Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka."

♦ Hanana karatra famantarana manokana ireo mpisehatra ao amin'ny Vaomieran'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara, mandritra ny JMJ Mada X... ♦ Ho marihana ny 28 aogositra 2022 ny andron'ny Diôsezy eto Antananarivo... ♦ Mitombo ny fahantrana ao Dublin, Irlande, hoy i Fr. Kevin Crowley...

♦ Nandefa taratasy fankasitrahana ho an'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny 15 aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana ny faha-5 taonan'ny Diôsezin'i Maintirano... ♦ Nankahery ireo misiônera avy ao amin'ny Fiangonana ao Río Cuarto, Argenetine, ho any amin'ny Diôsezin'i Orán, ny Papa François...

♦ Miisa roa amby telopolo ireo diakra nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe tamin'ny sabotsy 6 aogositra 2022, fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy... ♦ Tao amin'ny Diôsezin'Ambositra dia dimy ireo nohamasinina ho pretra ary fito ireo nohamasinina ho diakra... ♦ Telo mirahavavy ireo masera, avy ao amin'ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice, nanonona ny voady mandrakizay tany Betafo, Diôsezin'Antsirabe, toerana izay iasan'izy ireo...

♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Papa, ao anatin'ny Tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Ezahana hilamina hatramin'ny 17 aogositra, ny fandraisana ireo tanora rehetra ho avy any amin'ny Diôsezin'Antsirabe, hiatrika ny JMJ Mada X... ♦ Hitsidika an'i Kazakhstan, ao Azia Afovoany, ny Papa François ny 13 hatramin'ny 15 septambra 2022...

Indray sabata, i Jesoa niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray. Nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo Izy: "Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’ity ny fitoeranao’, ary amin’izay ho menatra ianao hifindra ary amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: "Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza."

Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny  taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...

♦ Diakra efatra miarahalahy avy amin'ny Fikambanana Karma no nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, ny 17 jolay 2022... ♦ Hotsofin-drano ny alahady 24 jolay 2022 ny tsangambaton'ny taom-bolamenan'ny CEPAL... ♦ Niantso ny rehetra hihaino ny feon'ny voahary ny Papa François amin'ny Andro eran-tany hivavahana ho fiarovana ny voahary...

Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...