♦ Kandidà iray tamin'ireo 17 namoahan'ny HCC didy hatramin'ny omaly no nahazo fankatoavana firotsahan-ko fidiana. Manomboka mamoaka didy momba ireo fitoriana voarainy ny HCC... ♦ Misy fitantanam-bola tsy mazava eo anivon'ny SMGD hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo. Miantso fivoriana tsy ara-potoana ihaonan'ny PDS sy ireo mpanolontsain'ny tanàna izy ireo... ♦ Ôfisialy fa tsy afaka handray ny lalaon'ny Barea amin'ny volana jona ny kianja Mahamasina. Tsy maintsy ivelan'i Madagasikara no hanaovana ny lalao fifanintsanana Mondial 2026... ♦ Nivory tany Paris omaly ny fianakaviambe iraisam-pirenena, nikatsahana vahaolana entina hanampiana an'i Soudan...

Tian'Andriamanitra ny hanome namana ny olombelona, hiara-hiaina amin'ny araka izany. Tsy maintsy mifankatia mba ho afaka hiara-hiaina toa ny Trinite Masina, izany hoe miaina ny fitiavan'Andriamanitra. Efa nomen'Andriamanitra antsika ny fitiavana, tokony ho fantarany kosa ny fotoana hamohazana azy, sy ny hanorenana tokan-trano. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

♦ Manomboka mamoaka didy momba ireo fitoriana voarainy, momba ny firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka, ny HCC... ♦ Miantso fivoriana tsy ara-potoana eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, ny sendikàn'ny mpiasa. Nambaran'izy ireo androany fa misy fitantanam-bola tsy mazava eo anivon'ny SMGD... ♦ Olona enina no efa namoy ny ainy tato anatin'ny iray volana, vokatry ny fakana an-keriny any amin'ny Distrikan'Anjozorobe. Mbola misy ny takalon'aina tsy mbola votsotra hatramin'izao, hoy ny zanak'ity Distrika ity...

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

♦ Nanolotra ny mpiray lisitra aminy amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny Distrika Antananarivo-Atsimondrano ny faran'ny herinandro teo ny solombavambahoaka amperin'asa Alain Ratsimbazafy. Izy izay mirotsaka amin'ny anaran'ny mahaleo tena... ♦ Tsy afaka handray ny lalao baolina kitra andro fahatelo sy fahaefatra amin'ny fifanitsanana Mondial 2026 amin'ny volana Jona izao ny kianjan'i Barea Mahamasina, raha toa ka tsy vita mialohan'ny volana jona ireo fepetra notakian'ny konfederasiôna Afrikan'ny Baolina Kitra na ny CAF... ♦ Mitombo ny isan'ny sampam-piofanana ao amin'ny Oniversiten'i Moramanga telo taona aty aorian'ny fiaraha-miasa teo amin'ny orinasa Fanalamanga sy ny Oniversiten'i Toamasina...

♦ Nohamasinina sy napetraka ho Evekan'i Diôsezin'i Morombe, omaly, araka ny fomban'ny Eglizy, Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Nitso-drano ireo zanany hirotsaka ho kandidà solombavambahoaka amin'ny 29 mey ho avy izao, ny fiangonana katôlika any Ambositra... ♦ Hiainga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanovana hoy ny kôlektifa an'ny Malagasy... ♦ Miantso ny ampitsaharana ny fampiasan-kery any amin'ny Faritr'i Proche-Orient ny Papa François taorian'ny fanafihan'Iran ny Israel, ny sabotsy alina teo ; nanameloka ny fanafihana ny firenena tandrefana, mampitony ny andaniny sy ny ankilany ny tany Arabo...

Tsy zavatra ratsy akory izany hoe latsa-pitiavana na raiki-pitia amin'ny olona izany. Anisan'ny singa maha-olona ny olona ny fananana fitiavana. Voalaza ao amin'ny Jenezy 2, 8 : tsy tsara raha irery ny olona, ka handeha hanaovako mpanampy mitovy aminy. Ny olona amin'ny maha manan-tsaina azy dia tompon'andraikitra feno amin'ny fahaizanaé mifehy ny fihetsem-pony. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Ny vokatry ny fiafiana sy fifadian-kanina dia mitondra fiderana an'Andriamanitra sy mitondra vokatra tsara ho fanampiana sy fiarovana ny aina. Ireo finoana telo miankina amin'i Abrahama dia ireo finoana arahin'ny Jody na ny Israelita, ireo tarak'i Jakôba fa ny taranaka Jodà izay firenena tavelana tany atsimo sy ny Benjaminita natsoina hoe Juifs, ireo tarak'i Abrahama nino sy natoky an'Andriamanitra izay niantso sy nitondra an'i Abrahama avy any Ora, ho an'ny amin'ny tany nampanantenana ; Taranak'i Abrahama ara-panahy ny kristiana ; Ny finoana semita rehetra dia avy amin'i Abrahama daholo ary nolovaina avy amin'ity ray iombonana ity ny finoana araka ny fampianaran'ny Coran sy Mahomet...

♦ Novonoin'ireo mpaka an-keriny omaly hariva ireo takalon'aina roa vavy tany amin'ny kaominina Androvakely distrikan'Anjazorobe... ♦ Infirmiers sandoka miisa 45 no traha-tehaky ny holafitry ny infirmiers tao anatin'ny 4 volana niasany... ♦ Manahy ny hisian'ny didy jadona eto amin'ny firenena ny antoko PRM... ♦ Naneho ny alahelony noho ny fisian'ny ady eo amin'i Israely sy ny Hamas ny Papa François, tamin'ny hafatra nataony omaly zoma tamin'ny famaranana ny Ramadany... ♦ Nanomboka androany sabotsy ny dinika eo amin'ny samy Maliana izay nampanantenain'ny fitondrana tetezamita any an-toerana. Nilaza ny antoko pôlitika sy ny fiaraha-monim-pirenena Maliana fa tsy handray anjara amin'ity dinika ity...

Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...

♦Tsy voahilika ireo solombavambahoaka IRD teo aloha izay tsy natao kandidà intsony, fa tsy maintsy nisy ny fandaminana mba hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakàna hoy ny vovonana IFI... ♦ Lasa fandangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampihato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo ny Pretra sy ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

Zava-dehibe ny fifantohana sy ny fihainoana. Voalaza ao amin'ny Lioka 6, 40 : "ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tsara ofana ihany no toa ny mpampianatra azy". Anisan'ny fampianarana manan-danja atoron'ny Baiboly ho an'ireo mpianatra, hanampy azy hiatrika ny ho aviny dia ny fahaizana manara-dalàna. Mila mametraka lalàna ho an'ny tenany ny tsirairay. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...