♦ Hiakatra fitsaràna anio raha tsy misy ny fiovàna ny raharaha Apollo 21, nitranga ny volana jolay lasa teo... ♦ Miverina mirongatra indray amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao ny Covid eto Madagasikara. 470 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny herinandro teo, Antananarivo no ivony... ♦ Mitaky ny fametraham-pialàn'ny mpitantana tsy mahavaha ny olan'ny vahoaka ny RMDM. Tontosa tamin'ny sabotsy ny fanangonana fanampiana ho an'ireo may trano tao Farafangàna...
♦ Manahy kolikoly momba ny fitsinjaràna ny tranon'ny mpianatra eny Ankatso ny fikambanan'ny mpianatra avy any Bongolava. Misy amin'ireo afaka bakalôrea taona 2017, mbola tsy nahazo trano... ♦ Mahatsiaro iharan'ny tsindri-hazolena ara-pitsaràna ireo mponina maherin'ny 3 000 any Belambo - Toamasina II. Mbola voatana eny Tsiafahy ny naman'izy ireo... ♦ Nampanantenaina ho amboarina ny RN 41 Ambositra-Fandriana. Manantena ny mponina hoy ny Solombavambahoakan'i Fandriana...
Rehefa vita ny fiofanana eny amin'ny seminara zandriny dia miroso mankeny amin'ny seminera propedetika manohy ny fiofanana no sady manomana ny saina amin'ny fampianarana ambony mandritra ny taona iray. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Rehefa vita ny famolavolana tao amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny ankohonam-piangonana niaviany, atolotry ny pretra ny tovolahy iray hanaraka ny fiofanana eny amin'ny seminera zandriny. Miofana sady manovo ny fianarana hahazoana ny bakalorea izy eny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Manampy antsika handalina ny mikasika ny fiofanana ho mpandraharaha masina ny dinika nifanaovan'ny Pape François tamin'ireo miaina ny fanokanan-tena manokana teny Amparibe, ny harivan'ny alahady 08 septambra 2019. Nivohitra tamin'zany ny famporisihina azy ireo hanahaka an'i Kristy, indrindra amin'ny fitiavana ny mahantra sy ny vavaka. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Tsy mitovy fa arakaraka ny Fivondronamben'ny Eveka isa-pirenena ny rafitry ny dingam-piofanana maha-pretra. Amin'ny ankapobeny eto Madagasikara, aorian'ny bakalorea, miofana mandritra ny sivy taona ny tanora iray vao miroso amin'ny sakramenta fandraharahana masina ho Diakra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny zaza dia tsy mahavita mamaritra ny aretina mahazo azy, ireo ankizy enina taona mihoatra kosa dia mahavita miteny ny olany ara-pahasalamana. Ny aretin'andoha dia fanaintainana re vokatry ny fibontsonan'ny lalan-dra na fikaikon'ny hozatra amin'ny faritry ny loha. Antony mahatonta ny aretin'andoha: fanaviana, fidinana na fiakaran'ny tosi-dra, olan'ny maso, tsy ampy torimaso, fahalotoan'ny rivotra, lalan-dra tsentsina...
♦ Miantso ny tanora hamonjy ny JMJ Mada ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, hatao any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2022, JMJ andiany faha-10... ♦ Efa tafaverina any amin'ny Banky iraisam-pirenena ny vola notakian'y tamin'ny tetik'asa PAGOSE nanatsaràna ny fitantanana ny Jirama... ♦ Tsy hanaiky lembenana ireo mpivarotra etsy Anosiala-Ambohidratrimo amin'ny fikasàn'ny Kaominina handrava ny trano fivarotan'izy ireo. Nitondra fanazavàna ny Ben'ny Tanàna...
Fiarahan-dia ny atao hoe sinaody, iantsoana ny Papa ny eveka solo-tenan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka maneran-tany, handinika sy hanolo-tsaina ny Ray masina amin'ny loha-hevitra lehibe iray ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Sinaody faha-16 no hotanterahina amin'ity 2021-2023 ity. Ny tanjona dia ny hamoahana sori-dalana iombonana sahaza ny vaninandro iainantsika fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal.
Hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra 2022 ny JMJ Mada andiany faha-10. Lohahevitra hifanentanana amin'izany ny hoe: "Mitsangana fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao" (Asa 26, 16). Fanasana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
♦ Hotanterahana any amin'ny Diosezin'Antsirabe ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022, ny JMJ Mada andriany faha-10... ♦ Ahitana olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus ihany koa any Antsiranana, raha toa ka tsy nahitana izany nandritra ny volana maromaro...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco