♦ 18 no fitambaran'ny isan'ny olona vaovao voaporofo, araka ny tatitra mivoaka androany, fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nomen'ny CBM na Christoffel Blindenmission tolotanana mitentina 240 tapitrisa ariary ireo olona manana fahasemanana sy marefo eto Madagasikara... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny Fitsarana mandritra ny fotoana tsy voafaritra ny Fitsarana ao Toamasina...
Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.
♦ Tokony tanterahana araka ny lalana ny famaranana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana rahampitso 15 mey hoy ny KMF/CNOE... ♦ Mila hamafisina ny fepetra amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina any Toamasina hoy ny Zanaky ny faritanin'i Toamasina... ♦ Miverina misokatra manomboka androany ny sampana misahana ny fitsaboana homamiadana ao amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona...
Talata 19 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5-11 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, tia anay sy nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.
14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.
Alatsinainy 18 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.
♦ Miisa 5 ny olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tamin'ireo tarehimarika 67 nambara tamin'ny herinandro voatery tsy maintsy naverina... ♦ Maty noho ny tifitra nataon'ny zandary azy omaly maraina i Norbert Ramandiamanana na i Lama... ♦ Nisy horohoron-tany nitranga teto Madagasikara alina. Tao amin'ny distrikan'i Fandriana ny foibeny...
♦ Niampy 20 ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tao aorian'ny fitiliana natao omaly tontolo... ♦ Namaly bontana avy hatrany ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tao aorian'ny tafa nataon'ny Filoham-pirenena Malagasy mikasika ireo nosy malagasy manodidina... ♦ Mihamangina hatrany ny fanatanterahana ny fahatsiarovana ny hetsi-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972...
♦ Manamafy ny antso efa nataony tamin'ny herinandro amin'ny tokony hisian'ny fakan-kevitra amin'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosial'i Madagasikara aorian'ny fiatrehana ny valan'aretina Coronavirus eto amin'ny firenena Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianiriana... ♦ Afaka miasa malalaka amin'ny ora rehetra ny mpanao gazety eto amin'ny faritra Analamanga hoy ny Filohan'ny Holafitra...
♦ Mandray an-tanana olona betsaka indrindra mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus amin'ireo hôpitaly lehibe itsaboana ny maray ankehitriny ny hôpitaly any Toamasina... ♦ Ho fantatra anio ny valin'ireo fitiliana natao tamin'ny herinandro ka namoahana tranga 35 sy 32 ny alakamisy teo ka voatery nohamarinina... ♦ Nihaino ireo ministra vitsivitsy tao amin'ny Governemanta omaly tolakandro ny Solombavambahoaka...
♦ Olona 06 vaovao indray no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nitsena mivantana ireo CVO nomen'ny fitondram-panjakana malagasy azy androany ny Filoha Kaomôriana... ♦ Tosika Fameno : Saika filaharam-be hatrany no hita amin'ireo paositra sy banky natokana hakana azy...
13 mey — I Masimbavy Dominique Mazzarello dia teraka tao Mornese tao Piémont tamin'ny 9 mey 1837. Enina no isan'ny iray tampo aminy. Tsy mba nisy sekoly tao an-tanana, ka dia ny rainy no nampianatra azy namaky teny sy nanisa.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco