"Hampitoviana endrika amin'i Kristy Mpisorona izy rehefa hohamasinina ho Pretra ka tokony hizatra ho sakaiza miraiki-po Aminy". Olon'ny vavaka ny Pretra koa tsy maintsy manana hafaliana amin'ireo karazam-bavaka ao amin'ny Eglizy, manomboka amin'ny Eokaristia Masina sy ireo endri-bavaka mifandraika amin'izany. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Manomana ny tanora iray amin'ny maha-mpiandry ondry azy ny vontoatin'ny fiofanana manontolo. Misy andry efatra ny fiofanana maha-mpandraharaha masina : lafiny ara-panahy, ara-tsaina, maha-olona ary ny ara-pastoraly. Tsy misy azo atao mandringa ireo fa mandrafitra ny maha-mpiandry ondry araka ny hevitry ny Eglizy. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Nitohy androany maraina eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitsaràna ilay raharaha Apollo 21. Resaka disadisa momba ny fitrandrahana solika no fototr'ity raharaha ity, raha ny fijerin'Andriamatoa Benjara Paul... ♦ Olona am-polony no efa nampidirina am-ponja noho ny fanaovana hosoka amin'ny taratasin-tany, raha ny tatitry ny ministry ny fanajariana ny tany, manamora ny fahazoana tanim-panjakàna ny ministera... ♦ Hivoaka aloha ny vola fisotroan-drononon'ny zokiolona eto Analamanga, volana desambra. Fandaminana nentin'ny Tahirim-bolam-panjakàna...
Ny fiovaon'ny toetr'andro dia miteraka fahavoazana maro, na ho an'ny mponina an-drenivohitra na ny eny ambanivohitra. Ny fiovan'ny toetr'andro dia efa nampoizina ary efa nanomanana ny tsirairay. Porofo ny fiovana ny fiakaran'ny marimpana, ny tsy fitovian'ny faharetan'ny fizaran-taona sy tsy firindràny. Manakorotana ny asa fivelomana sy ny fahasalamana izao fiovana izao. Mirongatra ho azy ny fifindra-monina noho ny fiovan'ny toetr'andro...
Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy. Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. Fa niteny reniny nanao hoe: "Tsia, tsy izany, fa hatao hoe: Joany izy." Fa hoy izy ireo taminy: "Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany." Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: "Joany no anarany"; ka gaga daholo ny rehetra. Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra. Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona izany. Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: "Ho inona re itý zaza itý?" Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.
Tamin’izany andro izany, i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko; ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany, sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy; dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”
Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.
Tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!"
Toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baraka azy dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra." Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny.
♦ Niakatra fitsarana nanomboka omaly teny Anosy, hitohy anio ilay raharaha Apollo 21, fikasàna hamono olom-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Nibahan-toerana ny famakiana ny fiampangàna ireo olona voarohirohy... ♦ Tafatsangana ny birao maharitra vaovaon'ny CENI, lany filoha Andriamatoa Dama Andrianarisedo... ♦ Hakàna hevitra amin'ny fanatanterahana ilay tetikasa Téléphérique ao an-drenivohitra ny olom-pirenena, hanomboka anio ny tombana ara-tontolo iainana hiarahana amin'iny O.N.E...
Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama. I Abrahama niteraka an’i Isaaka, i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna, i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba; i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta; i Obeda niteraka an’i Jese, i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.
I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà, i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama, i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase, i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda, i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra, i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matana, i Matana niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.
Natoky tanteraka ny herin'ny fanavotan'Andriamanitra i Md Josefa. Modelin'ny fankatoavana ny finoana sy ny fitiavana ho antsika ao amin'ny Eglizy izy, tamin'ny "eny" nankatoavany ny sitrapon'andriamanitra araka izay nampitain'ny anjely taminy.
Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: "Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Fa Izy no ilay voasoratra hoe: Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao. Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista, nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany; fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany."
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco