♦ Hifidy izay ho solontenan'ny mpanao gazety handrafitra ny CENI vaovao ny holafitra anio tolakandro. Miisa 7 ireo kandidà nirotsaka ho fidiana... ♦ Hatsangana eo amin'ny toerana nisy ny Radio Nasionaly Malagasy may tamin'ny taona 2009 ny Auditorium na ny Havoria. Toerana hanaovana lanonana hahazaka mpijery 700... ♦ Mila mandray vahaolana maika ny fitondram-panjakàna manoloana ny tsy fisian'ny fandriamam-pahalemana hoy Andriamatoa Tsivahiny Herman...
♦ Voafidy ireo solontena roa avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena, handrafitra ny CENI vaovao... ♦ Nitondra valin-kafatra ho an'ireo manakiana ny fotodrafitr'asa ataon'ny fitondrana ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, androany... ♦ Mpilalao vaovao miisa efatra indray, no nantsoin'i Eric Rabesandratana, handrafitra ny ekipan'ny Barea...
♦ Mitohy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ireo mpanararaotra mampiakatra tsy ara-drariny ny vidin'entana ary ho saziana mafy ireo mbola minia manao izany... ♦ Manoloana izao fisokafan'ny sisin-tanin'i Madagasikara, dia hafainganina sy hatsaraina ny fanaraha-maso sy fanaovana fitiliana ireo mpandeha miditra sy mivoaka eny amin'ny Ivato... ♦ Maimaimpoana tanteraka ny fametrahana fitarainana ao amin'ilay vaomiera mpanadihady momba ny resaka fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena, an-jatony no efa voaray...
Tamin’izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: "Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay." Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: "Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona"; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: "Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?" Dia hoy Izy taminy: "Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao."
Tamin’izany andro izany, dia hoy ilay vehivavy Samaritanina tamin’i Jesoa: "Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao. Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ravehivavy, minoa Ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an’izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‘Mifona aho’, dia mamelà azy." Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo: "Ampitomboy ny finoanay." Fa hoy ny Tompo: "Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy."
Ny fanampiana dia azo atao amin'ny fomba maro : fotoana, fahalalana, talenta, fananana, vola. Raha misy ny faharesen-dahatra noho ny fanarahana ny fandaharana "mba ho vanona" dia tanteraho fa hanova ny fiainanao. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo."
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy. Fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’ Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’ Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’ Dia hoy io: ‘Diloilo injaton’ny barika.’ Dia hoy ilay mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’ Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’ Hoy io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana.’ Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao, ka soraty valopolo.’ Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana."
♦ 0lona 4 no nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, mikasika ilay raharaha vato sarobidy saika haondrana any ivelany tamin'ny alakamisy teo... ♦ olona 4 no lasan'ireo dahalo ho takalon'aina ary trano 53 tafo no may kila forehitra vokatry ny fanafihana mahery vaika tany Bebozaka, kaominina Itondy-Miandrivazo afak'omaly... ♦ Lany ho solon-tenan'ny antenimeram-pirenena eny anivon'ny CENI Andriamatoa Houssein Abdallah. Tanterahina rahampitso ny fifidianana izay ho solon-tenan'ny mpanao gazety ho eo anivon'ny CENI...
♦ Nitrangan'ny fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany Bebozaka, Kaominina Itody, Distrikan'i Miandrivazo any amin'iny Faritr'i Menabe iny. Olona efatra no ataon'ny dahalo takalon'aina ary trano 53 tafo no may kila forehitra... ♦ Asa fanaovan-gazety, nanolotra ny fitantanana ho an'ny Filohan'ny holafitra vaovao, Rasoloarison Monica ny Filohan'ny holafitra teo aloha. Ho fiarovana ny asa fanaovan-gazety no antony, hoy i Rakotonirina Gérard...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco