Zoma 08 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery amin'ny intsony ny fahafatesana.
06 mey — I Dominique Savio dia ilay tanora salezianina, teraka tao Riva di Chieri tamin'ny taona 1842, tany akaikin'i Turin tany izany. Zaza faharoa amin'ny folo mianadahy nateraky hy ray aman-dreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina i Dominique Savio, vao efa-taona monja izy dia efa nahay sy nahavita ny vavaka Angélus, in-telo isan'andro.
♦ Mila hamafisina ny fihavanana sy ny firaisan-kinan'ny Malagasy manoloana ny toe-java-misy ankehitriny hoy ny Filohan'ireo Andrim-panjakana mpanao lalana... ♦ Nisy amin'ireo mpitatitra tao en-drenivohitra sy ny manodidina no tsy nanaraka ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny mpitatitra UCTU sy UCTS ny amin'ny hampiatoana ny fitaterana...
♦ Isan'ny hisondagina amin'ny fivorian'ny Antenimiera roa tonta ny fandinihana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisiana... ♦ Hatramin'ny omaly hariva, tsy nisy ny olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Tsy nitovy hevitra amin'ny fampiatoana ny fitaterana ireo koperativa mivondrona ao amin'ny UCTS sy ny UCTU...
♦ Nivoaka ny fonja ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Valosoa Vaovao... ♦ Miantso an'ireo kristianina sy ny mpitondra Fiangonana amin'ny faritra telo izay misy ny olona mitondra ny Coronavirus ny Filohan'ny FFKM mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana mba tsy hiparitahan'ny valan'aretina... ♦ Mitaraina noho ny fisian'ireo Taxi-Moto sy ny fiara manao asan'ny Taxi ny filohan'ny FTAR...
05 mey — I Judith dia niaina tamin'ny taonjato faha-13, zanak'olona avy ao Thuringe ao Allemagne izy, ary nanambady Polonais. Niteraka maro izy ireo.
Alakamisy 07 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20 — Nahita Ahy ianao ka nino ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Nandefa taratasy fanentanana ny mpino ny Papa François, hanao sapile mandritra ny volana mai , volan’i Masina Maria. Nisy ihany koa ny vavaka manokana nosoratany hiarahana amin’ny Masina Maria, fitalahoana amin’izao valanaretina izao. Indro àry lahatsoratra feno, voadika amin’ny teny Malagasy:
♦ Hiaka-dapa indray anio ny parlemanta malagasy. Tsy eny Tsimbazaza fa etsy amin'ny Foibe fandraisana fivorian iraisam-pirenena no hanaovana ny lanonam-panokafana ho an'ny Solombavam-bahoaka... ♦ Mijanona ho 151 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara tamin'ireo fitiliana natao... ♦ Nampiato ny fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra sy ny manodidina ireny ny vondron'ny mpitatitra UCTU sy ny UCTS nanomboka androany...
♦ Tsy nisy olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus androany raha ny vokatry ny fitiliana nataon'ny Institut Pasteur... ♦ Nihamafy nanomboka androany ny sazy nampiharina ho an'ireo tratra tsy mitondra aro-tava mandeha eny an-dalambe... ♦ Misy fiaramanidina iray sy sambo miisa telo, miaramila 200 efa hetsehin'ny Tafika Malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tanin'i Madagasikara...
Alarobia 06 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.
♦ Namantatra ny zava-misy momba ny tazo mahery Dengue mahazo ny olona any Mahajanga ny iraky ny fitondrana foibe... ♦ Mirongatra ihany koa ny tazomoka any amin'ny distrikan'Iakora faritr'Ihorombe... ♦ Nanamarika ny ny 03 mey, Andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny mpanao gazety tany Bongolava...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco