♦Miomana hamoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena an'Andriamatoa Jean Ravelonarivo ny fitsaràna malagasy. Nitsoaka any Frantsa moa ity praiministra teo aloha ity taorian'ny fanamelohan'ny PAC azy... ♦ Misy tsy fanarahan-dalàna ny nankatoavana ilay volavolan-dalàna vaovao momba ny asa. Mitaky amin'ny ministeran'ny asa ny votoantin'izany ny Randrana sendikaly... ♦ Mihamafy ny fitokonan'ireo mpandraharahan'ny Oniversiten'i Toamasina, mitaky ny tambin-karamany tsy voaloa. Nakaton'izy ireo ny biraon'ny Ofisin'ny Bakalôrea Barikadimy, tapaka ny famoahana diplôma...
Tsy ampy ny fahalalana hoe "mila manaja fitsipi-pifehezana" fa ny tena zava-misy marina no tokony hampahafantarina ny ray aman-dreny. Maro ireo loza mandindona ny fanabeazana sy ny fampianarana : tranga misy eo anivon'ny ankohonana, tranga mahakasika ilay zaza mivantana, zava-misy eo anivon'ny fiaraha-monina ary ny olana mahakasika ny mpampianatra. Ohatra ny hoe lasa fahazarana ny fiatrehana ny fiainana ka tsy ampy manaraka izay ny fifampizarana fitiavana eo amin'ny mpianakavy, eo koa ny olana ara-tsakafo, ny ankivy ara-pahasalamana...
♦ Mbola 2% monja ny malagasy vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 amin'izao. olona 1 000 000 no kendrena ho vita hatramin'ny faran'ny taona hoy ny Ministeran'ny fahasalamana... ♦ Mampanahy ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika sy mitarazoka any atsimon'ny nosy, hoy ny tatitry ny FAO, omaly. olona maherin'ny 1 000 000 no ianjadian'izany... ♦ Nampiato ny fampianarana eny anivon'ireo sekolim-panjakàna indray ireo mpampianatra FRAM any amin'ny faritra Vatovavy. Fitakiana tambikarama roa volana in-dimy tsy mbola voaloa...
♦ Mbola ny 2%-n'ny Malagasy hatreto no nanao ny vakisiny fanefitry ny Covid-19... ♦ Afa-po tamin'ny asa sy ny iraka notanterahany teo Madagasikara, Ramatoa Charlotte Faty Ndiaye. Tapitra ny fe-potoana niasan'ity solontena maharitry ny OMS teto Madagasikara ity...
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy." Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.’ Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very." Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka."
Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa, ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: "Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia, sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.’ Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro."
Alatsinainy 1 novambra 2021 — Fetin'ny Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a
♦ Miantso ny kristiana rehetra hijoro ho vavolombelona sy tsy hanaiky ny fanalan-jaza amin'ny endriny rehetra ny FJKM... ♦ Tsy afaka handray miaraka ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo sy ireo efa nahavita fifaninanana hidirana amin'ny taona voalohany eny Ankatso ny FLSH... ♦ Olona iharan'ny fanolanana miisa 3 hatramin'ny 10, no tonga manatona ny ivon-toerana Centre Vonjy eny Befelatanana...
Alahady 31 oktobra 2021 — Alahady faha iraika amby telopolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34
Toetra ilaina amin'ny fivoaran'ny tena ny fananana hazon-damosina. Ny fahasahiana mijoro amin'ny maha-izy ny tena dia ahafahana manamafy orina ny fahatokisan-tena sy ny fanantenana ary ny finoana ka tsy ho mora handairan'ny famoizam-po. Fotoana fanorenana ny fahatanorana ka tsy tokony hanjeny ny andro ho lava, ary tsy miasa irery fa miaraka amin'i Kristy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Mba hahamafy orina ny maha-izy ny tena dia ilaina mandrakariva ny fifampizaram-piainana amin'ireo ray aman-dreny. Ny fifanankalozan-kevira no miteraka ny fifampitokisana ary mampisava ny tahotra. Toetra iray, tokony halavirina ny fivadiham-pitokisana sy ny fanaovana " tsobo-drano-Ramiangaly " satria tsy mampivoatra izany. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco