Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12. 15b. 17-19. 20b-21)

Raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olon-drehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray no ahaveloman’ny rehetra.

Ry kristianina havana,
tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray,
no nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra.
Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray,
dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana
ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza
nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray,
dia i Jesoa Kristy,
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra
noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana
ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota
noho ny tsy nanekan’ny olona iray
no nahatongavan’ny maro ho marina kosa
noho ny naneken’ny olona iray.
Nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra
no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty
no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana
hahavelona mandrakizay kosa,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitra no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Ny manao ny sitrakao,
ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
Lehibe ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo,
ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony
avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay
raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina
raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony
ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy,
na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Sokafana androany talata 17 ôktôbra 2023 ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Nohorakorahan'ireo solombavambahoaka sasany ny filoha vaovaon'ny Antenimieran-doholona...♦ Maro ireto tsy fanarahan-dalàna tsikaritry ny KMF/Cnoe tao anatin'izay herinandro nanombohan'ny fampielezan-kevitra izay. Misy sahady hoy izy ireo ny fampiasàna fitaovam-panjakàna... ♦ Mifanotona amina toerana iray indray ny fiaingàn'ny hetsika ataon'ireo kandidà 11 sy ireo mpomba ny kandidà Andry Rajoelina manao fampielezan-kevitra ao an-drenivohitra ao... ♦ Voasambotra ny lehilahy iray voalaza ho tompon'antoka tamin'ilay herisetra nahafaty olona roa tao Bruxelles, omaly...

Ireo teboka fototra 10, takiana amin'ny mpampianatra mpanabe mba hampaomby ny fampitana fahalalana sy fanabeazana maha-olona ny mpianatra dia tokony hanana. Tamin'ny 5 ôktôbra lasa teo no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny mpampianatra. Ny fanabeazana ankehitriny dia ahatsapan'ny olona fa tsy ampy ny fanabeazana ny maha-olona. Toetra fototra 10 : mendrika, tony sy tsy mora tezitra, tsy miangatra sy tsy manavakavaka, manana faharetana, mahay mihaino, azo hifanakalozan-kevitra, tia karokaroka, manaiky ny fahasamihafana, mahay maka ny toeran'ilay olona, miran-dava...

23 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 20-25)

Ary tsy ho azy ihany no nanoratana, fa notanana ho fahamarinana izany, fa ho antsika koa.

Ry kristianina havana,
tsy nasian’i Abrahama fisalasalana na ahiahy kely akory
ny teny napetrak’Andriamanitra taminy,
fa nampaherezin’ny finoana izy,
ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fitokiana mafy Azy
ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;
koa notanana ho fahamarinany izany.
Ary tsy ho azy ihany no nanoratana
fa notanana ho fahamarinana izany;
fa ho antsika izay hitanana izany koa,
dia isika izay mino an’Ilay nanangana ho velona
an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay natolotra noho ny fahadisoantsika,
ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Lk. 1, 69-70a. 70b-71. 72-74a. 74b-75

Isaorana ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy,
avy amin’ny fianakaviana iray;
dia ny an’i Davida mpanompo tiany.
Fa izany tokoa no efa nolazainy.

Fa teniny nentin’ny mpaminany,
dia ireo olo-masiny fahagola.
Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.

Noho Izy nandala ny Razantsika,
dia indro tsaroany ny fanekeny.
Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.

Amin’izay isika afa-manompo Azy,
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy;
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)

Ho an’iza àry izay novorìnao?

Tamin’izany andro izany,
nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Ry Mpampianatra,
mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Ralehilahy ô,
iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?”

Ary hoy Izy tamin’ny olona:

“Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo,
fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.”

Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe:

“Nanan-tany nahavokatra be itý lehilahy mpanan-karena anankiray,
ka velona eritreritra toy izao:

‘Inona re no hataoko,
fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho itý?
Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy:
horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho,
dia hangoniko ao daholo
rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe:
Ry fanahiko,
manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao
ka mialà sasatra,
mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.’

Fa hoy kosa Andriamanitra taminy:

‘Ry adala,
anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao,
ka ho an’iza àry izay novorinao?’

Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany,
fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

22 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 45, 1. 4-6)

Notantanako tamin’ny tanany havanana i Sirosy mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany.

Izao no lazain’ny Tompo amin’i Sirosy
ilay voahosony izay notantanany tamin’ny tanany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:

“I Jakôba mpanompoko sy i Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin’ny anaranao;
sy nanendreko anao,
fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikina anao Aho,
fony ianao tsy mbola nahalala Ahy,
mba hahafantaran’ny olona,
hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany,
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 95, 1 sy 3. 4-5. 7-8. 9-10ad

Omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery.

Ihirao hira vao ny Tompo,
ihirao ny Tompo, ry tany tontolo.
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.

Fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra,
Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy.
Ny andriamanitr’ireo firenena: tsinontsinona,
ny Tompo kosa nanao ny lanitra.

Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena,
omeo Azy ny voninahitra sy ny hery;
eny, omeo ny Tompo
ny voninahitry ny Anarany.

Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina.
Mangovita eo anoloany, ry Tany tontolo,
ilazao ny firenena: “Manjaka ny Tompo!
ny vahoaka, tsarainy araka ny hitsiny!”

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 1-5b)

Tsaroana ny asan’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fanantenanareo.

Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timôte,
mamangy ny Eglizy any Tesalônika,
izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana.
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva
noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika
ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa fantatray, ry kristianina havana, malalan’Andriamanitra,
fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo
dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa,
sy tamin’ny Fanahy Masina,
ary tamin’ny fampiaikena tanteraka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)

Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niray tetika ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny.
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina
ho any aminy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao,
ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina,
ka tsy mampaninona Anao ny olona;
satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.
Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity:
mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?”

Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe:

“Ry mpihatsaravelatsihy,
nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra”.

Dia nanasehoany denie iray Izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Sarin’iza, sy anaran’iza ity?”

Hoy ireo hoe:

“An’i Sezara”.

Ka hoy Izy:

“Raha izany àry,
dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦Hivory ara-potoana indray manomboka anio ireo Antenimiera mpanao lalàna eto amintsika. Andrasana ny mety ho ady hevitra eny Tsimbazaza, manoloana ny toe-draharaha pôlitika eto amin'ny firenena ankehitriny... ♦ Tsy azo eritreretina intsony ny hamerenana ny fahefàna hitantana vonjimaika ny firenena any amin'ny filoha vaovaon'ny Antenimieran-doholona hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly. Didy tsy azo ivalozana hoy izy, no  avoakan'ny HHC... ♦ Miantso ho an'ny Fanajàna ny Lalam-panorenena sy ny fahafahana maneho hevitra ireo Masoivoho vahiny sasany eto amintsika. Mamporisika ny hisian'ny fifampidinihina hisian'ny fifidianana madio izy ireo, tanatin'ny fanambarana omaly...

♦ Tsy azo eritreretina intsony ny hanalana ny fahefana any amin'ny Governemanta ifarimbonana, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany. Didy tsy azo ivalozana mantsy no navoakan'ny HCC... ♦ Tokony hamafisina ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra ary ny fifampidinihina, hoy ny fanambaran'ny solontenan'ny masoivoho vahiny vitsivitsy eto Madagasikara, miaraka amin'ny Vondrona Eorôpeana sy ny avy amin'ny OIF... ♦ Tsy mahita vahaolana afa-tsy ny fanatanterahana hetsika kosa sisa, ireo mpianatra eny amin'ny Oniversite, mba hitakiana ny fiverenan'ny fampianarana...

♦ Sarotra ny miaina ny fanetren-tena, fa efantsika izany rehefa miaraka amin’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny fanokafana ny Jobily faha-800 taonan’ny fiainan’ny Fransiskanina… ♦ Tsy manery, fa manaja tanteraka ny fahafahan’ny olombelona Andriamanitra, hoy ny votoatin’ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus, omaly… ♦ Nanavao ny antso mba hisian’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olona ao Gaza, ny Papa François…

Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Mbola mitàna ny heviny ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fifampidinihana momba ny raharaham-pirenena fa tsy ny tontolom-pifidianana fotsiny ny antoko Otrik'afo, manoloana ny toe-java-misy any ankehitriny... ♦ Marihana androany 16 ôktôbra, ny andro eran-tany ho an'ny sakafo. Any Antsirabe Faritra Vakinakaratra no anamarihana izany amin'ny fomba ôfisialy ho antsika eto Madagasikara... ♦ Hanomboka rahampitsy ny andiany faha-efatra amin'ny Vaksiny faobe iadiana amin'ny lefa-kozatra. Manentana ny ray aman-dreny hanao vaksiny ny zanany ny tompon'andraikitry ny fahasalamana any amin'ny Faritra Anosy...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...