Mirona kokoa amin'ny fotoam-pifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolontsaina ny sain'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Raha tiana hatezana ny fiaraha-miasa dia tsy maintsy asongadina ny fifampitokisana, ny fandalàna ny fahamarinana, ireo miorina amin'ny fifankatiavana no miteraka fifandrasiana tsara rindra. Ny tena safidy marina dia izay manome tombony ny "soa" sy "mampivelatra" fa tsy ny mihanona amin'ny "mahafinaritra" fotsiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Mampiantrano ny fihaonambe faha-33, filan-kevitry ny ministra ao amin'ny Africa Rice isika Malagasy mandritra ny 3 andro. Fihaonana iraisam-pirenena atao eto Antananarivo hatramin'ny rahampitso...
  • Nitsangana ny vovonana "Vonjeo ny fampianarana" ary nanao fanambaràna miaraka izy ireo omaly nilaza fa marary ny tontolon'ny fanabeazana eto Madagasikara...
  • Hotanterahana anio atsy Afrika atsimo ny fihaonana eo amin'i Barean'i Madagasikara sy ry zareo Tonizia. Lalao miverina tafiditra amin'ny fifanintsanana isam-bondrona ahafahana mandray anjara amin'ny CAN 2025...

Hoy Masindahy Grégoire avy any Nyssa : ilaina ny faharetana amin'ny vavaka, izay fifampiresahana mba hitazonana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Ny faharetana dia asan'ny finoana. Ny vavaka maharitra dia fanao ara-panahy izay mitaky fahatokiana, faharetana, fanoloran-tena tsy tapaka amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

  • Mampiantrano ny Fihaonambe faha-33-n'ny Filankevitry ny Minisitra ao amin'ny Africa Rice, isika Malagasy mandritra ny telo andro...
  • Mitaraina vokatry ny olana amin'ny famatsiana jiro, ireo mpandraharaha ao amin'ny SIM...
  • Nitsangana ny vovonana "Vonjeo ny fampianarana", ary nanao fanambarana miaraka izay milaza fa marary ny tontolon'ny fanabeazana eto Madagasikara...

  • Olona 16 namoy ny ainy, 10 hafa naratra nandritra ny lozan-dranomamy nitranga tany Belo-sur-Tsiribihina alina, nivory maika nandinika ny fepetra tokony ho raisina hisorohana ny loza ny manampahefana sy ny mpitandron'ny filaminana any an-toerana...
  • Hotanterahina ny 3 hatramin'ny 5 desambra 2024 izao ao amin'ny Katedraly Namahora-Morondava ny andiany faha-46 amin'ny kômity foibe FFKM...
  • Nitaky fanazavana momba ny nampiasan'ny tompon'andraikitra ny caisse école ho an'ireo sekoly ambaratonga fototra ao amin'ny Distrika Ikongo ireo ray aman-drenin'ny mpianatra any an-toerana...
  • Hiara hisakafo amin'ny mahatra miisa 1.300 ao Vatican mandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny mahantra amin'ny alahady 17 novambra 2024 izao i Papa François...

Ny aretin'aty dia tsy fahatanterahan'ny asan'ny aty, vokatry ny fihinanana menaka betsaka loatra. Misy sehon'aretina maro raha vao tsy tomombana ny asan'ny aty : malain-komana, mandoa, misy hafanana, tazovony, havizanana, areti-kibo... Misy fanafody mahasitrana tandrify ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo raha vao voatily ara-potoana... Misy tsiranoka mandeha mialohan'ny fahatongavan'ny fadimbolan'ny vehivavy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fampihantana dia ireo endrika fitondrana ny zanaka ; tsy ny zaza anefa no mihanta fa ny fihetsika ataon'ny ray aman-dreny no tonga amin'izay endrim-pifandraisana izay. Ny fototry ny fampihantana dia fanomezana avy hatrany izay zavatra takian'ny zanaka. Ny fampihantana zanaka dia miteraka tsy fahatokisan-tena, tsy fahaizan'ny zanaka hisendra olana any aoriana any, ditra... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Mbola nametrahan'ireo Eveka namany ny fitokisany ka naveriny ho filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Manohy ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny andrimaso ny FFKM na tsy ho isan'ireo hisahana ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ny 11 desambra 2024, izao aza...
  • Trano 602 tafo no ravan'ny afo tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Distrika Farafangana, rava hatrany amin'ny 98% ny tanàna, maherin'ny 3.000 ireo tra-boina.

Ny vavaka maharitra, araka ny filazan'ireo Rain'ny Fiangonana dia matetika no raisina ho toy ny fanao ara-panahy tena fanatsarana ny fiainam-panahy, tena ilaina izay maneho ny finoana sy ny faharetana ary ny fahatokiana an'Andriamanitra. Ny vavaka maharitra dia mifototra amin'ny fahatokiana ny fahatsaran'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

  • Mbola voafidy ho Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara i Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava. Niova kosa ny Filoha Lefitra sy ny Sekretera Jeneraly...
  • Tsy handray anjara amin'ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna hatao amin'ny 11 desambra 2024, ny FFKM...
  • Nisokatra androany tamin'ny 2 ora tolakandro ny taom-piotazana letchis amin'ity taona ity. Efa nampoizina fa hihena ny vokatra ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo, noho ny fiovan'ny toetr'andro...

16 nôvambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)

15 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...