♦ Olona roa hatramin'izao no fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena eto Madagasikara hoy ny Ministry ny fitsaràna omaly... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra no mbola tsy nanomboka ny fampianarana omaly... ♦ Tsy misy fiantraikany tsara eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ny fanokafana ny sisin-tany teto Madagasikara hatramin'izao, hoy ny mpahay toe-karena Danny Rakotoson. Tsy manana paik'ady hanarenana io sehatra io hoy izy, ny fitondrana...
♦ Miisa roa hatramin'izao ireo olona fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena mivoaka eto Madagasikara. Teratany Malagasy sy teratany arabo izy ireo, hoy ny ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekoly no tsy nanomboka ny fampianarana androany. Saika nandray fepetra isorohana ny Covid-19 avokoa ny sekoly... ♦ Tsy misy afatsy 80 andro ao anatin'ny taona iray sisa no hahafahan'ireo mpanjono an-dranomasina miandrika noho ny faharatsian'ny toe-dranomasina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro...
♦ Mahatratra hatrany amin'ny 10.000.000 dolara isan-taona ny fandaniana ateraky ny "embouteillage" araka ny fanadihadian'ny JIca... ♦ Zana-kazo mora mitombo miisa 50.000 fototra no hambolena amin'ny ampahan-tany 25 Ha, hanombohana ny fambolen-kazo amin'ity taona 2022 ity, hatao ny 19 janoary any Mahanoro... ♦ Heverina ho tanterahina anio ny andrana voalohany amin'ny fampiasàna ny fitaovana vaovao dia ny "transformateur" any Andekaleka, taorian'ny famaizany...
♦ Misaona ny eo anivon'ny antenimeran-doholona. Nodimandry omaly maraina ny loholona Jean Marcel Eongombelo... ♦ Tsy nisy ny fonja vaky tany Morondrava fa voafonja 7 no nikasa handositra tany amin'ity fonjabe ity tamin'ny sabotsy maraina. Efa tafaverina any am-ponja izy 7 ireo... ♦ Miverina mianatra manomboka anio avokoa ny mpianatra rehetra manrena ny nosy, izay voatery niato tamin'ny fianarana noho ny valan'aretina Covid-19, isan'izany ny Faritra Analamanga...
♦ Nivoaka omaly ireo tetiandro ho an'ny fanadinam-panjakàna amin'ny fanabeazana fototra amin'ity taona ity. Ny faraparan'ny volana jiona sy ny fiandohan'ny volana jolay, ny CEPE sy BEPC... ♦ Omena fiantohana ara-tsôsialy sy afaka mindram-bola any amin'ny banky sy ny fandaharan'asa fihariana manomboka izao ireo mpanao asa tanana... ♦ Misaona ny baolina kitra malagasy, nodimandry omaly i Alban Rabemananjara, kintan'ny baolina kitra fahiny, mpanafiky ny AS Sotema...
Ny fanekena ataon'ny relijiozy dia fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny voady izay hery manampy ny relijiozy tsy ho voafatotry ny fitiavana sy ny fiahian'izao tontolo izao dia hery lehibe hahafahany manao tsara ny iraka. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
♦ Miverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka amin'ny Alatsinainy izao, hoy ny MInisteran'ny fanabeazam-pirenena. Mety hisy ny rindran-damina tsy maintsy hapetraka... ♦ Ho ampiakarina 12,1% ny taham-pandoavan-ketra eto Madagasikara amin'ity taona ity. Ho ampitomboina maherin'ny 1.700.000 ny isan'ny mpandoa hetra hoy ny Foibe fitantanana ny hetra... ♦ Namoaka ny tetiandro ho an'ny fanadinana Bakalôrea ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony...
Maneho ny fahamasinan'i Masina Maria ny fahavirjiniana. Tsy virjiny ara-batana fotsiny izy fa virjiny ara-panahy, hoy i Md Ambroise. MIfototra amin'ny fiarahaban'ny anjely hoe : "arahaba ry ilay feno hasoavana" ny fampianaran'ny Eglizy. feno hasoavana i Masina Maria, izany hoe: tsy voakasaky ny fahotana tamin'ny fototra fa soa daholo ny ao anatiny. Fandaharana momba an'i Masina maria, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Nihanalefaka ny fifandraisan'ny fitondrana kolonialy sy ny misionera, teto Madagasikara, nanomboka 11 mars 1913, tamin'ny fitondran'i Albert Picquié. Zary lasa ivon-toerana iaingan'ny fampandrosoana ny fonenan'ireo misionera. Navoitry ny Eveka tamin'ny Kongresy Eokaristika ny 18-28 janoary 1934 ny fitiavan-tanindrazana.
♦ Hampakarina 12,1% ny taham-pandoavan-ketra amin'ity taona ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Foibe Fitantanana ny Hetra. Tsy nisy afa-tsy 10,9% izany, tamin'ny taon-dasa... ♦ Miverina mianatra avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny nosy amin'ny alatsinainy 17 janoary, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hotanterahana ny alatsinainy 18 hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 kosa ny Baccalauréat, ho an'ny fampianarana ankapobeny...
♦ Nomarihana tamin'ny alahady 9 janoary 2022, ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Masera Saint Joseph d'Aosta, any Vohilava, Mananjary... ♦ Mitaky toe-panahy vonona ny hisokatra, mahay mihaino sy mifanakalo hevitra, ny fandraisana anjara amin'ny Sinaody... ♦ Niarahaba sy nirary soa ny Papa François ny diplaomaty miisa 183 ho Masoivoho vahiny any amin'ny Fiketrahana Masina...
♦ Mila sahy mamoaka rafitra mazava sy ara-dalana mba tsy hahafahan'ireo olom-bitsy mifehy samy irery ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany ny fitondrana, hoy ny Solombavam-bahoaka Jean Brunelle Razafitsiandraofa... ♦ Trano maherin'ny folo, miaraka amin'ny voly sy ny biby fiompy no potika, vokatry ny fipoahan'ny dynamite, tany Nosy Be... ♦ Miroso amin'ny famendrahana fanafody ireo sekoly amin'izao fotoana izao, andro vitsy mialoha ny hiverenan'ny fampianarana...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco