Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)
Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka,
sy ny voninahitra sy ny fanekena,
sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarka,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa!
Derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto;
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didiny aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleioia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)
Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa,
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany.
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe:
“Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy
ka nositraniny ary nalefany handeha,
izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo,
iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana
na dia sabata aza ny andro?”
Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Andro natokan'ny Papa François hanentanana ireo mpino rehetra maneran-tany hivavaka ho an'ny fandiam-pahalemana, ny anio zoma. Manamafy izay antso izay ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Miandry ny valintenin'ny Préfet an'Antananarivo amin'ny fangatahana ny Coliseum Antsonjombe, ny vondron'ireo kandidà; izy ireo izay mbola hanohy ny diabe am-pilaminana eny Ambohitrarahaba anio... ♦ Diso hevitra ireo izay mitaky ny hanovana ny Governemanta ankehitriny, izay tsy mpikarakara ny fifidianana, hoy ny Minisitra Pierre Houlder...
♦ Mbola nanohy ny diabe am-pilaminana fanaony androany, ny vondron'ireo kandidà 10. Tahotra ny hifaninana sy tsy vonona hiatrika ny fifidianana izy ireo, hoy ny kandidà Andry Rajoelina, namaly izany... ♦ Nitokona ary namelatra sora-baventy androany, ny mpiasan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Miantso ny Filohan'ity Andrim-panjakana mpanao lalàna ity, izy ireo, mba handray andraikitra, hitarika ny dinika an-databatra boribory... ♦ Nakatona ny vavahadin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, raha saika hitarika fitokonana ny sendikàn'ny mpiasa...
Ny tombana natao, tato anatin'ny folo taona farany, dia mpiseho fa ny 40%-n'ny tranga vaovao fahazoana ny tsimokaretina VIH/SIDA dia mahakasika ny tanora 15 hatramin'ny 25 taona eto afrika. Mbola tsy foana ny VIH/SIDA, ka mila hamafisina ny fanentanana satria fanantenana lehibe ho an'ny ho avy ny tanora, dia ilaina ny miady hevitra amin'ny antsipiriany ny VIH/SIDA mba hitandreman'izy ireo sy hiarovana azy ireo.
Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
Zary lasa mivadika ho toby be fanariam-pako hatrany hatrany ilay tanintsika, tranobe iombonana, hoy ny Papa. An-jatony tapitrisa taonina ny fako ariana isan-taona, ny ankamaroan'izy ireny anefa tsy mety levona : fako avy amin'ny isan-tokantrano, avy amin'ny asam-barotra, avy amin'ny fandravana trano, avy amin'ny hopitaly, fako elektronika, fako avy amin'ny indostria, fako misy poizina mahery vaika... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Lasa toe-tsaina raikitra ao amin'ny olombelona ny kolontsaina finaritra mampiavosa fako. Miantraika amin'ireo olona voailika ho eny anjorombala na amin'ny zava-boahary izany, hoy ny Papa ary ireo indray aza no zary fakofako. Sarotra amintsika ny miaiky hoy ny Papa fa tsara alain-tahaka ny firindran'ny tontolo voajanahary iray rafitra (ecosystème): fisian'ny tsingerina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Soa iombonana ny toetrandro, an'ny besinimaro izy ary ho an'ny rehetra. Raha atao indray mijery dia rafitra maro lafy (système complexe) mifamahofaho izy, mifandray amin'ny teo-javatra maro manan-danja lehibe ho an'ny fahaveloman'ny olombelona. Misy fiovan-kevitra mafy orina iraisan'ireo manam-pahaizana amin'ny filazana fa miatrika fiakaran'ny hafanana isika amin'ny rafitry ny teotrandro. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Manoloana ny fiakaran'ny hafanan'ny tany dia tsy maintsy miroso manova fomba fiaina ny olombelona. Manova fomba famokarana sy fanjifana mba hiadiana amin'io fiakaran'ny hafanana io , na farafaharatsiny hisorohana an'izay antony avy amin'ny ataon'ny olombelona ka mahatonga azy io na manampy trotraka azy. Ny tena mampiakatra ny hafanana dia ny fivangongon'ny entona mangeja hafanana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Nambaran'ny Papa mafy fa ny tena maha seriny an'ireo olona mihazona ny loharanon-karena sy ny fahefana dia ny hanarontsarona ny olana mba tsy hahitana azy amin'ny fiezahana mampihena ny fiantraikan'ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro. Hoy ny Papa : raha mbola izao fomba famokarana sy fanjifana izao no ikirizantsika dia hitombo hatrany ireo voka-dratsy. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Tsy maintsy ilaina ny rano, na ho an'ny fiainan'ny zanak'olombelona na ho enti-manohana ny rohim-piainana voajanahary an-tanety sy anaty rano. Zava-misy : tsy niova ny habetsahan'ny tahirin-drano voajanahary ; ny mitombo ary tafahiatra anefa ny filana rano amin'ny sehatra maro samihafa ; tsy voatsinjara ara-drariny ny tahirin-drano. Ny fahalotoan'ny rano tokony ho azo ampiasaina dia miteraka aretina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 31b-39)
Ry kristianina havana,
raha Andriamanitra no momba antsika,
iza no hahatohitra antsika?
Izy tsy nandala ny tena Zanany,
fa nahafoy Azy ho antsika rehetra,
ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Iza no hiampanga an’izay voafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka?
Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona,
sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va, sa fahaterena,
sa fanenjehana, sa fahanoanana,
sa fitanjahana, sa loza,
sa sabatra?
Araka ny voasoratra hoe:
Ianao no amonoana anay isan’andro:
mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho
fa na fahafatesana, na fiainana,
na Anjely na ireo fifehezana,
na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,
na ireo fahefana,
na ny any ambony, na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 108, 21-22. 26-2 7. 30-31
Fa Ianao, ry Tompo, manasoava noho ny Anaranao!
Manafaha araka ny hasoan’ny hatsaram-ponao:
fa mahantra sy mijaly aho,
ory fo ato anatiko.
Ampio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Vonjeo araka ny hatsaram-ponao!
Aoka ho fantany fa ny tananao izao;
fa Ianao, ry Tompo, no nanao an’izao.
Fa izaho hisaotra ny Tompo eran’ny fo, eran’ny vava;
sy hidera Azy eo afovoan’olo-maro:
noho Izy mijoro ankavanan’ny mahantra,
mba hamonjy azy amin’izay manameloka!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:
“Mandehana miala eo Ianao,
fa tadiavin’i Herôda hovonoina.”
Dia hoy Izy tamin’ireo:
“Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe:
Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso,
fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko.
Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako
anio sy rahampitso ary rahafakampitso;
satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema,
izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao,
impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao
tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany,
fa tsy nety ianareo!
Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo
ambara-pilazanareo hoe:
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco