♦ Tsy eken'ny hery velon'ny fiangonana katolika Diosezy Fianarantsoa ny tolo-dalàna momba ny vohoka ITG, aroso dinihina eny amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mankasitraka ny fiverenan'ny ministeran'ny jono ho ministera mahaleo tena indray ny mpisehatra amin'ny jono eto Madagasikara... ♦ Hifandimby ho tapaka isaky ny adiny iray amin'ny faritra samihafa ny herinaratra ao an-drenivohitra sy ny manodidina manomboka anio amin'ny 5ora hariva hatramin'ny 9ora alina, ho fanamboarana an'Andekaleka...
♦ Tsy maintsy tadiavina ny fomba hampiakarana ny vidin'ny lavanila hoy ny filoham-pirenena tany sambava omaly. Tokony raiketina ofisialy ny vidiny mba tsy hisian'ny fanararaotana... ♦ Mitaky fihaonana amin'ny filoham-pirenena ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara manoloana ny fankatoavan'ny HCC ny lalana mifehy ny tany tsy vita titre... ♦ Misedra olana ny tontolon'ny jono. Tsy afaka hanondrana makamba any Eraopa ireo orinasa mpamokatra raha tsy voavaha ny fitokonan'ny ASH...
Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina. Ny fihetsika sy ny tenin'i Jesoa ao amin'ny Evanjely dia manambara fa sarobidy ny aina ka tokony harovana hatrany am-bohoka. Marefo ihany koa izy ka izay no nahatonga an'Andriamanitra hiaro azy. Fandaharana handalinana ny fototra ara-tSoratra Masina momba ny hasin'ny aina, iarahana amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezin'Antananarivo.
♦ Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha Apollo 21, noho ny fangatahana naton'ireo mpivolovava ny olona voarohirohy, hoy ny Ministry ny Fitsarana... ♦ Tsy tokony ho latsaky ny 75.000 Ariary ny kilaon'ny lavanila maitso, ividianan'ny mpanangom-bokatra amin'ny tantsaha any Sava. Nanolotra vahaolana momba ny lavanila ny fitondranana...
♦ Nifantoka tamin'ny fomba hanampiana ireo olona tsy manana sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena ary ny ady amin'ny kolikoly ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara... ♦ Miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ao amin'ny Faritra Melaky. Mangataka ny fanomezan-tanana avy amin'ny fanjakana mahefa ny Fiangonana mba hamahana ny olana...
Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra." Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
Tamin’izany andro izany, nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: "Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý, fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy, ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay, ka hoy Izy: "Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: ‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’ Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: ‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’
Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina, dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hifehy tanàna folo ianao.’ Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’ Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: ‘Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba; satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’ Dia hoy ilay mpanjaka taminy: ‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’ Dia izao no nataony tamin’izay teo: ‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’ Fa hoy ireo taminy: ‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’ ‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena; fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza. Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako.’" Rahefa niteny izany i Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa, rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake, lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena, nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: "Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio." Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: "Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy." Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: "Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy." Dia hoy i Jesoa taminy: "Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona."
Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe: "Inona izany?" Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Noraran’izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!" Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: "Inona no tianao hataoko aminao?" Ary hoy izy: "Mba hahiratra aho, Tompoko." Dia hoy i Jesoa taminy: "Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao." Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe; "Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: "Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’ Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?"
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco