♦ Napetraka eny amin'ny Rovan'Antananarivo ny satro-boninahitry ny tantarom-piandrianan'ny mpanjaka Ranavalona fahatelo... ♦ Manampy trotraka ny kere iainan'ny mponina any Atsimo ny fisian'ny tafio-drivotra mahery vaika mitondra fasika any amin'iny faritra iny... ♦ Mpifidy vaventy miisa enina sisa no andrasan'Andriamatoa Joe Biden...

05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

Zary fomba amam-panaoantsika amin'izao fotoana izao, na lehibe na tanora na ankizy ny tsy mahay miaina sy tsy mahay mitia. Mamono ankoloka na mivantana ny fampitondrana kitra ny mpiara-belona. Ny fametahana anaram-bositra dia fampitondrana kitra

Ny fifampitokisana no fototra mampirindra ny fifandraisana. (04-11-2020)

♦ Votoatin'ny fifaninanana pika sary karakarain'ny fikambanana T.S.A, miaro ny sokatra eto Madagasikara... ♦ Ny sahona mena... ♦ Fanentanana amin'ny fiarovana ny varika...

♦ Handrasana anio maraina etsy amin'ny seranam-piara-manidina etsy Ivato ny fahatongavan'ny satro-boninahitry ny tantarom-piandrianan'ny mpanjaka Ranavalona fahatelo... ♦ Voafehy ny fisondrotry ny vidin'entana jifaina teto Madagasikara tamin'ity taona ity... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, tsy mbola fantatra ny anaran'izay ho filoha mandritra ny efa-taona manaraka...

04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.

Zoma 06 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

♦ Hitohy hatrany ny fitetezam-paritra hataon'ny vondrona panorama... ♦ Hotanterahina ny faha 06 sy faha 07 novambra ho avy izao, eny amin'ny AFT Andavamamba ny hetsika Carrefour de la formation, des métiers et de l'emploi... ♦ Noahafahan'ny pôlisy teo am-pelan-tanan'ilay naka sy nitana azy ankeriny, nonomboka ny faha-13 oktobra lasa teo ny ankizy vavy katolika iray...

Alakamisy 05 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10 — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

♦ Hotokanana amin'ny zoma 06 novambra ho avy izao ny asa fanarenana ny rovan'i Manjakamiadana...  ♦ Hametraka toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro hanana tanjaka 11 megawatt ao Antananarivo renivohitra ny orinasa JIRAMA... ♦ Naneho ny alahelony sy ny hatairany noho ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Vienne any Autriche izay nahafatesan'olona miisa 04 fara-fahakeliny ary nandratra olona miisa 14 hafa ny papa François omaly...

♦ Mahafehy tsara ny teny sinoa ny tanora malagasy... ♦ Fampandrosoana ny eny ambanivohitra, nosantarina tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Hotel Carlton ny tetik'asa Fandroso... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, Donald Trump sa Joe Biden no hibata ny fandresena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...