Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 53, 10-11)
Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana,
dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka,
ary ny tenany hivesatra ny helok’ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 32. 4-5. 18-19. 20 sy 22
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo ahìny,
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny taona mosarena.
Izahay manantena ny Tompo
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho eo aminay matoky anao!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16)
Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilantsika izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”.
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy hoe:
“Zakanay”.
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”.
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 42-45)
Tamin'izany andro izany,
i Jesoa niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nilaza hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mis tsindry atao amin'ireo solontenam-panjakàna amin'izao fifidianana izao. Manahy izy ireo fa hafindra toerana, raha tsy lany ny kandidàn'ny fitondràna, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Niravona ny disadisa anatiny teo anivon'ny Vovonana Firaisan-kina. Niezaka nifandamina izy ireo, nandritra ny fivorian'ireo mpitarika teny Faravohitra, omaly... ♦ Manao antso amin'ny fitondràna mba tsy hanaraka ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, hampiakarana ny vidin-jiro sy ny vidin-tsolika ny SSM. Nanao fanambaràna momba izany izy ireo... ♦ Mbola mitohy foana ny fifanandrinana eo amin'ny Israelina sy ny Hezbollah libanais...
♦ Manahy ny amin'ny mety hamindrana toerana azy ireo, noho ny tsy fahalanian'ny kandidàn'ny mpanoha fitondrana, ny ankamaroan'ny solotenam-panjakana, hoy ny KMF CNOE androany... ♦ Niezaka nadamin-dresaka teny Faravohitra androany, ny Vovonana Firaisankina, tao aorian'ny tsy fitovian-kevitra nivoaka imasom-bahoaka, manoloana ny fanohanana ny kandidà Rakotovao Rivo... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana mba tsy hanaraka ireo fepetra apetraky ny mpamatsy vola vahiny ny SSM, satria hitarika olana goavana eto amin'ny firenena izany...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
♦ Nahitsy fanintelony ny hetran-trano ao Antananarivo-renivohitra tao anatin'ny 5 taona. Fanitsiana izay tombànana ho misy pi-maso ara-politika amin'ny mpifidy, amin'izao fifidianana ben'ny tanàna izao... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza indray ireo Solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io. Mety ho voaresaka anatin'ny fivorian'izy ireo ny fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny fepetra napetraky ny FMI... ♦ Midina ny vidin'ny lafarina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tokony ho efa 3.000Ariary eo ny kilaon'ny lafarinina vokarina eto an-toerana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH... ♦ Olona maherin'ny 370 no namoy ny ainy tao anatin'ny herintaona nisian'ny fifanafihana eo amin'i Israel sy ny Hamas...
♦ Manana kandidà ben'ny tanàna 139 amin'ny Distrika 25 ny antoko Fivoy amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ireo kandidà ireo... ♦ Efa tsy misy ahiana intsony ireo mpianatra 15 isa, izay narary tampoka tany an-tsekoly teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy ny herinandro teo... ♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Marary ny mpanabe, izay mamolavola ny olona rehetra hisian'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny fikambanana AJEEM... ♦ Feno herintaona anio 7 ôktobra ny fiverenan'ny ady mahery vaika ataon'i Israel any Proche Orient...
Alahady faha-27 mandavantaona - B : fianakaviana iray ny olombelona ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. ...
♦ Notanterahana androany teny Ambodivona, ny atrikasa fanao isan-taona, hametrahana ny drafitra ho an'ny Firohotana fiarovana ny zo sy ny loharanon-karena, na ny RRI, eto Madagasikara... ♦ Natomboka androany tety Ivato, ny atrikasa fandrafetana ny pôlitika ho an'ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo madio amin'ny fahandroana sakafo... ♦ Nifampizara traikefa tamin'ny solontenan'ny sendikà CFDT avy any Frantsa sy ny sendikà avy any Cap-Vert, ny Randrana Sendikaly, hijerena ny paikady hisian'ny asa mendrika eto Madagasikara...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
♦ Nandiso ny feo mandeha amin'ny fisian'ny mpanam-bola manohana ny vovonana Mouvement Gasikara, ny Solombavam-bahoaka Gascar Fenosoa... ♦ Mitohy ny ezaka ataon'ny JICA sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, amin'ny alalan'ny tetikasa tantsoroka ho an'ny fitantanana sekoly, na ny TAFITA... ♦ Hotanterahana ny 5 hatramin'ny 7 nôvambra 2024, eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina, ny fiadiana ny Tompondakam-pirenena eo amin'ny taranja ady totohondry...
♦ 102 amin'ireo antontan-taratasy maherin'ny 270 naroson'ny Mouvement Masikara, ho kandidà Ben'ny Tanàna, no neken'ny OVEC... ♦ Tombanana ho roa hatramin'ny dimy, ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana eto Madagasikara, raha ny vinavinan'ny Météo malagasy... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly. Kendrena hatolotra ny 9 desambra izao izany...
♦ Kasain'ny CENI hampidirina anaty lisi-pifidianana, ireo mpifidy tsy voasoratra anarana teo aloha. Nanatona sy nangata-panazavana teny Alarobia androany ny antoko TIM... ♦ Namoaka ny vinavina ho an'ny taom-pahavaratra ho avy io ny Foibe famantarana ny toetry ny andro androany. Rivodoza roa na dimy eo no handalo, ka hisy fiantraikany mivantana amin'i Madagasikara... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao, hiadiana amin'ny kolikoly. Hiditra amin'ny dingana fahatelo izany, ka hisy ny fakan-kevitra isan-dohahevitra eto Antananarivo herinandro izao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco