Alakamisy 21 mey 2020 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo, ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

♦ Tafakatra 322 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Toherin'i Madagasikara amin'ny fomba hentitra ny fikasan'i Frantsa hametraka ilay ivo-toerana mbomba ny tontolo iainana any amin'ny Nosy Sambatra... ♦ Mitaky ny hanajana ny fisaraham-pahefana eo amin'ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalana ary fahefam-pitsarana ny vondrona parlemantera tsy miankina na ny GPR...

♦ Tranga 18 vaovao indray no hita tamin'ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mbola mitombo ary maro ireo olona mararin'ny tazomoka mahery any amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy ampy ny fanafody fitsaboana fa fanafody fanefitra no nalefan'ny fitondram-panjakana... ♦ Toherin'i Madagasikara ny fikasan'i Frantsa hametraka Ivo-toerana momba ny tontolo iainana ao amin'ny Nosy Sambatra...

Alarobia 20 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

♦ Manentana ny Malagasy mba hisotro ny tambavy CVO ny Filoham-pirenena, hiarovan-tena amin'ny fahazoana ny Coronavirus... ♦ Hanao fihaonam-be any Fianarantsoa handinihana ny fomba hanarenana ny tontolon'ny fanabeazana aorian'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny Sempama... ♦ Dinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona amin'ity herinandro ity ny volavolan-dalana momba ny famokarana biôlôjika...

♦ Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus amin'ny faritra ahitana izany... ♦ Tafakatra 304 ny isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Minatso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ampiharin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny FFKM...

♦ Nanamafy ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety fa mamely mafy ny tazo mahery any amin'ny faritra maro eto amintsika... ♦ Nikatona omaly ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an'ity taona ity... ♦ Misaona ny zava-kanto malagasy. Nodimandry tampka omaly i Sefo Nonoh, mpitendry gitara beso, amin'ny tarika malagasy maromaro...

♦ Mihazakazaka ny fitombon'ny isan'ny olna mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Nilaza ny tsy tompon'andrikitra tamin'ny fitombon'ny isa tamin'ny valin'ny fitiliana natao ny 06 mey teo ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Efa nivoaka ny fonja ilay Ben'ny tananan'Ankerana Avaratra any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy...

♦ Mihazakazaka ny fitomboan'ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any Toamasina... ♦ Tsy tompon'andraiktra tamin'ny fitomboan'ny isa tamin'ny valin'ny fitiliana natao tamin'ny 06 mey lasa teo anivon'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nirongatra be ny asan-dahalo tato ho ato, lasibatr'izany ny distrikan'Ikalamavony...

♦ Miantso ny olom-pirenena hiray hina amin'ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina, ny KMF/CNOE... ♦ Mihena ny isan'ny olona tratran'ny dengue any Mahajanga raha ny tarehimarika tamin'ity herinandro ity... ♦ Manohana ny fanjakana Malagasy amin'ny fanampiana ireo olona sahirana ianjadian'ny ikrisy amin'izao fotoana izao ny PNUD...

♦ Miisa 230 ny olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Ny 122 mbola any amin'ny hôpitaly... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny Fitsarana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny Firsarana any Toamasina noho ny fahitana mpiasa miisa 07 voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Mila hamafisina ny fanentanana ny eto an-toerana sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mba ahafahana mamerina ireo Nosy malagasy manodidina ho eo ambany fahefantsika hoy ny Loholona Pierrot Rajaonarivelo...

♦ 18 no fitambaran'ny isan'ny olona vaovao voaporofo, araka ny tatitra mivoaka androany, fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nomen'ny CBM na Christoffel Blindenmission tolotanana mitentina 240 tapitrisa ariary ireo olona manana fahasemanana sy marefo eto Madagasikara... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny Fitsarana mandritra ny fotoana tsy voafaritra ny Fitsarana ao Toamasina...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...