Nambaran'ny Papa mafy fa ny tena maha seriny an'ireo olona mihazona ny loharanon-karena sy ny fahefana dia ny hanarontsarona ny olana mba tsy hahitana azy amin'ny fiezahana mampihena ny fiantraikan'ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro. Hoy ny Papa : raha mbola izao fomba famokarana sy fanjifana izao no ikirizantsika dia hitombo hatrany ireo voka-dratsy. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Tsy maintsy ilaina ny rano, na ho an'ny fiainan'ny zanak'olombelona na ho enti-manohana ny rohim-piainana voajanahary an-tanety sy anaty rano. Zava-misy : tsy niova ny habetsahan'ny tahirin-drano voajanahary ; ny mitombo ary tafahiatra anefa ny filana rano amin'ny sehatra maro samihafa ; tsy voatsinjara ara-drariny ny tahirin-drano. Ny fahalotoan'ny rano tokony ho azo ampiasaina dia miteraka aretina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-39)

Tsy misy zava-boaary hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona,
sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va, sa fahaterena,
sa fanenjehana, sa fahanoanana,
sa fitanjahana, sa loza,
sa sabatra?
Araka ny voasoratra hoe:
Ianao no amonoana anay isan’andro:
mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho
fa na fahafatesana, na fiainana,
na Anjely na ireo fifehezana,
na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,
na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31

Vonjeo araka ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao!
Manafaha araka ny hasoan’ny hatsaram-ponao:
fa mahantra sy mijaly aho,
ory fo ato anatiko.

Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Vonjeo araka ny hatsaram-ponao!
Aoka ho fantany fa ny tananao izao;
fa Ianao, ry Tompo, no nanao an’izao.

Fa izaho hisaotra ny Tompo eran’ny fo, eran’ny vava;
sy hidera Azy eo afovoan’olo-maro:
noho Izy mijoro ankavanan’ny mahantra,
mba hamonjy azy amin’izay manameloka!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)

Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina any ivelan’i Jerosalema.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:

“Mandehana miala eo Ianao,
fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”

Dia hoy Izy tamin’ireo:

“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako
anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany,
fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo
ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tokony samy hanao ho laharam-pahamehana ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy ny mpanao pôlitika, manoloana ny toe-javamisy ankehitriny, hoy Ramatoa Lily Razafimbelo... ♦ Nanomboka omaly teny Mahamasina ny hay ranty "Voatra" andiany faha-10. Nivoitra nandritra ny lanonam-panokafana fa tsy azo tsinontsinoavina ny anjara toeran'ny asa tanana amin'ny toe-karena malagasy... ♦ Fotoana mampirongatra ny afo, ny vanim-potoana ankehitriny, hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro. Maro ireo trano may, isan'izany ny tany Morondava, nahafatesana olona iray...

♦ Nolavin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana fanindroany, ny fitoriana faharoa nataon'ny kandidà ho Filoham-pirenena Andry Raobelina sy ny antoko ARB, managataka ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ny 16 nôvambra 2023... ♦ Hitohy anio ny hetsika ataon'ny vondron'ireo kandidà, eny Anosy izy ireo no mifanome fotoana anio. Ho an'ny kandidà laharana faha-3, mitohy ny fampielezan-kevitra, mifanome fotoana amin'ny vahoakan'i Itaosy sy Tanjombato ny kandidà Andry Rajoelina...

Tsapa, hita-poko, hita-pirenena fa maloto ny tontolo iainana ka miatraika amin'ny fiainan'ny rehetra. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana dia miteraka voka-dratsy samihafa amin'ny fahasalamana, indrindra fa ho an'ireo mahantra, noho ny fifohana setroka matevina avy amin'ny zavatra atainany ahandroan-tsakafo na amindroana, manafaingana ny fahafatesan'ny olona... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Marisika amin'ny fanatanterahana ny fifidianana ny vahoaka Malagasy, efa ny 778% amin'ny mpifidy izao no nahazo ny kara-pifidianana, amin'ny ankapobeny, manerana ny nosy hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Ramatoa Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia, indray no voatendry ho governoran'ny Faritra Analamanga, tanatin'ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Tsy ara-dalàna ny fitokonana kasaina atao rahampitso alakamisy 26 ôktôbra, ka tsy manan-kery izany, ary miasa feno toy ny mahazatra ny sampandraharaha rehetra eo anivon'ny fadin-tseranana manerana an'i Madagasikara, araka ny fanambarana navoakan'ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany...

♦ Notanterahina omaly tao amin'ny katedraly Andohalo ny fanononana ny fanendrena ireo pretra eto Antananarivo sy fankasitrahana an'i Mopera Ludovic Rabenatoandro, Vikera Jeneraly teo aloha... ♦ Aoka mba ny vaovao marina no avoaka sy zaraina amin'ny vahoaka, fa tsy asavorovoro ny sain'ny Malagasy hoy ny filohan'ny CENI ; tsy anjaran'ny CENI akory hoy izy ny mamorona fokontany vaovao... ♦ Nolavin'ny Fitsarana Miady amin'ny Fanjakana na ny Tribunal Administratif ny fangatahan'ny vondron'ny kandidà hampiatona ny fanapahan-kevitra navoakan'ny Préfet an'Antananarivo, izay nandrara ny hetsika tsy fampielezan-kevitra atao eny an-dalambe...

♦ Notambazana vola hiroso amin'ny fampielezan-kevitra ny kandidà Ratsiraka Roland, saingy tsy nanaiky izany... ♦ Nanohy ny fampielezan-keviny tao amin'ny Faritra Itasy androany,  ny kandidà laharana faha-3... ♦ Manao ady sisika hisian'ny fifampiresahan'ny ankolafin-kery pôlitika mifanandrina amin'izao, ny firaisamonim-pirenena miara-dia amin'ny hetsika Rohy. Nanao hetsika fanairana izy ireo, nanomboka androany...

An'Andrimanitra ny aina koa tsy misy afaka manesotra izany. Ny fankahalana dia endrika famonoana. Irin'Andriamanitra ny hananan'ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo fiadanam-po. Noho izany indrindra no hiampangan'i Jesoa ny faharatsian'ny fahatezerana mahaty sy ny fankahalana izay samy tsy mitondra makany amin'ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Hanao hetsika fanairana iarahana ny Fiaraha-monim-pirenena manerana ny nosy, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hetsika hanosehan'izy ireo ny tompon'andraikitra politika hifampiresaka, hitady vahaolana haingana hisian'ny fifidianana tsy mitanila sy eken'ny rehetra... ♦ Lalana manosika ny fianakaviam-be iraisam-pirenena hankatoa ny fifidianana amin'ny endriny amin'izao ny fialàn'ny kandidà iray amin'ireo 11 nandrafitra ny "Collectif des candidats" hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Somary hihena nho ny tamin'ny taon-dasa ny rotsak'orana manerana an'i Madagasikara mandritra ny fotoam-pahavaratra 2023-2024 ity. Hiakatra kokoa ny maripàna ary hafàna noho ny tokony ho izy aza, ho an'ny faritra maro amin'ny tapany atsimo...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)

Fantatsika fa ny zava-drehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.

Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy azo lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Fantatsika koa
fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny
hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 12, 4-5. 6

Matoky ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana;
ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý!
na hifalian-drafilahy fa mihontsina!

Matoky ny hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa nataonao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro
ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”

Ka hoy Izy tamin’ny olona:

“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo
fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano
no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:

‘Tompoko, vohay izahay’,

dia hovaliany hoe:

‘Tsy fantatro izay niavianareo.’

Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:

‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’

Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana,
ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany,
ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...