Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany: "Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa."
Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: "Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?" Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?" Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo."
Tamin’izany andro izany, naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika Azy amin’ny teniny, ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?" Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako." Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: "Sarin’iza, sy anaran’iza io?" — Hoy iretsy hoe: "An’i Sezara." Dia hoy i Jesoa taminy: "Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra." Dia nigagan’izy ireo Izy.
♦ Nandrombaka medaly enina ireo atileta Malagasy eo amin'ny fibatana fonjam-by, tamin'ny andro voalohany niakarany kianja ho fiadiana izay ho tompon-dakan'i Afrika, izay atao any Kenya... ♦ Handalo asam-baomiera eny amin'ny Antenimieram-pirenena anio, ny tolo-dalana mikasika ny zom-pirenena, raha nankatoavin'ny Loholona omaly, ny tolo-dalana mifehy antoko mpanohitra...
♦ Ny eo anivon'ny Covax, izay mpiara-miasa nanafarantsika vakisiny mihitsy, no misy dingana tsy maintsy arahana, hanaovana fanadihadiana lalina ny amin'ilay dokotera namoy ny ainy tany Fianarantsoa, tao aorian'ny nanaovana vakisy Coivshield azy... ♦ Fandrosoan'ny demôkrasia eto Madagasikara ny fahalanian'ny lalana mifehy ny mpanohitra, teny amin'ny Andenimieran-doholona androany, ary tombony sy fanomezana sehatra ao anatin'ny ara-dalana ny antoko mpanohitra, hoy ny Solombavam-bahoakan'Ikongo, izay nanolotra ity tolo-dalana ity...
Alatsinainy 31 mey 2021 — Ny Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
Sambany isika teto Madagasikara no nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tantely tamin'ity taona ity. Manan-danja lehibe amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny famokarana ny tantely...
♦ Handinika amin'ny antsipirihany ilay tolo-dalàna momba ny fanomezana ny zom-pirenena Malagasy ho an'ny vahiny ny solombavambahoaka. Tsy maintsy hisy ny masotsivana apetraka... ♦ Sahirana amin'ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny firongatry ny tsy fandiam-pahalemana ny vahoaka any Androy hoy ny deputé Massi Boulamaly... ♦ Jono an-dranomasina : Tanterahana androany ary hitohy rahampitso ny dinika eo amin'ny vondrona Eraopeana sy i Madagasikara...
Manana andraikitra maro ny ray aman-dreny manoloana ny zatovo. Ny fikarakarana sy fanehoana fitiavana azy dia manampy amin'ny fitadiavany ny maha-izy azy. Ny fanomezana lanja ny azy dia hahatonga azy ho olona sahy handray andraikitra. Ny filan-kevim-pianakaviana dia hery ho azy hahafahany mibea ny tenany...
♦ Voka-pikarohana manatsara sy manamora vidim-piainana ny fatana akofa. Ny fampiasàna ity fatana ity dia fomba hiarovana ny ala tsy ho ripaka. 97% ny mponina eto Madagasikara no mampiasa ny hazo ho angovo, ka ny 48% mampiasa arina ary ny 49% mampiasa kitay... ♦ Ny raketa na ny rakaita dia zava-maniry misy eto Madagasikara, hita any amin'ny faritra atsimo. Zava-maniry mpitahiry rano, antsoina amin'ny anarana siantifika opuntia ficus indica...
♦ Nanentana ny solombavambahoaka namany mba ho sahy heneho hevitra sy hilaza ny marina hatrany ny depioté Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Mbola mikatso ny raharaha momba ilay vadin-tany niharan'ny herisetra, naratra nandritra ny fanatanterahany ny asany... ♦ Mangataka ny hamoahana haingana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ny mpandraharaha Rakotoniaina Roland...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco