26 Jona 2025, feno 65 taona amin’ity taona ity no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin’ny maha firenena mahaleotena antsika izay, dia mari-pamantarana an’izany ny fananana ny sainam-pirenena. Manana ny sainam-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa i isika malagasy. Teo amin’ny tantara dia ny Romana sy grika no nampiasa ny saina voalohany nentina namantarana ny Fanjakana sy ny antokon-tafika tao aminy. Fampiasa tamin'ny sehatry ny ady hanavahana ny tafika mifanandrina avy ny saina. Tamin'ny taonjato faha 16 kosa vao nanana ny endriny fahita amin'izao fotoana izao ny saina dia ny lamba mihofahofa.
♦ Nihaona tamin'ireo mpino teratany Malagasy mipetraka any Rome omaly alahady ireo Evekan'i Madagasikara nandritra ny hetsika fivahinianana Masina ataon'izy ireo any an-toerana... ♦ Fepetra isany takian'ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an'ny famatsiam-bolan'ny FEC sy ny FRD 2025 ny volavolan-drija-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakàna vaovao, izay nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana ny faran'ny herinandro teo...♦ Tsy tanteraka ilay hetsika nokasain'ny Gasy MRV, saika natao teny Antanimbarinandriana tamin'ny sabotsy teo, hetsika saika hanehoana hevitra momba ny olan'ny delestazy...
Ny fahefana mitantana iantsorohan'ny Eveka, izay marihina marihina fa izy vatan-tenany manokana ary tsy hikambanany amin'ny hafa dia avy amin'i Kristy. Azy manokana io fahefana io ary ara-dalàna sy faratampony. Ny Sakramenta Filaharana maha Eveka dia fahafenoan'ny maha mpisorona ao amin'ny laharan'ny Eglizy, ny Eveka dia manana ny zo masina sy adidy eo anatrehan'ny Tompo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Naneho ny heviny, Mompera Rakotondranaivo Herisoa José Gaston, taorian'ny fanendrena azy, ho lehiben'ny fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice... ♦ Tokony nakàna hevitra ireo mpisehatra rehetra, vao nisy ny fanolorana tolo-dalàna hanavaozana ny lalàm-pifidianana hoy ny Sampana Safidy... ♦ Efa tapi-dalan-kaleha ny fitondram-panjakàna Malagasy ka tsy antenaina hitondra fampandrosoana an'i Madagasikara intsony, raha ny nambaran'ny solombavambahoaka avy amin'ny vovonana Firaisankina... ♦ Taorian'ny fifanafihan'i Israely sy Iran omaly, dia manahy mafy amin'ny fihitaran'ny ady any amin'ny faritr'i Moyen-Orient ny firenena hafa...
Ny fahantrana dia vokatry ny fitiavan-tena. Antony fahantrana : tsy manangom-bola mihitsy eo amin'ny fiainana, tia mividy zavatra mora, manao trosa lava, tsy mifanampy, miteraka aloha loatra anefa tsy mbola manana ninoninona, miandry foana ny hafa (mangataka lava), tsy mianatra sy tsy tia mamaky boky, tsy manana tanjona mazava, tsy manana fahazaranan-tsaina hamokatra, tsy mino hadingana fiovana, mora kivy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahadin'ny Trinite Masina : Andriamanitra tokana fa olona telo - Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Ny mistery dia tsy takatry ny saina sy tsy hay hazavaina hoy Masindahy Athanase : "raha Andriamanitra takatry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina". Tamin'ny taon-jato fahatelo no nampiasana ny teny hoe "Trinité" voalohany, izay fitambaranà teny roa "Tri" sy "Unité", izany hoe telo anefa iray. Voalaza ao amin'ny Soratra Masina, ny maha tokana anefa olona telo an'Andriamanitra, na ao amin'ny Testamenta Taloha na Testamenta Vaovao...
Alahady manaraka ny Trinite Masina – Taona D : Fankalazàna ny vatana aman-dra masin’i Kristy ; sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mitsaoka ny vantana aman-dran'i Jesoa Kristy, izay faratampony sy ivon'ny fiainan'ny Kristianina ; manambara ihany koa fa tsy Andriamanitra lavitra izy fa Andriamanitra miara-dalàna amin'ny olombelona mino Azy. Ny "procession" dia fanomezam-boninahitra ny Vantana aman-dran'i Kristy...
Ny tazomoka dia fanaviana azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy (Anophele), io tazo io dia aretina mifindra sy mety hafaty, azo taboina. Ny tena fototry ny aretina dia kantsetsika afindran'ireo moka vavy, izay mivelona ao anatin'ny ran'izay olona voakaikitr'ireo moka ireo. Raha tsy voatsabo ara-potoana ny tazomoka dia mety hafaty ny olona marariny, tsy mifidra amin'ny olona samy olona ny tazomoka... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Notendren'ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, Mompera Fabio ATTARD, ho Lehiben'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Nihintsana teo amin'ny ankatoky ny famaranana (démi-final" ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ilay COSAFA CUP 2025. Lavon'i Angola tamin'ny isa 4 no ho 1 ny Barea omaly... ♦ Notanterahana omaly teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny tambazotry ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana andiany faha-13...
Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny anjara raharahan'ny Eveka iray anisan'ny lehibe ary fahatelo dia ny fitantanana ka ny Diôsezy ankinina aminy no iandraiketany amin'izany fitondrana izany. Mizaka ny Fiangonana eo amin'ny toerana nankinina taminy ny Eveka satria solontena sy masoivohon'i Kristy. Takiana amin'ireo Eveka sy ny Pretra miara-miasa aminy ny fanoloran-tena feno tahaka ny fanoloran-tenan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Notendren'ny Lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, Mompera Fabio Attard, ho Lehiben'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... • Noraisina androany teny amin'ny Café de la Gare Soarano, izy 13 mianadahy mpilatsaka an-tsitrapo, teratany Malagasy mila ravinahitra any ivelany, izay handray anjara amin'ny fandaharan'asa Loharano andiany faharoa... • Notanterahana androany teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha, ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny tambajotran'ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, andiany faha-13...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco