♦ Hanao kabary ho an'ny vahoaka malagasy anio hariva, faran'ny taona, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Lahateny heverina hitondràny ny vina ho an'ny taona 2023, faran'ny fe-potoam-pitondràny, ankoatra ny tomban'ny asa tamin'ity taona ity... ♦ Natao tany Fianarantsoa omaly ny Lamesa nitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo Masera sy Môpera namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ny talata teo... ♦ Feno 7taona omaly ny nandrodànana ny foiben'ny sendikà FISEMARE eny Ankadifotsy. Mbola eny amin'ny Fitsaràna ny raharaha hatramin'izao. Manantena ny hivoahan'ny didim-pitsaràna amin'ny taona ho avy io izy ireo...
♦ Notanterahana ny tolak'andro teo tany amin'ny Paroasy St Charles Ambatomena Fianarantsoa ny Lamesa nitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo Masera sy Môpera namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ny talata teo... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy rahampitso 31 desambra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hanolo-tanana an'i Madagasikara amin'ny fampivelarana ny taninketsa indostrialy eto Madagasikara i Inde ary hametraka tatik'asa momba izany...
♦ Manameloka ny famonoana ny miaramila malagasy, ny fanosoram-potaka ny fanenjehana tsy misy porofo izay nitarika fahafatesan'ny miaramila miisa telo, ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, araka ny fanambaràna navoakany androany... ♦ Manodidina ny 15.000 isa ireo voafonja miandrandra ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filohan'ny Repôblika. Fahefana feno madiodio ny Filoha anefa ny hanome izany na tsia amin'izao ankatoky ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao izao... ♦ Nahavita ezaka lehibe teo amin'ny ady amin'ny kolikoly ny vondron'ny kôperativam-pitaterana miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU tamin'ity taona ity...
♦Nomelohan'ny Fitsaràna higadra roa taona an-tranomaizina sazy miantona miampy fandoavana onitra 15 tapitrisa Ariary ny talen'ny CROUA. Tsy nanaiky izany ny mpiasan'ny CROUA sy ireo Mpianatra eny Ankatso... ♦ Ilaina ny fanatsarana ny CENI sy ny fametrahana ny Fitsaràna manokana hitsara ny voka-pifidianana, hoy ny antoko MFM... ♦ Tsy afa-manoatra noho ny tsindry ataon'ny hery tandrefana ny fitondrana ankehitriny, hoy ny DFP... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany i Pelé. Misaona mandritra ny telo andro noho izany ny any Brésil...
♦ Nandrika ny rà teny Behoririka androany. Lehilahy iray avy naka vola 132 tapitrisa Ariary tany amin'ny Banky no maty tsy tra-drano, rehefa notifirin'ny jiolahy roa mitondra basy teo imasom-bahoaka sy antoandro be nanahary... ♦ Mitaky ny "hanadiovana ny tokontany" mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana amin'ny taona ho avy ny antoko MFM androany, raha nanokatra ny Jobily faha-50 taonany. Fitsaràna manokana no tokony hitsara ny voka-pifidianana fa tsy ny HCC, hoy izy ireo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra roa taona an-tranomaizina sazy miantona miampy lamandy ny talen'ny CROUA, noho ny fandravàna tranon'olon-tsotra miorina eny amin'ny faritry ny Anjerimanontolon'Antananarivo. Nilanja sora-baventy ny mpiasan'ny CROUA...
Noho ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana sy ho fandraisana ny Taona Vaovao 2023, dia mirary soa ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina
Noho ny fahatongavan'ny Taona Vaovao 2023, dia mitondra ny teny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka kristianina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, Filohan'ny Eklesia Episkôpaly Malagasy, sady Filohan'ny FFKM
Amin'izao Taom-baovao 2023 izao sy Fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana izao, dia manolotra ho antsika ny firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
Amin'izao fanakalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy izao, dia mitondra hafatra sy firarian-tsoa ho antsika, i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo.
♦ Miantso ny rehetra hiombom-bavaka ho an'ny fahasalaman'ny Papa Emérite Benoît faha-16 araka ny antso nataon'i Papa François omaly ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Voasambotra tao Fianarantsoa ire efa-dahy voalaza ho tompon'antoka tamin'ny fangalarana ilay zaza varira sy namono ny reniny ka niteraka ilay savorovoro nahafatesana olona maro tany Ikongo... ♦ Hankalazaina mandritra ny taona 2023 ny faha-200 taonan'ny fadintseranana malagasy araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha omaly...
Tontosa ny taom-pikatrohana 2022, tsara ny hanaovana jery todika mikasika ireo asa vita. "Fantarina sy iainana ny soatoavina kristiana" ny foto-kevi-dehibe nampitaina tamin'ity taona 2022 ity ary "Maka lesona mankany amin'ny ho avy tsara kokoa" ny foto-kevi-dehibe amin'ny taona vaovao 2023. Fandaharana "miaina sy mitia" niarahana niasa tamin'ny Centre Arrupe, notontosaina teto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco