• Notanterahana androany ny fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa maromaro etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato... • Tokony hanokafana fanadihadiana ny voalazan'ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy, tamin'ireny horona-tsary navoakany ireny, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, mpitarika ny RMDM... • Vonona tanteraka ny Ekipan'ny Radio Don Bosco, hiatrika ny fifaninana ho an'ny orinasan-tserasera, na ny Intermédia 2025. Hetsika izay hotanterahana eny amin'ny Kianja Barea Annexe Mahamasina, rahampitso...

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

• “Ho aminareo anie ny fiadanana”, izay no teny firarian-tsoa voalohany nataon'ny Papa Léon XIV, raha niseho vahoaka voalohany tao Vatican izy. Niarahaba manokana an'i Roma sy i Chiclayo ihany koa izy... • Olona mahafehy ny didy aman-dalana, ny lafiny teknika sy siantifika no handrafitra ny delegasiona hiatrika ilay fivorian'ny vaomiera manokana momba ireo nosy manodidina any Frantsa ny 30 jona 2025... • Fikambanana Mazoto sy Zanadriaka : Nanao fanambarana omaly, nilaza fa tsy hanaiky hatramin'ny farany ny hirosoan'ny tetikasa Base Toliara...

Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Voafidy ho Papa faha-267 ny Kardinaly Robert Francis Prevost. Nisafidy ny anarana Léon faha-14 izy amin'izao nahavoafidy azy ho Papa izao... • Nandefa teny fisaorana an'Andriamanitra sy firarian-tsoa ho an'ny Papa Léon XIV, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ary manentana ny kristianina mba hivavaka ho an'ity Dimbin'i Piera ity... • Maniry hitondra fanitsiana amina sehatr'asa vitsivitsy ho an'ny tetibolam-panjakana 2025 ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Efa nankatoavina tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tsy hisian'izay fanitsinana izay, mandritra izao fivorian'ny antenimiera mpanao lalana izao...

Ny famonjena dia tanterahan'i Kristy ilay hany manalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona ; tian'Andriamanitra handray ny famonjena tokoa ny olombelona rehetra. Tsy an-tery ny fitoriana ataon'ny Eglizy na dia tiany aza ny handraisan'ny olona rehetra ny famonjena fa omeny lanja ihany koa ny fanajana ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay, fanajàna ny hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Setroka fotsy no nivoaka tamin'ny fantson-tsetroky ny fifidianana Papa, tamin'ny 7 ora hariva teo. Nanakoako tao Vatican ny lakolosy, izay midika fa voafidy ny Papa faha-267, tao aorian'ny latsa-bato ny tolakandro teo... • Mafampana indray ny fifamaliana an-tserasera eo amin'ireo mpomba sy mpanohitra ny fitondrana, niainga tamin'ilay resaka “hozatra” iny. Hitondra ny fanehoan-keviny ny avy amin'ny RMDM... • Tsy hasiam-panitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana taona 2025. Maniry ny hitondra fanitsiana teboka vitsivisty anatin'izany anefa ny Solombavam-bahoakan'ny Antoko Fivoi...

♦ Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dôlara hiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro, avy amin'ny tahirim-bola maitso i Madagasikara... ♦ Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny governemanta ny ankamaroan'ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... ♦ Olona dimy mpanao trafikanà rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taoniny ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana... ♦ Ho fantatra afaka fotoana fohy ny vokatry ny fifidianana Papa vaovao ataon'ireo Kardinaly miisa 133 ao amin'ny Chapelle Sixtine...

♦ Miloko mainty ny setroka nivoaka tamin'ny fantson-tsetroka ao an-tafontranon'ny Lasepely Sixtine omaly. Mbola tsy voafidy araka izany ny Papa... ♦ Nanokana roa andro hanaovana ny fihaonana mivantana hiarahana amin'ireo solombavambahoaka ny governemanta dia ny 12-13 jona ho avy izao... ♦ Vonona ny mpiasan'ny haino vaky jery rehetra hiatrika fifaninana "Iray eny An-kianja" - Intermédia 2025" Hetsika ho atao ny sabotsy izao eny Mahamasina... ♦ Hifamotoana amin'ny lamesa ao amin'ny Chapelle Pauline indray ireo kardinaly miatrika conclave anio amin'ny 8 ora sy fahefany ka hanomboka hifidy indray izy ireo adin'ny iray aorian'izay...

Tenin'i Kristy tamin'ny Apôstôly ny hoe :" toy ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa" ; tsy hoe asa tsy maintsy tanterahin'ny Eglizy na azo heverina ho tsy laharam-pahamehana akory aza ny maha-iraka fa tena anisan'ny mandrafitra sady maneho ny maha-izy azy mihitsy. Io iraka io no anisan'ny ilazàna fa "apôstôlika" ny Eglizy, ny apôstôly midika hoe voairaka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dolara, hiatrehana ny fiovan'ny toetrandro avy amin'ny tahirim-bola maitso, i Madagasikara... • Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny Governemanta, ny ankamaroan'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... • Olona dimy mpanao trafikana rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taonina ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana...

Ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manana andraikitra hifampizara traik'efa sy hampita izany amin'ny ankohonany avy. Ny hasin'ny ankohonana dia misongadina ho azy rehefa maneho fifampizaràna ny ray aman-dreny. Ny ankohonana dia lalam-piainan'ny zanak'olombelona, singa iray ao anatin'ny tsingerin'ny fiainan'ny olombelona, izay miantoka ny fitohizan'aina. Mbola manohy ny maha-izy azy ny olona iray na ao anatin'ny tokantrano aza fa manana sy mametraka tanjona iombonana kosa, izay manome aina vao ny tokantrano... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...