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara fitateram-bahoaka ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ato anatin'ny 15 andro...
Tsy mitovy lanja amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana ny famelàna mandritra ny vavaka fifonana amin’ny litorjia, fa manome antsika ny hevitry ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fepetra.
♦ Laharam-pahamehana amin'ny fanarenana ny toe-karena amin'izao fiatrehana krizy izao ny fanohanana ny tantsaha amin'ny famokarana sakafo... ♦ Handalo indroa any an-tokantrano ny mpiasan'ny Jirama maka ny marika fandaniana ary manatitra faktiora... ♦ Mitaky fifampidinihana manoloana ny disadisa amin'ilaiy toerana hananganana ny tsena manara-penitra any Ambovombe ny mpisolovava Maître Willy Razafinjatovo...
Sabotsy 09 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14 — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco