Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: "Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Fa Izy no ilay voasoratra hoe: Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao. Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista, nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany; fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany."

Tamin’izany andro izany niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: "Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?" Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: "Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay hanontany raha Ianao no Ilay ho avy, na mbola hafa no andrasantsika." Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, koa izao no navaliny an’ireto iraka: "Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torîna amin’ny mahantra ny Evanjely, ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio. Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’, kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?" Hoy ireo: "Ny lahimatoa", dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy."

Tamin’izany andro izany, rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany?" Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?" Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: "Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika, fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy Izy taminy: "Izaho koa àry, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe: "Inona àry no hataonay?" Dia namaly izy ka nanao hoe: "Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa". Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: "Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?" Dia hoy izy taminy: "Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo". Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: "Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?" Dia hoy ny navaliny azy: "Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo". Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: "Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty". Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

♦ Niakatra fitsarana androany teny Anosy ny raharaha Apollo 21... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka indray ny fotoam-pitsarana an'i Mbola Rajaonah, izay saika notanterahana androany teny amin'ny PAC... ♦ Nampahafantarina androany teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia, ireo mpikambana vaovao ao ami'ny Birao maharitry ny CENI...

♦ Anentanan'ny Papa Ray masina ao anatin'ny tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany amin'ity volana desambra ity ny hivavaka manokana ho an'ireo katesista... ♦ Hofaranana amin'ny alarobia 8 desambra 2021 izao ny Taonan'i Masindahy Josefa. Ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo dia ny 12 desambra 2021 no hanamarihana izany... ♦ Nanao antso avo mba hisian'ny fanampiana ireo mpifindra monina ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana Apôstôlika nataony tany Lesbos, Grèce, omaly...

♦ Nanomboka androany ny fitsaràna ny raharaha Apollo21, dia ilay fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena sy mpitondra ambony hafa. Hentitra ny fitandroana ny filaminana eny Anosy... ♦ Mila fanatsaràna ny sehatra ifanakalozana momba ny fanabeazana eto amintsika hoy ny avy amin'ny sekoly tsy miankina... ♦ Tsy mankasitraka amin'ny fiverenana amin'ny fihibohana ny ankamaroan'ny malagasy nanaovan'ny fikambanana tsy miankina iray fanadihadiana manoloana ny firongatry ny Covid-19, ankehitriny...

Ny mpiofana ho pretra dia miofana mandritra ny telo taona manaraka ny fianarana filôzôfia eny amin'ny Seminera zokiny izay hanovozana ny rafi-pisainan'ny olona araka ny vanim-potoana. Vita izay, antsoina hisantatra ny pastoraly ny mpiofana, mandritra ny roa taona mamita ny " régence". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Ny tovolahy maniry ny hiofana ho pretra dia tokony olona salama, manana tanjaka. Anatin'ny fepetra tokony ananana ihany koa ny taona sy ny fahalalana. Taona iray aorian'ny bakalôrea dia miroso sy miofana ao amin'ny seminera propededika. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Tsy ny pretra diôseziana ihany no antsoina hoe pretra eto Madagasikara, fa maro ny fikambanana mampiofana pretra. Misy maha samihafa azy ny pretra relijiozy sy ny diôseziana ; ohatra ny relijiozy dia manaraka ny fiainam-pikambanana misy azy, manana haim-panahy ho azy manokana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Fiombonana, Fandraisana anjara, asa fanirahana : ireo no teza telo ihodinan'ny Eglizy miara-dia. Vatana iray ny Eglizy, miombona noho ny Batemy noraisiny. Mirotsaka amin'ny fomba feno sy mavitrika izy. Ny zavatra rehetra ataony dia mitodika ao amin'ny asa fanirahana avokoa, izay antom-pisian'ny Eglizy. Fanazavana entin'i M. Roger Marius Razafimandanona, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...