• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

♦ Ho tsaraina rahampitso amin'ny 9 ora maraina eny amin'ny efitrano fahatelo eny amin'ny Fitsarana Anosy, ny raharaha navoarohirohy ilay mpanao gazety AVIMANA Fernand Cello... ♦ Maro ny fanovàna ny daty fara-fanjifàna atao amin'ireo sakafo miditra eto Madagasikara hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Azo atao tsara ny manova ny fanabeazana eto Madagasikara ho any amin'ny fahatsaràna tokony hisy azy hoy ASMAE, ny Association Soeur Emmanuel... ♦ Hisy valim-panafihana ataon'i Iran ho an'i Etats-Unis, raha ny nambaran'ny filoha Iraniana MASSOUD PEZESHKIAN, omaly...

Andro sisa isaina, dia higadona indray ilay andro malaza, daty mana-tantara eo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy. Tsy inona izany fa ny datin’ny faha 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy… ny marimarina kokoa dia hankalazana ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Ny faha 26 jona 1960 tokoa mantsy no nanambarana ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara tao aorian’ny dinika teo amin’ireo mpitari-tolona politika Malagasy sy ny fitondrana Frantsay tamin’ny fotoan’androny. Nahaleotena i Madagasikara nanomboka ny taona 1960, nefa mijanona ho firenena mifampiankina tanteraka tamin’i Fransa, noho ny fifanarahana fiaraha-miasa na ilay atao hoe “accord de coopération”.

♦ Notontosaina teny amin'ny EKAR Katedraly Andohalo omaly tolak'andro ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, notarihan'ny FFKM ho fitrotroana am-bavaka ny firenena, noho ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena... ♦ Mihemotra ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny vahoakan'Anosiala atao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny sabotsy teo teny amin'ny Kianja Barcelone ny Ben'ny Tanàna voafidy teny amin'ity kaominina ity... ♦ Mihamafy ny ady eo amin'i Israely sy Iran, taorian'ny daroka baomba nataon'i Etazonia...

Ny maha Diakra dia ambaratonga zandriny indrindra amin'ny fandraharahana ao amin'ny Eglizy. Araka ny voasoritra ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly, ireo Apôstôly dia nanokana ny Diakra hanao ny raharaha fanompoana ao amin'ny Eglizy ary mazava tsara ny andraikitr'izy ireto tamin'izany dia ny fanompoana eo amin'ny litorjia, fizarana ny fanampiana ho an'ny mahantra... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay tsy afaka mampiasa ara-boajanahary ny siramamy ao amin'ny rany sy ny vatany. Ny fatran'ny siramamy mihoatra ny 1,26g/l anatin'ny olona iray no mamaritra hoe anatin'ireo "Diabetique" ny olona iray. Ny fitilina ihany no tena azo antoka hamatarana ny diabeta. Ny sarak'aty no mamokatra ny insuline manampy ny vatana hanodina ny siramamy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Hilatsaka ho mpanelanelana eo amin'ny raharaham-pirenena ny vondrona Panorama. Misy vondrona pôlitika hafa sy Firaisamonim-pirenena miara-dia amin'izy ireo amin'izany ka tanjona ny hampifanantonana ireo mpanao pôlitika mitovy fomba fijery... ♦ Ho ambohipihaonan'ireo mpisehatra loharanon-karena anaty ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny hetsika FOARA AMBALASIRA, izay hatao ny 20 hatramin'ny 24 aogositra ho avy izao... ♦ Efa manomboka nivoaka omaly ny voka-panadinana CEPE... ♦ Nilaza ho efa nanafika an'i Iran indray ny tafika Israelianina androany sabotsy...

Ny volana jona dia iray volan'ny "Teny Malagasy", misy ireo hetsika fiarovana izany, isan'ireny ny Edition Ambozontany, nanao ezaka ho fiarovana ny teny sy ny fomba Malagasy nandritdra ny 70 taona. Taloha 18 taona ny tanora dia efa matotra, ankehitriny anefa dia sokajiana mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fialantsakana ny tanora. Azo heverina ho vokatry ny fanabeazana tsy mifandanja izany : ara-batana, saina, fanahy. Mitotongana hatrany ny fari-pahaizan'ny ankizy sy ny tanora malagasy, mila fandraisan'andraikitra avy amin'ny tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ Nanao fanambarana voalohany manoloana ilay raharaha fanapoizinana sakafo teny amin'ny sampanana Imerikasinina-Ambohimalaza ny tonia mpampanoa lalàna ao anivon'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra, taorian'ny fahavitan'ny fakana am-bavany an'ireo olona miisa 8, voarohirohy tamin'ity raharaha ity... ♦ Mbola nisy olona iray vaovao tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Imerikasinina iny ihany indray omaly tonga teny amin'ny hopitaly HJRA, miis 26 araka izany ireo manaraka fitsaboana eny an-toerana... ♦ Hiroso amin'ny fanisana ireo Malagasy mpanao asa tanana ny MInistera, hanohizana ny fizarana karatra maha matihanina...

Mampita ny fampihavanana sy ny fanamaivanana ny kristianina ny : ireo Kristianina manenina amin'ny fahotany ka mahatsapa fa marary azy izany ka manana faniriana hihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny fampihavanana noho ny fahefana tena feno omena azy ireo. Tsy irery velively ny Eveka fa eo mandrakariva ny pretra miombona aminy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Manamasina sy mizaka ny ampahan'ny andian'ondrin'ny Tompo nankinina aminy ny pretra eo ambany fifehezan'ny Eveka. Mikatsaka sy mitsinjo mandrakariva ny hahasoa ny vahoakan'Andriamanitra miaraka amin'ny Eveka ka tsy tokony hiraviravy tanana na hiroro fo sy saina eo amin'ny Diôsezy misy azy amin'izany fikatsahana ny soa ho an'ny andian'ondriny nankinina taminy izany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Miditra amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny fitantanana ao aminy, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Ny teny amin'ny CHU SSPA Analakely sy ny eny amin'ny CHU HJRA no nanombohana izany... • Hiroso amin'ny fanisana ireo mpanao asa tanana Malagasy ny Minisiteran'ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, ahafahana manohy ny fizarana karatra maha matihanina ho an'ireo mpana asa tanana... • Isan'ny lesoka amin'ny fanabeazana eto aminstika ny fandaharam-pianarana, ka mila ahitsy izany, hoy ny mpanabe iray...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...