Sabotsy 12 jona 2021 — Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51

♦ Nofaritana ho 4,2%  ny fiakaran'ny harin-karena faobe eto amintsika. Ezahina hotazomina 6,2% ny fisodrotan'ny vidim-piainana amin'ity taona 2021 ity... ♦ Hivoaka mandritra ny C.I.T na ny kaonferansa iraisam-pirenena momba ny asa, izay tanterahina amin'izao fotoana izao ny antontan-kevitra farany mikasika ny vahaolana na ny fandraisan'anjara nentin'ny OIT, manoloana ny fisian'ny Covid-19... ♦ Hanomboka ny fanamboaran-dalàna maromaro any amin'ny faritra atsimo atsinanana, isan'izany : Vangaindrano mankany Midongy atsimo, hatrany Befotaka...

♦ Miabo ny zava-bitan'ny Governemanta nandritra ny tao 2020 sy ny tapany voalohany amin'ity taona 2021 ity, na teo aza ny valan'aretina Covid-19 sy ny krizy naterany. Samy nanambara izany androany na ny Praiminisitra na ny Minisitra nandaha-teny nanoloana ny Solombavam-bahoaka... ♦ Niampy dimy indray ireo marary lavon'ny Coronavirus teto Madagasikara, araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Niisa 16 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 587 natao...

Mila hery sy fahavononana ny fanatràrana ny tanjona. Tokony ialana ilay fomba fisainana hoe "azo maimaimpoana" satria ireny dia tsy maharitra. Ny fahasalamana dia ilay fahafahana miaina tsy misy sakatsakana izay miankina amin'ireto andry lehibe ireto : sakafo, torimaso, fahaizana miala sasatra, fandanjalanjàna ny fiankanjoana, ary ny fampiasam-batana. Ny fitozohana ny fampiasana vatana dia fitozoana amin'ny fahatràrana tanjona ara-pahasalamana... 

♦ Hifanatrika amin'ireo solombavambahoaka manomboka anio ireo mpikamban'ny governemanta. Hisantàrana izany ny Praiministra tatitra... ♦ Tsy nisy ny dinika mialoha sy tatitra nataon'ny solombavambahoakan'i Betafo, nialohan'ny nanolorany ilay tolo-dalàna momba ny zom-pirenena, hoy ny mponina any an-toerana. Voalaza fa manahy mafy momba ny taniny izy ireo... ♦ Tsy eken'ireo mpanolontsaina avy amin'ny KOMBA ny fanomezana vola 10 000 000 000Ariary ho an'ny kaominina Antananarivo amin'ny alalan'ny FDL... 

Zoma 11 jona 2021 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Avia aty amiko ianareo rehetra mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 19, 31-37

♦ Nitaraina ireo mpisolovava fa tsy misy antony intsony tokony hitazomana ireo voarohirohy tamin'ilay raharaha famonoana  karana teny Ivandry. Naverina am-ponja indray moa izy ireo... ♦ Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny zandarimariam-pirenena, manoloana ilay raharaha fisakanana ny fiara nitondra ny mpitarika ny mpanohitra, Marc Ravalomanana... ♦ Efa tafavory eto Antananarivo avokoa nanomboka omaly ireo mpilalao mandrafitra ny Barea hiatrika fampivondronana... 

Alakamisy 10 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

♦ Tsy mazava ary tsy ara-dalana ny mbola hitazonana ireo olona efatra voarohirohy tamin'ny raharahan'ilay teratany karana hita faty teny Ivandry, hoy ireo mpisolovava niaro azy ireo, androany... ♦ Mpilalao enina tamin'ireo 35 nantsoin'ny mpanazatra ny Barean'i Madagasikara, Eric Rabesandratana, no tsy tonga. Mbola mikasa ny hiresaka mivantana amin'i Bolida kosa ity mpanazatra ity...

Tamin’izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atý?" Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: "Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy." Ary hoy Izy taminy: "Mandehana." Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.

Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: "Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany." Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: "Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko"; fa hoy i Jesoa taminy: "Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy."

♦ Miantso vonjy ireo mponina any amin'ny Kaominina Ivondro, Lavaraty eto aloha, any Midongy-Atsimo, fa tsy misy mihitsy ny masoandro mihiratra ho azy ireo noho ny asan-dahalo... ♦ Ny votoatin'ny fanambarana iraisana momba ny teti-bolam-panjakana 2021 asiam-panitsiana, tamin'ny faran'ny herinandro teo nataon'ny vondrona fiaraha-monim-pirenena maromaro teto Madagasikara... ♦ Vadintany iray indray no niharan'ny fandrahonana hampiharana fitsaram-bahoaka noho ny fanatanterahana ny asany tany Antsirabe... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...