Mangataka, mitalaho dia tena maha olombelona izany. Araka ny voalazan'ny katesizy: amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no hanehoantsika ny fahatsiarovan-tena ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : ry zavaboary, tsy isika no fiaviantsika, na tompon’ny fahoriana, na tompon'ny fiafarana, fa mpanota, isika. fantaro , amin’ny maha Kristiana antsika, fa fangatahana dia efa fiverenana aminy Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ao amin’ny “Rainay” isika no mivavaka mba hahazo famelan-keloka – izay fanao isan’andro; mila famelan-keloka foana isika - dia ny fiadanana eo amin'ny fifandraisantsika; ary farany, mba hanampiany antsika amin’ny fakam-panahy sy hanafaka antsika amin’ny ratsy. Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : misafo helika ny kary dia amin'ny 2ora maraina. Tsy mitovy tanteraka ny marika andron'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy Madagasika. Ny fikisaky ny haloka no isan'ny nahafahan'ny Ntaolo nanamarika ny andro ihany koa ; ny haloka na ny tandidona lava indrindra rehefa maraina miposaka masoandro ho an'ny olona iray dia 28 dia, rehefa tonga ny amin'ny 12 ora ataondro dia 3 dia sisa ny aloha tazana eo ambanin'ny olona iray mijoro. Any amin'ny Faritra dia ny haloky ny trano no marika andro...

Ao amin’ny “Rainay” koa isika no mivavaka mba hahazo fanomezana tsotra kokoa, ho an’ny fanomezana isan’andro, toy ny “mofo isan’andro” - izay midika koa hoe fahasalamana, trano, asa, zavatra andavanandro; ary izany koa dia midika ho an’ny Eokaristia, ilaina amin’ny fiainana ao amin’i Kristy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

♦ Ao anatin'ny lalao hihaonany amin'i Comores ny Barean'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Vonona ny handresy ny Barea, hoy ny mpanazatra Me Rôrô... ♦ Alatsinainy mainty tamin'ny firehetana ny tao Antananarivo an-drenivohitra sy ny manodidina androany... ♦ Hirotsaka hofidiana no Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ny mpanao gazety Andry Rakoto...

♦ Notontosaina omaly tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky, Diôsezin'i Tsiroanomandidy, ny fanamasinana ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Manentana antsika mianakavy hanohy ny vavaka totoafo amin'ny fangatahana ny hanandratrana ho eo amin'ny laharan'ny olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa, ireo tompon'andraikitra mikarakara izany... ♦ Fivahinianana masina teny Berivotra no namaranana ny Filankevitra Pastôralin'ny Diôsezin'i Mahajanga omaly...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 5-11)

Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny famonjena namana.

Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahan’ny Tompo?
Tsy izao va ny fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-andrariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorìna ho afaka;
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;
sy ny hampiantranoana ireo mahantra tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodi-lalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: Inty aho!
Raha esorinao tsy ho eo imasonao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay;
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,
sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra ny olona miaraka amin’ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina;
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay.
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!
Fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy amin’ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
sy fahamasinana amam-panavotana antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
izay mireharaha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy
toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nodimandry ny sabotsy teo ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakàna, Ministry ny Fitsaràna teo aloha, Alice Rajaonah. Nitondra ny teny fampiononana ary nankahery ny fianakaviany ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Manampy betsaka ireo ray aman-dreny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ny fanapahan-kevitry ny Ministera manome lalana ny sekolim-panakàna handray ireo zaza any an-tsekoly hoy ny DREN Atsinanana... ♦ Notsikerain'ny sendika FISEMARE sy ny randrana sendikaly  nandritra ny hetsika nataon'izy ireo tamin'ny sabotsy teo ny fehezan-dalàna mifehy ny asa nankatoavin'ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana ny 8 septambra teo...

♦ Nanonona ny voady voalohany maha relijiozy salezianina azy omaly alahady ireo Nôvisy 14 mirahalahy. Nitarika ny Sorona Masina tety Ivato Mompera Alfredo Maravilla.... ♦ Hiditra an-tsekoly manomboka anio ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna sy ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. 9 septambra fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2024-2025... ♦ Hihaona amin'ny Kaomôro any Tonizia indray anio ny Barean'i Madagasikara. Andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana ao amin'ny vondrona "A" afahana mandray anjara amin'ny CAN 20245...

Ny vavaky ny kristiana dia amin'ny maha-olombelona tanteraka - mivavaka amin'ny maha-olombelona antsika isika - dia misy fiderana sy fitalahoana. Eny tokoa, rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesoa, dia nanao izany niaraka tamin’ny “Rainay” Izy, mba hametrahantsika ny tenantsika amin’Andriamanitra ao anatin’ny fifandraisana feno fahatokiana amin’ny maha-zanaka antsika, sy hametrahantsika ny fangatahana rehetra aminy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Hery manohana sy mampahomby ny asam-pitoriana ny Vaovao Mahavaly ny vavaka. Efa toetra nananan'ny Fiangonana hatrany am-piandohana y fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Samy nandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay : diakra, i Piera filohan'ny Apôstôly... Isan'ny karazany fahatelo tamin'ny asam-pitoriana ny nanitsiana ny fandikana vilana ny Evanjely... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Mila olom-banona, olom-pirenena, olom-piangonana ny vahoaka sy ny firenena indrindra ireo taranaka. Izany hoe olona mahatanteraka ny adidy, miezaka manampy ny hafa ho fanasoavana ny besinimaro. Raha ny tranganà kolikoly sy ny fanararaotana sy ny fanodikodiana volam-bahoaka no betsaka dia sarotra ny hampandroso firenena noho izany dia adidy ny famolavolana ny taranaka mba ho tombontsoa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...