♦ Tsy anisan'ireo Oniversite hisokatra manomboka ny alarobia izao ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Nanao fanambarana ny fikatonan'ny Oniversite androany ny sendikan'ny mpandraharaha... ♦ Hisokatra ny alarobia izao ny fahafahan'ireo mpandeha manao famandrihana eny amin'ny toby fiantsonana, araka ny toromariky ny ATT...

Alakamisy 3 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

Alarobia 2 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27

♦ Efa miomana amin'ny fandraisana ireo mpizahan-tany any Nosy-Be sy ny Nosy Sainte Marie ny Fanjakàna malagasy. Hisy ezaka manokana amin'ny fanaovam-baksiny any amin'ireo distrika roa ireo... ♦ Nanangona ny hetahetan'ireo Ben'ny Tanàna any amin'ny Faritr'i Vakinankaratra ny iraky ny antenimieran-doholona ho fanarenana ny toe-karena... ♦ Notanterahina omaly ny ivon'ny fankalazàna ny faha-20 taonan'ny Radio Rakama any amin'ny Diôsezin'i Farafangana... 

Ny fo mivonto na mihangeza dia  tsy hita avy ety ivelany fa amin'ny alalan'ny fitilina "radio na écographie". Ny antony mety hatonga io aretina io dia mety misy sakatsakana na tsentitsentsina ny lalan-drà ka mandreraka ny fo, tosi-drà ambony, aretin'ny aty vava. Misy fambara azo hamantarana azy io aretina io, toy ny : fahenoana marary ao anaty tratra, sahala amin'ny hoe misy manindry ny tratra, fahatsapana zavatra manindrona ao anaty fo. Ny fo dia milanja 300 hatramin'ny 350g... 

♦ Misokatra avokoa ny Faritra rehetra manerana ny nosy manomboka amin'ny zoma 04 Jona izao. Hiverina an-tsekoly ny mpianatra rehetra manomboka amin'ny Alarobia izao... ♦ Nahatezitra ny mpivarotra tany amin'ny tsenam-pokontany samihafa tao an-drenivohitra sy ny manodidina ny fandraràn'ny mpitandro filaminana azy ireo tsy hivarotra ny sabotsy teo... ♦ Nomarihana omaly alahady fetin'ny Trinité Masina ny andro eran-tany faha-55 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona... 

♦ Ankalazaiana amin'ny alahady 30 mey ho avy izao, fetin'ny Trinite Masina, ny Andro Eran-tany faha-55 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona. Fandaharana manokana eto amin'ny Radio Don Bosco, iarahana amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara no hanamarihana izany... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, 300 mahery no isan'ireo mbola manaraka fitsaboana, ka 200 mahery amin'ireo no ao anaty fahasarotana, 82 ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina tamin'ny fitiliana natao omaly...

Talata 1 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17

♦ Hisy ny fandaharana manokana eto amin'ny Radio Don Bosco, hamakafakana ny hafatry ny Papa François, ho fanamarihana ny Andro Eran-tany faha-55 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona... ♦ Saro-piterahana ny Faritra faha-23, fito volana tao aorian'ny nidinan'ny Filohan'ny Repoblika tany amin'ny Faritra Vatovavy Fitovinany, mbola tsy tontosa ny fizarana io Faritra io...

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra."

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."

Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: "Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?" Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: "Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika".

Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: "Raiso, fa Vatako ity". Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe: "Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...